1 Bakeo Joba namaly ka nanao hoe: 2 " Na laandroany aza la mangily gny fitaraignako; gny mavesatsy nohon'ny fitaraignako. 3 Indrisy, laha mba haiko zay mety hahitako Gnazy, Eh! hahaviako eo amin'ny toerany! 4 Handahatsy gny aliko eo agnatrehany zaho sady hameno gny vavako amin'ny fandresen-dahatsy. 5 Hianatsy reo safa zay hamaliany gnahy sady hahazo zay ho ambarany agnamiko. 6 Hialy hevitsy hanohitsy gnahy amin'ny haben'ny fahefany va Ie? Aha, hinjanjy gnahy Ie. 7 Agny ro hialy hevitsy Aaminy gny olo mahity. Amin'izay fomba izay ro hanafahan'ny mpitsarako gnahy maliolio mandrakizay. 8 Ingo, mandeha miantignana zaho, fa tsy agny Ie, sady miagnandrefa, nefa tsy mety mahita Gnazy zaho. 9 Gny agny avaratsy, zay iasany, nefa tsy afaky mahita Gnazy zaho, sady gny agny atimo, zay agnetahany gny vatany mba tsy hahafahako mahita Gnazy. 10 Nefa mahay gny lala zay andehanako Ie; lafa nisedra gnahy Ie, la hiboaky manahaky gny volamena zaho. 11 Nifikitsy tamin'ny liany gny tomboko; nifikitsy tamin'ny lalany zaho sady tsy niodaky. 12 Tsy niala tamin'ireo lilin'ny molony zaho; gny safan'ny tsihoviny la niraketiko tao am-poko mihoatsy noho gny anjara haniko. 13 Fa tsy manam-pijalia Ie, ia ro afaky hamily Gnazy ndraiky? Zay iriany la ataony. 14 Fa tanterahany hanohitsy gnahy reo lalany; misy maro manahaky reo. 15 Noho izay, mihorohoro zaho eo amin'ny fagnatrehany; lafa mieritreritsy gny momba Gnazy zaho, la matahotsy Gnazy. 16 Fotony fa nataon-Dranagnahary malemy gny foko; nampihorohoro gnahy gny Tsitoha. 17 Tsy nitaperiny tamin'ny maiky zaho, nohohn'ny aizin-kitroky zay magnaro gny aizim-piton'ny vatako.