1 Tafaran'io,nanokatsy gny vavany Joba sady nagnozo gny andro nahaterahany. 2 Hoy gnanatony:" 3 Ho rava ani gny andro nahaterahako, gny haly zay nanao hoe:' Misy zazalahy vao torontoroa." 4 Hahiky anie io andro io; tsy ho tiaron-Dranagnahary bakagny agnabo anie io, na hamirapiratsy amin'io gny masoandro. 5 Gny hiky voho aloky gny fahafatesa anie hilaza gnan'io ho gnan-drozy manoka. Hipetraky eo amin'io anie gny rahona; gny raha iaby zay mahatonga gny andro ho mainty anie hampihorohoro gnan'io tokoa. 6 Gny amin'io haly io , hanambonitsy gnan'io anie gny aizim-pito. tsy hifaly eo amin'ny andron'ny taona anie io; tsy ho avy aminny isan'ny vola anie o. 7 Ingo, ho momba anie io haly io; tsy hisy feom-pazotoa anie ho avy ao amin'io. 8 Hagnozo io andro io anie rozy , rozy zay mahay fomba hamohaza gny Levitiana. 9 Hahiky anie kintan'ny andro vao mangiran-dratin'io. Hila fahazava anie io andro io, fa ingo tsy hahita ;na hahita reo hodi-mason'ny vao mangiran-draty, 10 fotony tsy nagnily varavagnan'ny reniko io, sady fotony tsy nagnamafy reo fahoria tsy ho eo amasok io. 11 Nagnino laho aho rotsy maty lafa niboaky bakao an-kibo? Nagnino aho ro tsy nagnenga gny fagnahiko laha niteraky gnahy gny reniko? 12 Nagnino ro nitsena gnahy reo lohaliny? Nagnino ro nandramby gnahy reo nonony mba hahafahako mitsetsitra? 13 Fa manahaky gan'izay ah fa nandry am-pilamina. Niroro aho sady nijano 14 niaraky tamin'ireo mpanjaka voho reo mpanolo-tsain'ny tany, zay nagnory reo fasana ho gnan'ny vatan-drozy zay fa rava amizao. 15 Ndra fa nimaty niaraky tamin'ireo andriandahihy zay nana volamena fahizay aho, zay nameno reo tragnony tamin'ny volafoty. 16 Na mety ho teraky tsy avy vola aho, manahaky gnan'ireo zaza zay mbo tsy nahita gny fahazava mihitsy. 17 Agny ro mijano amin'ny fahoria gny raty fagnahy; agny ro mijano gny reraky. 18 Agny reo voafonja a hiaraky hitony; tsy mahare gny feon'ny mpampiasa rozy. 19 Samby agny gny olo kely voho bevata;mpanompo la afaky amin'ny tompony agny. 20 Nagnino gny fahazava ro ameo gnazy zay ao agnatin'ny fahoria? Nagnino gny fiaigna, 21 ho gnan'ny raiky zay mandigny mare gny fahafatesa zay tsy ho avy ; ho gnan'ny raiky zay mihaly fahafatesa mandilatsy noho gny hanagna mietaky? 22 Nagnino gny fahazava ro amea ho gnan'ny raiky zay feno hafalia sady ravoravo lafa hita gny fasana? 23 Nagnino gny fahazava ro amea ho gnan'ny olo raiky zay mietaky gny lalany, olo raiky raiky zay voafehin-Dranagnahary tao? 24 Fa gny fisentoko la miseho laha tokony hihina;miaraky manahaky gny rano gny fitaraignako. 25 Fa gny raha zay natahorako la avy teo amiko; zay nampatahotsy gnahy la avy tamiko. 26 Tsy milamy aho, tsy mangina aho, voho tsy mana fijanogna aho; gny fahoria ndraiky ro avy."