1 La namaly Elifaza gny Temanita ka nivola hoe: 2 " Mety ilain-Dranagnahary va gny olo? Mety ilainy va gny johary hendry? 3 Moa va fahafinareta ho an'ny Tsitoha laha to iha? Moa va tombony ho Gnazy laha manao gny lalanao hotsy misy tsiny iha? 4 Moa va gny fanehoanao fagnaja Gnazy ro hamaizany gnanao voho handaisany gnanao amin'ny fitsara? 5 Moa va tsy bevata gny faharatianao? Tsy misy fiafara va reo helokinao? 6 Fa nangataky antoky tamin'ny findraman-dralan'ny rahalahinao tamin'ny tsy misy antony iha, sady fa nanendaky fitafia tamin'izay nitanjaky iha. 7 Tsy nagnome rano ho inomin'ny olo reraky iha; nandrakoky mofo tsy ho gnan'ny olo mosare iha, 8 na la olo mahery aza iha, zay nana gny tany, na la olo manam-boninahitsy aza iha, zay nipetraky tao amin'izay. 9 Nalefanao maiky gny mpitondratena; sady gny tagnan'ireo kamboty la nitapahy. 10 Noho izay, misy fandriky gny magnodidy gnanao iaby, sady gny fahatahora tampoky ro mampijaly gnanao. 11 Misy gny maiky, mba tsy hahitanao; sady gny rano be mandroky gnanao. 12 Moa va Ndranagnahary tsy agny amin'ny haabon'ny lagnitsy? Henteo gny haabon'ireo kintana, endrey gny hahabon-drozy! 13 Sady hoy iha hoe:' Ino ro hain-Dranagnahary? Mety hitsara amin'ny alalan'ny aizim-pito va Ie? Gny rahona matevy ro firakofany, mba tsy hahitany antsika; mandeha egny amin'ny andohalambon'ny lagnitsy Ie.' 15 Hitandry gny lalagna taloha zay nandehanan'ny olo raty fagnahy va iha__ 16 reo zay nalanao talohan'ny fotoany, reo zay voafaoky manahaky gny renirano gny fototrin-drozy, 17 reo zay nivola tamin-Dranagnahary hoe: ' Miala agnaminay'; reo zay nivola hoe: ' Ino ro azon'ny Tsitoha atao agnaminay?' 18 Nefa mbo nameno gny tragnon-drozy tamin'ny raha-soa Ie; gny tetik'ireo raty fagnahy la lavitsy gnahy. 19 Gny olo-to mahita gny anjarany ka faly; gny olo tsy mana-tsiny miomehy gnan-drozy mba handatsa gnazy. 20 Hoy rozy hoe:' Azo antoky fa nitapahy reo zay nitsanga nanohitsy antsika; nandevo gny fanagnany gny bolo.' 21 Ka henanizao, maneke an-Dranagnahary sady mihavagna aminy; amin'izay fomba izay, ro hiavian'ny soa agnaminao. 22 Mitalaho agnaminao zaho, mandrambesa fampianara bakamin'ny molony; tehirizo ao am-ponao gny safany. 23 Laha mimpoly amin'ny Tsitoha iha, la hiory, laha mametraky gny tsy fahamarignanao lavitsy gny lainao iha. 24 Ampandrio eo amin'ny lemboky gny hanagnahao, gny volamenan'i Ofira eo amin'ny vaton'ny lohasahan-drozky, 25 sady gny Tsitoha ro ho hanagnahao, volafoty sarobidy ho gnanao. 26 Fa amin'izay la hisinisiny amin'ny Tsitoha iha; hanondrotsy gny vatanao amin-Dranagnahary iha. 27 Hivavaky aminy iha, la hinjanjy gnanao Ie; handoa reo voalinao aminy iha. 28 Handidy gny raha iaby koa iha, sady la ho hamafisy ho gnanao izay; hamiratsy amin'ny lalanao gny fahazava. 29 Ndranagnahary la mampiambany gny olo mirehareha, sady mamonjy gny olo mampizotsy gny mosary. 30 Hagnafaky Ie na la gny olo manan-tsiny aza; zay ho vonje eo amin'ny fahadiovan'ny tagnanao."