1 Sady namaly Joba ka nanao hoe: 2 " Endrey gny fanampianao gny raiky zay tsy manan-kery! Endrey gny namonjenao gny sandry zay tsy nana tanjaky! 3 Endrey gny nanoroanao hevitsy gny olo zay tsy manam-pahendrea voho gny nagnambaranao fahalala soa taminy! 4 Tamin'ny fagnampian'ia ro nivolagnanao regny safa regny? Fanahin'ia ro niboaky bakaminao? 5 Zary mangovitsy gny maty, la reo zay agny ambany rano voho reo iaby zay mipetraky ao amin'izay. 6 Mitanjaky eo agnatrehan-Dranagnahary gny Fiaignan-tsy hita; gny faharava mihintsy ro tsy misy fagnarona aminy. 7 Mamelatsy gny lagnitsy avaratsy egny amin'ny toera babangoana Ie, sady mampihanto gny tany eo amin'ny tsy misy. 8 Mampitambatsy gny rano ao amin'ny rahony matevy Ie, nefa tsy matriatra ao ambanin'izay gny rahona. 9 Magnaro gny volana ie sady mampiely gny rahony eo amin'izay. 10 Nisokitsy faritsy boribory teo agnabo rano ho efatsy eo amin'ny mazava voho gny maiky Ie. 11 Mihovitrovitsy gny andrin'ny lagnitsy sady taitsy tamin'ny fivolagnany mare. 12 Nampitony gny ranomasy tamin'ny heriny Ie; tamin'ny fahazavan-tsainy ro nampianjerany an-dRahaba. 13 Tamin'ny fofognainy ro nampisavany gny lagnitsy; gny tagnany ro nanindro gny menarana teo am-pandosira. 14 Ingo, sombiny amin'ny lalany fotsiny avao izay; endrey gny halefaky gny bitsiky rentsika bakamy! Ia ro afa-mahatakatsy gny kotroky gny heriny?"