Toko faha 2

1 Tamin'io andro io , avy niseho teo agnatrehan'i Yaveh reo anakin-Dranagnahary. Avy niaraky tamin-drozy hiseho teo agnatrehan'i Yaveh koa Satana. 2 Hoy gnataony tamin'i Satana :" bakaia iha?" La namaly gnan'i Yaveh Satana ka nanao hoe:" Baka nirenireny tegny an-tany, nivezivezy tegny." 3 Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe:" Moa va fa nandiniky gnan'i Joba mpanompoko iha? Fotony tsy misy ndra raiky aza eto an-tany ka mitovy aminy, johary tsy misy tsiny sady marina, matahotsy gnan-Dranagnahary sady mifaly gny raty.Mbo mitanjaky gny fahitiany hatragny ie, ndra la fa namily Gnahy hanohitsy gnazy aza iha,mba hamotiky gnazy tsy amin'ny antony." 4 Satana namaly gnan'i Yaveh ka nanao hoe:" Hoditsy takalon'ny hoditsy; eka tokoa; gny olo la hagnome zay iaby hanagnany hatakalon'ny gnainy. 5 Fa ahamparo gny tagnanao amizao ka kasiho gny taolany voho gny nofony, la henteo laha tsy hagnozo gnanao eo amin'ny tarehinao ie." 6 Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe:" Ingo, eo am-pelatagnanao ie; gny ainy avao ro ao harovanao." 7 La lasa Satana niala teo amin'ny fagnatrehan'i Yaveh. Namely ba raty gnan'i Joba hatregny bakegny an-tombony ka hatregny an-tampon-dohany ie. 8 Nangalaky vakim-balagny vita tamin'ny tanimanga Joba hihaokaorany gny vatany, sady nipetraky teo agnivon'ny lavenoky ie. 9 La hoy gny valiy taminy:" Mbo mitanjaky gny fahitianao avao va iha? Ozogny Ndranagnahary sady matesa." 10 Fa hoy ie taminy hoe:" Miresaky manahaky gny firesaky gny ampela adala iha. Gny soa va ro tokony ho rambesika bakamin- Dranagnahary ka tsy ho rambesy koa gny raty?" Nohon'io iaby io, la tsy nanota tamin'ny sognony Joba. 11 Sady lafa nahare gny raty iaby nanjo gnazy reo naman'i Joba telo, la samby avy bakagny ain'ny toerany iaby rozy: Elifaza zay Temanita, Bildada zay Sohita voho Zofara zay Namatita.Nanoka fotoa rozy mba hiarahaaory aminy voho hampahery gnazy. 12 Lafa nijilo bakegny lavitsy rozy, la tsy nahay gnazy. Nanandratsy gny feony rozy sady nitagny; samby nanataky gny akanjony no sady namafy vovoky tegny amin'ny tsioky voho teo amin'ny lohany avao gny kirakiraiky. 13 Bakeo la nipetraky tamin'ny tany niaraky taminy rozy nandritsa gny fito andro voho fito haly. Tsy nisy niresaky taminy rozy , fotony hitan-drozy fa tena bevata tokoa gny alahelony.