Toko 1

1 Gny safan'i Nehemia anak'i Hakalia: Sady tamin'ny vola Kisleo, tamin'ny tao faharoapolo, laha mbo tao amin'ny fiarova mafin'i Sosa zaho, 2 la nisy raiky tamin'ireo rahalahiko, i Hanany, ro avy nisondry taminy olo maromaro bakagny Joda, sady nanontany an-drozy mikasiky reo Jiosy zay nandositsy, voho reo Jiosy sisa tavela tagny, sady mikasiky gnan'i Jerosalema zaho. 3 Hoy rozy tagnamiko hoe: " Reo zay tafaboaky velo tamin'ny fahababoa agny amin'ny faritany la agnaty fangorohoroa voho fahafaham-baraka bevata fotony vaky niropaky gny mandan'i Jerosalema, sady voaoro tamin'ny bolo gny vavahadiny." 4 Laha vo nahare reo safa reo zaho, la nipetraky ka nitomany, sady nalahelo voho nisady hany noho nivavaky tamin'ny Ndranagnahary gny lagnitsy hatrany zaho agnatiny gny andro maro. 5 La hoy zaho hoe: " Iha ro Yaveh, Ndranagnahary gny lagnitsy, gny Ndranagnahary bevata sady mahagaga, zay mitandraky gny fagnekea voho mitanjaky gny fitiava ho an'ireo zay tea Gnazy sady mitandry reo liliny. 6 Njanjigno gny fivavahako ka sokafo gny masonao, mba haharezanao gny vavaky gny mpanomponao zay hivavahako eo agnatrehana andro aman'aly ho gnan'ny vahoakan'Israely mpanomponao henanizao. Minainky gny fahotan'ny vahoakan'Israely, zay nanotanay tagnaminao zaho. Zaho voho gny avorohotan-draiko la samby nanota. 7 Nanao zay tena raty tagnaminao rahay, sady tsy mba nitandry reo lily, reo lalagna, sady reo fitsipiky zay nandidianao gnan'i Mosesy mpanomponao. 8 Mba tiarovo lahy gny safa zay nandidianao gnan'i Mosesy mpanomponao hoe: " Laha tsy mahatoky nareo, la ho aparitako egny amin'ireo firenena, 9 fa laha mimpoly agnamiko nareo sady magnaraky gny liliko ka manao izay, na la niparitaky tagny ambanin'ny lagnitsy lavitsy mare aza gny vahoakanao, la hamory an-drozy bakagny Zaho ka handay an-drozy agny amin'ny toera zay nifiliko hampitoery gny agnarako.' 10 Sady mpanomponao voho olonao rozy, zay navotanao tamin'ny herinao bevata voho gny tagnanao mahery. 11 Yaveh o, misoloho agnaminao zaho, njanjigno lahy gny vavaky gny mpanomponao zay magnaja gny agnaranao fatratsy. Sady ambino gny mpanomponao henanio, sady hiantrao eo imason'io johary io ie," Fa nanompo ho mpanday kapoaky teo amin'ny mpanjaka zaho.