Toko 1

1 Nisy johary raiky tao amin'ny tanin'i Oza zay Joba ro agnarany; sady joba la tsy misy tsiny sady mahity, zay natahotsy gnan-Dranagnahary sady nifaly gny raty. 2 Ie la nana gnanaky fito lahy voho telo vavy. 3 Ie la nana aondry fito arivi, rameva telo arivo, aomby lahy voho aomby vavy dimanjata, voho boriky dimanjato sady nana mpanompo lako. Ie ro johary bevata mare tamin'ireo olo Tantignana iaby. 4 Isaky gny andro voatendry ho gnan'ny nanaky lahiny, la nanao fisinisiniha tao an-tragnony ie. Rozy la nagniraky ka nikaiky gnan'ireo anabaviny telo mba hiaraky hihina voho hisotro amin-drozy. 5 Lafa nifara gny fisinisiniha, la nampikaiky sady nagnamasy gnan-drozy Joba. Nifoha maraindray be ie sady nanao fagnatitsy oroa ho gnan'ireo anany kirakiraiky , fa hoy gnataony:" Mety fa nanota na nagnozo gnanDranagnahary tagny am-pony anako reo." Nanao gnan'io avao Joba. 6 Sady tamin'io andro la avy niseho teo agnatrehan'iYaveh reo anakin-Dranagnahary. La avy niaraky tamin-drozy koa Satana. 7 Hoy Yaheh Tamin'i Satana hoe:" Bakaia ro niavianao?" Satana namaly gnan'i Yaveh ka nanao hoe:" Baka nirenireny teto an-tany, nivezivezy teo aminy." 8 Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe:" Fa nandiniky gnan'i Joba mpanompoko va iha? Fotony tsy misy manahaky gnazy eto am-boninin'ny tany, johary tsy misy tsiny sady mahity, zay matahotsy gnan-Dranagnahary voho mifaly gny raty." 9 Bakeo Satana namaly gnan'i Yaveh ka nivola hoe:" Matahotsy gnan-Dranagnahary amin'ny tsy misy antony va Joba? 10 Tsy nasianao fefy va gny magnodidy gnazy, magnodidy gny tragnony, voho magnodidy gnazy manontolo? Fa notahinao reo asan'ny yagnany, voho nitombo reo biby fiompiny eto amin'ny tany. 11 fa amizao amparo gny tagnanao ka kasiho zay iaby anagnany, sady henteo laha tsy magnozo Gnanao eo amin'ny tarehinao ie. 12 Hoy Yaveh tamin'i Satana :" Ingo, eo ampelatagnanao zay iaby anagnany. Fa gny vatany avao ro ka hagnamparanao gny tagnanao." La niala tao agnatrehan'i Yaveh Satana. 13 Ndraik'andro , nihina voho nino divay tagny an-tragnon'ny anaky lahiny voalohan reo anaky lahiny voho anaky ampelany. 14 Nisy mpanday hafatsy raiky namonjy gnan'i Joba sady nivola hoe:" Niasa tany reo aomby sady reo boriky la nihina tagnilan'ireo teo. 15 Nanafiky gnan-drozy reo Sabeana sady nanambotsy gnan-drozy. Laha gny amin'ireo mpanompo, la novelezin-drozy tamin'ny lelan-tsabatsy. Zaho raiky ro tafatsoaky mba hampandre gnanao." 16 Laha mbo nivola igny ie, la nisy raiky koa avy sady nivola hoe:" Nilatsaky bakagny an-danitsa gny bonon-Dranagnahary sady nagnoro reo aondry voho reo mpanompo. Zaho raiky ro tafatsoaky mba hampandre gnanao." 17 Laha mbo nivola gnan'igny ie, la nisy raiky hafa koa avy vo nivola hoe:" Nizara vondro telo reo Kaldeana ka nanafiky reo rameva, sady nanambotsy gnan'ireo. Laha gny amin'ireo mpanompo , la novelezin-drozy tamin'ny lelan-tsabatsy. Zaho raiky avao ro tafatsoaky mba ampandre gnanao." 18 Laha mbo nivola gnan'igny ie , la nisy raiky hafa koa avy vo nivola hoe:" Reo anaky lahinao voho anaky ampelanao la nihna voho nisotro divay tao an-tragnon'ny zokin-drozy voalohany. 19 Nisy tsioky mahery avy bakagny agn'efitsy nikapoky gny zorony efitran'ny tragno, Nilatsiky tamin'ireo zatovo io, sady la maty rozy. Zaho raiky ro tafatsoaky mba hampandre gnanao." 20 La nitsanga Joba , nanataky gny akanjony, nagnaratsy gny lohany, niankohoky teo amin'ny tany, voho nidera gnan-Dranagnahary. 21 Hoy gnataony:" tsy nisiky aho laha niboaky tao an-kibon-dreniko, sady tsy hisiky aho lafa himpoly ao. Yaveh ro nagnome, sady Yaveh ro nangalaky. Isaorana anie gny agnaran'i Yaveh." 22 Tamin'ireo raha nitranga iaby reo , la tsy nanota Joba, na koa niampanga gnan-Dranagnahary hanao gny tsy mety.