1 La namaly Bildada zay Sohita ka nivola hoe: 2 ' Zisiky mbia ro hivola reo raha reo iha? Zisiky mbia gny safa aloky gny molotsy ro ho lasa tsioky mahery? 3 Mamadiky gny rariny va Ndranagnahary? Mamadiky gny fahamarigna va gny Tsitoha? 4 Fa nanota taminy gny anakao; haintsika io, fa nameany teo an-tagnan'ny fahotany rozy. 5 Hevero fa nila gnan-Dranagnahary mare iha sady nampiseho gny fangatahanao tamin'ny Tsitoha. 6 Laha malio voho mahity iha, la azo antoky fa hiamby gnanao Ie sady hampimpoly gnanao eo amin'ny toeran'ny fahamarignanao. 7 Ka la kely aza ro niandohanao, la ho bevata mare ro hiafaranao. 8 Agnontanio lahy reo avorohota taloha, voho fantaro zay nianaran'ny razambenao. 9 ( Fa tsika la vao teraky nimaly sady tsy mahay ndra ini ino fotony aloky gny androntsika etoy an-tany). 10 tsy hampianatsy gnanao va rozy ka hisafa aminao? Tsy hivola reo safa bakao am-pony va rozy? 11 Afaky mitombo va gny zozori laha tsy misy ketsaketsa? Afaky mitombo va gny volotara laha tsy misy rano? 12 Laha mbo maitso voho tsy voakapa rozy, la malazo alohan'ny zava-maniry hafa. 13 Manahaky gnan'io koa gny lalan'ireo iaby zay magnaligno gnan-Dranagnahary, ho rava gny fanantenan'ny mpaniratsira. 14 Hiala gny tokiny , sady fahatokiany la marefo manahaky gny tragnon-kala. 15 Hitehina amin'ny tragnony ie, fa tsy hanoha gnazy io; hitanjaky gnan'io ie, nefa tsy hahazaka io. Eo agnabon'ny masoandro la maitso ie, sady gny sampany miboaky eo amin'ny zaridainany manontolo. 17 Gny fakany la voafogno korotam-bato; mila toera soa eo amin'ny vato rozy. 18 Fa laha nopotehy hiala amin'ny toerany io olo io,la handa gnazy io toera io ka hivola hoe:" Mbo tsy nahita gnanao zao aho." 19 Ingo, io gny " fazotoan'ny" fitondran-tenan'ny olo manahaky gnan'io; sady hisy zava-maniry hafa hitsimky eo amin'ny nofon-tany mitovy eo amin'ny toerany. 20 Ingo, Ndranagnahary tsy hagnary johary raiky tsy manan-tsiny ; na handay gny tagnan'ny mpanao raty 21 Mbo ho fenoany fiheheza avao gny vavanao, voho fandrengea gny sognina. 22 Reo zay malay gnanao la hisiky hegnatsy; sady tsy hisy sasy gny lain'ny raty fagnahy."