1 Azo antoky fa misy toeram-pitrandraha volafoty, toera zay fagnaliovan-drozy volamena. 2 Gny vy la nalany bakamin'ny tany; gny saba la mitsoniky miala bakamin'ny vato. 3 Mampisava gny maiky olo ka mikaroky, hatrany amin'ny fetra lavitsy mare, gny vato agny agnaty maiky voho aizin-kitroky. 4 Mihaly lavaky miala gny toera hipetraran'ny olo ie, toera zay fa nihalignon'ny olo. Mihanto lavitsy gny olo ie; mitsingevaheva eto voho eroe ie. 5 Laha gny amin'ny tany, zay iboahan'ny mofo, la mivaliky ao ambany manahaky gny tamin'ny alalan'ny bolo izay. 6 Gny vaton'izay toera ahita reo safira, sady gny lemboky la misy volamena. 7 Tsy misy voro mpihaza mahay gny lala magnagny, na gny mason'ny voro mahery ka mahita izay. 8 Tsy nisy bibidia matanjaky ka nandia gny lala manahaky izay, na liona masiaky ka nandalo teo. 9 Gny olo la mametraky gny tagnany eo agnabo vato karanga; avaliny hatrany amin'ny fotony gny tendrombohitsy. 10 Manapaky fantsona eo amin'ireo vatolampy ie; mahita gny raha sarobidy iaby ao gny masony. 11 Manentsy gny riaky mba tsy hikoria ie; zay mietaky ao amin'izay la haboakiny ho amin'ny mazava. 12 Aia ro hahita gny fahendrea? Aia gny toeran'ny fahazavan-tsay? 13 Gny olo la tsy mahay gny viliny; sady tsy hita eo amin'ny tanin'ny velo izay. 14 Gny rano laliky ambanin'ny tany manao hoe: ' Tsy ato agnamiko izay'; gny ranomasy manao hoe: ' Tsy atoy agnamiko izay.' 15 Tsy azom-bolamena izay; na gny volafoty aza tsy azo lanja ho viliny. 16 Tsy mahatehaky gnazy gny volamen'i Ofira, mbamin'ny beryla sarobidy na safira. 17 Gny volamena voho gny vato krystaly la tsy azo ampitahay amin'ny lanjany; sady tsy afaky atakalo amin'ny firavaky gny volamena voalio izay. 18 Tsy ho ambara mihintsy gny lanjan'ny haran-dranomasy na gny jaspy; eka vatany, gny vilin'ny fahendrea la mihoatsy noho gny ruby. 19 Gny topazan'i Etiopia la tsy mifampitaha aminy; na gny tana volamena aza tsy azo ampitaha amin'izay. 20 Koa bakaia ary, ro hiavian'ny fahendrea? 21 Aia ro toeran'ny fahazavan-tsay? Gny fahendrea la mietaky amin'ny mason'ny raha managnay iaby sady aetaky an'ireo voron'ny habakabaky. 22 Gny Faharava voho Fahafatesa la mivola hoe: ' Tsaho avao ro njan'ny sofinay gny amin'izay.' 23 Ndranagnahary mahay gny lala magnagny; hainy gny toeran'izay. 24 Fotony Ie magnenty hatrany amin'ny fara-vazan-tany sady mahita gny ambanin'ny lagnitsy iaby. 25 Nanao gny herin'ny tsioky Ie sady namaritsy gny rano araky gny refiny. 26 Nanao lily ho gnan'ny ora Ie sady lala ho gnan'ny tselatsy gny kotrok'ora. 27 La nahita gny fahendrea Ie ka nagnambara izay; nametraky izay Ie, eka vatany, nandiniky izay Ie. 28 Hoy Ie tamin'ny olo hoe: ' Ingo, gny fahatahora gny Tompo__izay ro fahendrea; gny fiala amin'ny raty ro fahazavan-tsay."'