1 Nagnino gny fotoa fitsara reo raty fagnahy ro tsy nataon'ny Tsitoha? Nagnino reo zay mahatoky an-Dranagnahary ro tsy mahita gny fahavian'ny andron'ny fitsarany? 2 Misy olo raty fagnahy zay mangalaky gny mariky gny sisin-tany; misy olo raty fagnahy zay mangalaky an-kery gny andian'aondry aman'aosy ka mametraky reo ao amin'ny valan-drozy manoka. 3 Mandroaky gny borikin'ireo kamboty raiky rozy; mangalaky gny aombin'ny mpitondratena ho fiarovany rozy. 4 Manery reo olo ory hiala amin'ny lalany rozy; reo olo mahantran'ny tany la mietaky an-drozy iaby. 5 Ingo, reo olo mahantra reo la miboaky miasa manahaky gny borikidia agny amin'ny tany hay, mila sakafo fatratsy; mandrary mba hagnome an-drozy sakafo ho gnan'ny anakin-drozy avao i Araba. 6 Gny olo mahantra la mijinja agny amin'ny baibon'ny hafa amin'ny haliky; mitimpo gny voaloboky bakamin'ny vokatr'ireo olo raty fagnahy rozy. 7 Miroro tsy misy siky tsy misy lamba rozy gny haliky manontolo; tsy mana firakofa rozy amin'ny nintsy. 8 Kotsan'ny eriky gny tendrombohitsy rozy; sady miroro agnilan'ireo vato bevata fotony tsy manan-kialofa. 9 Misy reo raty fagnahy mangalaky reo kamboty eo an-tratran-dreniny, sady olo raty fagnahy zay mangalaky reo aja ho fiarova amin'ny olo mahantra. 10 Fa reo olo mahantra la mandehandeha tsiantsiky tsy misalotsy; na la mandeha mosare aza rozy, la milanja gny amboaram-barin'ireo hafa. 11 Reo olo mahantra la manao soliky ao agnatin'ny rindrin'ireo raty fagnahy reo; manitsakitsaky ao amin'ny famiazan-divain'ireo raty fagnahy rozy, fa gny vatan-drozy la mijalin'ny farandrano. 12 Misento gny olo ao amin'ny tana, mikoraky mare gny olo naratsy, fotony tsy midary gny tsihovin-drozy Ndranagnahary. 13 Gny sasany tamin'ireo olo raty fagnahy reo la mikomy manohitsy gny hazava; sady tsy hain-drozy gny lalany, ro mijano amin'ny lalany rozy. 14 Mialohan'ny andro mazava ro mitsanga gny mpamono olo ka mamono gny mahantra voho gny olo ory; manahaky gny mpangalatsy ie amin'ny haliky. 15 Miamby gny takariva avao koa gny mason'ireo mpinjangajanga; hoy ie hoe: 'Tsy hisy fijery hahita gnahy.' Manaro gny vatany ie. 16 Ao amin'ny maiky ro hisavan'ny olo raty fagnahy gny tragno; fa rozy la mampitsy gny vatan-drozy amin'ny; tsy miraharaha gny hazava rozy. 17 Amin-drozy iaby, gny aizim-pito la manahaky gny maraindray; fotony rozy la naman'ny fampihorohoroan'ny aizim-pito. 18 Na izay aza anefa la ho rava malaky rozy, manahaky gny roatra mitsingeva egny agnabo rano; gny anjaran-tanin-drozy la voaozo; tsy misy olo mandeha hiasa egny amin'ny tanim-boalobokin-drozy. 19 Manahaky gny nampitsonihan'ny hain-tany voho gny hafana gny oram-panala ho rano, ro hangalan'ny Fiainan-tsy hita reo zay nanota. 20 Gny kibo zay nanday gnazy la hanalino gnazy; gny kankana ro hihina gnazy an-kamamia; tsy tiarony sasy ie; amin'izay fomba izay, ro hahapotiky gny faharatiany manahaky gny hazo. 21 Gny raty fagnahy la handrapaky gny ampela momba zay tsy nitera-jaza; tsy magnisy soa amin'ny mpitondratena ie. 22 Nefa Ndranagnahary mbo mitariky gny olo mahery amin'ny alalan'ny heriny avao; mitsanga Ie sady tsy mampatanjaky gnan-drozy amin'ny fiaigna. 23 Ndranagnahary la mamela gnazy hihevitsy mandry fahalemana rozy, sady faly gny amin'izay rozy, nefa gny fijeriny la egny amin'ny lalany. 24 Asondroto reo olo reo; nefa, ao agnatin'ny fotoa fohy avao, la ho lasa rozy; eka vatany, hahetry rozy; havory manahaky gny hafa iaby rozy; ho tapahy manahaky gny salohim-bary reozy. 25 Laha tsy izay, ia ro afaky hagnamary gnahy ho mpavandy; ia ro afaky hanao tsinotsino gny vatako?