1 Sady Bildada gny Sohita namaly ka nivola hoe: 2 " Ao aminy gny fanapaha voho gny tahotsy; mandamy agny amin'ny toerany abo agny an-dagnitsy Ie. 3 Misy fetrany va gny isan'ireo tafiny? Amin'izay ro tsy hamirapiratan'ny fahazavany? 4 Manao akory ro hahamana gny olo eo amin-Dranagnahary? Manao akory ro hampalio zay naterak'ampela, ho azo ekena eo aminy? 5 Ingo, fa na la gny volana aza tsy mamiratsy aminy; tsy malio eo imasony gny kintana. 6 Sandraky fa gny olo, zay kankana__zay anak'olombelo, zay kankana!"