1 La namaly Joba ka nivola hoe: 2 Eh, laha mba voalanja moa gny fangirifiriako; laha mba natao teo amin'ny mizana iaby moa gny loza nanjo gnahy iaby! 3 Fa amizao la mavesatsy tokoa noho gy fasi-driaky io. Ka io ro mahatonga reo safako tsy am-pihevera. 4 Fa gny ana-sipikan'ny Tsitoha la ato amiko, mino poizy gny fagnahiko; reo fampihorohoroan-Dranagnahary la milahatsy hanohitsy gnahy. 5 Magneno mare va gny ampondran-dia laha mana akata? Na gny aomby hitrena nohon'ny mosary laha manam-bilo? 6 Sady zay tsy misy tsiro va azo hohany laha tsy misy sira? Na misy tsirony va gny tapotsin'atoly? 7 Manda gny hikasiky gnan'ireo aho; manahaky gny sakafo maharikoriko gnahy reo. 8 Eh, enga anie ka ho azoko gny fangatahako; eh, enga anie ka hamen-Dranagnahary gnahy gny raha zay iriko mare: 9 mba ho sitrakin-Dranagnahary gny hanorotoro gnahy ndraiky mandeha, ka hagnampatsy gny tagnany sady hangalaky gnahy amin'ny toy fiaigna toy Ie! 10 Ao mbo ho fiononako zao__ ndra la mazoto ao ami'ny tebiteby zay tsy mihena aza aho: fa tsy nanda gny safan'ilay Raiky Masy aho. 11 Ino moa ro heriko, ro mbo tokony hiezaky handigny avao aho? Ino ro hiafarako, ro tokony ho halavako gny androko? 12 Herim-bato va gny heriko? Na vita amin'ny saba va gny nofoko? 13 Tsy marina va fa tsy misy fagnampia sasy ao amin'ny vatako, sady io fahendrea io fa nalako tamiko? 14 Ho gnan'ny olo zay fa ho ketraky, gny fahatokia ro tokony hasehon'ny namany; ndra la ain'izay nahafoy gny fahatahora gny Tsiha aza. 15 Fa reo rahalahiko la nahatoky tamiko manahaky gny ranotrambo agny agn'efitsy, manahaky gny lakan-drono zay mandalo avao , 16 zay mahiky nohon'ny ranomnadry ao amin-drozy, sady manahaky ao amin-drozy . 17 Sady lafa rava rozy, la manjavo; lafa mafana , la mitsoniky am-pipetrahany. 18 Gny rodobe zay mandeha amin'ny lalany la niodaky hila rano; mirenireny egny an-tany tsy mamokatsy rozy regny ka la ninga. 19 Gny rodobe bakagny Tema la nijilo tegny, laha nanenta gnan-drozy gny antokon'i Sheba. 20 Diso fanantena rozy noho gny fahatokiany fa hahta rano. Nandeha tagny rozy, kanefa voafitaky. 21 Fa amizao nareo namako la tsinontsino amiko; mahita gny raha mahatsiravina nanjo gnahy nareo ka matahotsy. 22 Nivola taminareo va aho hoe:" ameo raha aho? Na hoe: Hanolory fagnomeza bakamin'ny hanagnanareo aho? 23 Na hoe: avoto amin'ny tagnan'ireo fahavaloko aho? Na hoe : afaho amin'ny tagnan'ireo mpampijaly ahy aho?" 24 Ampianaro aho,la ho tanjahako gny fahanginako; ataovo zay hahatakarako hoe taia ro nahadiso ahy. 25 Endrey gny ha rarin'ny teny marina! Kanefa gny fandresen-dahatrareo, akory gny tenna hanagnan'ireo gnahy? 26 Mikasa gny hanao tsinontsino gny safako va nareo, manao gny safan'ny olo mamoy fa hanamahy gny tsioky? 27 Eka tokoa, miloka gny zaza kamboty raiky nareo, sady nialy varotsy amin'ny namanareo manahaky gny entam-barotsy. 28 Ka amizao, mba henteo lahy aho, fa tena tsy mba havandy eo agnatrehan'ny tarehinareo aho. 29 Mijano, mitalaho aminareo aho; ao tsy hisy fahamarina eo aminareo; eka tokoa , mijano, fa marina gny adiko. 30 Misy faharatia va eo amin'ny lelako? Tsy afaky mamahay gny raha raty va gny vavako?