1 Tamin'ny volan'i Nisana, tamin'ny faharoapolo tao nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka, la nisafidy divay ie, sady nangalaky gny divay ka nagnome izay ho gnan'ny mpanjaka. Sady tsy mbo nalahelo teo amin'ny fagnatrehany mihintsy zaho. 2 Fa hoy gny mpanjaka tagnamiko hoe: " Nagnino gny endrikinao ro malahelo mare? Nefa tsy hita marary iha. Mety alahelo ao am-po izay." La lasa natahotsy mare zaho. 3 Hoy zaho tamin'ny mpanjaka hoe: " Ho velo mandrakizay anie gny mpanjaka! Nagnino gny endriko ro tsy tokony halahelo? Gny tana, gny toeran'ny lolon-drazako, la rava, sady reo varavarany la potiky gny bolo." 4 La hoy gny mpanjaka tagnamiko hoe: " Ino ro teanao hataoko?" Ka nivavaky tamin'ny Ndranagnahary gny lagnitsy zaho. 5 Namaly gny mpanjaka zaho hoe: " Laha soa amin'ny mpanjaka izay, sady laha nanao gny soa teo imasonao gny mpanomponao, la afaky hirahinao ho agny Joda zaho, agny amin'ny tanan'ireo lolon-drazako, mba hahafahako mampimpola mananga izay." 6 La namaly gnahy gny mpanjaka sady nipetraky teo agnilany avao koa gny mpanjaka ampela) hoe: " Firy andro ro andehananao sady mbia iha ro himpoly?" Sitraky gny mpanjaka gny nandefa gnahy lafa nagnome reo datin'andro taminy zaho. 7 Bakeo la hoy zaho tamin'ny mpanjaka hoe: " Laha sitraky gny mpanjaka, la ao hisy taratasy homea gnahy ho gnan'ireo governora agny amin'ny Faritany Ansafin'ny Ony mba hagnomezan-drozy gnahy alala handeha amin'ny fari-tanin-drozy amin'ny lalako magnagny Joda. 8 Ao avao koa hisy taratasy ho gnan'i Asafa mpiamby gny alan'ny mpanjaka, mba hagnomezany gnahy hazo hanaova mare agnilan'ny tragnobe Ndranagnahary, voho ho gnan'ny mandan'ny tana, sady ho gnan'ny tragno zay hipetrahako." Koa fotony tato agnamiko gny tana soan'i Yaveh, la nataon'ny mpanjaka reo fangatahako. 9 La avy tagny amin'ireo governora agny amin'ny Faritany Andafin'ny Ony zaho sady nagnome reo taratasin'ny mpanjaka an-drozy. Sady gny mpanjaka nandefa manam-boninahitsy gny tafiky voho mpiondra soavaly niaraky tagnamiko. 10 Lafa njan'i Sanbala Horonita voho Tobia Amonita mpanompo izay, la meloky fatratsy ie fotony nisy olo avy zay mila hanampy gny vahoakan'Israely. 11 Noho izay la avy tagny Jerosalema zaho sady tagny tagnatiny gny telo andro. 12 Nifoha zaho gny haliky, zaho noho johary tsy ampy nisondry tagnamiko. Tsy nilazaiko tamin'ia na ia zay napetraky Ndranagnahary tao am-poko mba ho atao ho gnan'i Jerosalema. Tsy nisy biby nisondry tagnamiko, ankoatsy gny raiky zay niondranako. 13 Nandeha niboaky tamin'ny Vavahadin'ny Lohasaha zaho gny, tandrifin'ny Loharanon'ny Amboahaolo voho gny Vavahadin-Jeziky, sady nagnara-maso an'ireo mandan'i Jerosalema, zay fa rava, sady reo varavaran-kazo la ravan'ny bolo. 14 Bakeo la nagnany amin'ny Vavahadin-Doharano noho gny Farihin'ny Mpanjaka zaho. Tery mare ho an'ny biby zay niondranako gny handeha amin'ny toera. 15 Noho izay la niakatsy gny lohasahan-driaky zaho gny haliky sady nagnara-maso gny manda, sady nimpoly voho nilitsy teo amin'ny Vavahadin'ny Lohasahan-driaky, sady nimpoly. 16 Tsy hain-drozy mpanapaky zay nandehanany na zay nataoko, sady tsy mbo nampivola reo Jiosy zaho, na reo mpisoro, na reo manan-kanja, na reo mpanapaky , na reo sisa zay nanao gny asa. 17 Hoy zaho tamin-drozy hoe: " Jerinareo gny loza zay mahazo antsika, gny hipetraran'i Jerosalema ao agnty faharava noho gny vavahadiny zay ravan'ny bolo. Andao, handeha tsika hampimpoly hananga gny mandan'i Jerosalema, mba tsy ho ao agnatin'ny fahafaham-baraka sasy tsika." 18 Nivolagniko an-drozy fa teo agnamiko gny tana soan-Dranagnahary noho gny momba gny safan'ny mpanjaka zay nivolagny tagnamiko. Hoy rozy hoe: "' Ao tsika hisondrotsy ka hagnory." La nihatanjahan-drozy ho gnan'ny asa soa gny tanan-drozy. 19 Fa lafa njan'i Sanbala Horonita, noho Tobia Amorita mpanompo, sady Gesema Arabo gny momba izay, la naneso noho nangalaky baraky gnanay rozy, sady hoy rozy hoe: " Ino toy ataonareo? Mikomy hanohitsy gny mpanjaka va nareo?" 20 La namaly an-drozy zaho hoe: " Hagnome fahombiaza gnanay gny Ndranagnahary gny lagnitsy. Mpanompony rahay sady hintsanga noho hagnory rahay. Nefa nareo tsy mana anjara, na rariny, sady fifandraisa amin'ny tantara ao Jerosalema."