1 Mikahia mare amizao; hisy olo hamaly gnanao va? Ia amin'ireo masy ro hitoliana? 2 Fotony gny hatezera ro mamono gny olo adala; gny fialogna mamono gny ketriky. 3 Fa nahita olo adala nahazo fangala aho, fa tampoky teo la nozogniko gny tokantranony. 4 Gny anany la lavitsy gny filamina; voatorotoro ao amin'ny vavahadin'ny tana rozy. Tsy misy olo hamonjy gnan-drozy. 5 Gny mosare ro mihina gny vokatsin-drozy; alan-drozy amin'ireo bakegny amin'ny fatiky mihitsy aza io. Gny mangetaheta misagnasagna vava amin'ny hanafnan-drozy. 6 Fotony reo aly sarotsy la tsy miboak bakao amin'ny tany; ndra gny fahoria mitsimoky bakamin'ny tany. 7 Fa koa, gny olombelo la teraky ho gnan'ny fahoria, manahaky gny pitiky bolo maliniky miakatsy. 8 Fa laha gny amiko, la hitoliky amin-Dranagnahary aho; Ainy aho ro hametraky gny adiko__ 9 Ie zay manao raha bevata voho takatsy gny saina, raha mahatseriky tsy hay tanisa. 10 Magnome ora gny tany Ie, sady mandefa rano amin'ireo saha. 11 Manao gnan'io Ie mba hametraha amin'ny abo reo zay iva; mba hanandrata gny malahelo ho amin'ny filamina. 12 Nandrava gny fikasan'ireo olo fetsy Ie, mba tsy hahomby gny tagnan-drozy. 13 Mamandriky gny olo hendry amin'ny asa an-kafetsean-drozy Ie; gny tetiky gny olo raty fagnahy la miafara malaky. 14 Mihaona amin'ny hiky rozy amin'ny atoandro, sady mitsapatsapa amin'ny mitatao vovonona manahaky gny amin'ny haly. 15 Kanefa magnavotsy gny olo mahantra tsy ho amin'ny sabatsy gny vavan-drozy sady olo ory tsy amin'ny tagnan'ny olo mahery ie. 16 Ka manam-panantena reo mahantra, sady gny tsy fahamarigna nampangina gny vavany avao. 17 Ingo, voatahy gny olo zay hahitin-Dranagnahary; nohon'io, ka atao tsinontsino gny famaizan'izay Tsitoha. 18 Fa mandratsy Ie voho bakeo mamehy gny ratsy; mandratsy Ie voho bakeo gny tagnany ro magnasisana. 19 Hagnavotsy gnanao amin'ireo fahoria eny Ie; eka tokoa, amin'ireo fahoria fito, tsy hisy raty hikasiky gnanao. 20 Amin'ny mosary la hagnavotsy gnanao amin'ny fahafatesa Ie, sady amin'ny tagnan'ny sabatsy amin'ny aly. 21 Haetaky amin'ny lozan'ny teny iha; sady tsy hatahotsy gny faharava iha lafa avy io. 22 Hihehy gny faharava voho gny mosary iha, sady tsy hatahotsy reo bibidian'ny tany. 23 Fotony hana fagnenkea amin'ireo vato ao an-baibohonao iha, sady reo bibin'ny baiboho la hilongo aminao. 24 Ho hainao fa voaaro gny lainao, hitsidiky gny valan'aondrinao iha sady tsy ho ory na ino ino. 25 Ho hainao avao koa fa ho bevata gny voanao, fa hanahaky gny akata egny amin'ny tany gny akatanao. 26 Ho agny am-pasana iha laha voky tao, manahaky gny isan'amboaram-bary zay miakatsy amin'io fotoa io. 27 Ingo, fa nohadihady io raharaha io; manahaky gnan'izao io; janjigno io, voho fantaro ho gnan'ny vatanao.