Toko faha 20

1 La namaly i Zofara gny Namatita sady nivola hoe: 2 " Reo eritreritiko ro mahavy gnahy hamaly malaky nohon'ny fitaintaigna zay ao agnatiko. 3 Mahare safa mare zay mangalaky baraka gnahy zaho, nefa misy fagnahy bakamin'ny fahazavan-tsaiko mamaly gnahy. 4 Tsy hainao va zao raha-misy zao hatramin'ny andro taloha, laha nametraky gny olombelo teto an-tany Ndranagnahary: 5 gny fandresen'ny olo raty fagnahy la boribory, sady gny hafalian'ny mpaniratsira la maharitsy fotoa fohy avao? 6 Na la mahatakatsy gny lagnitsy aza gny haabony, sady manganiky gny rahona gny lohany, 7 la mbo ho rava manahaky gny malotony gny olo manahaky izay; reo zay nahita gnazy la hivola hoe: ' Aia ie?' 8 Hatily manahaky gny nofy ie sady tsy ho hita; egny tokoa, ho enjehy manahaky gny fahita amin'ny haly ie. 9 Gny maso zay nahita gnazy la tsy hahita gnazy sasy; gny toerany la tsy hahita gnazy sasy. 10 Hiala tsiny amin'ny olo mahantra reo anany; tsy maintsy hampimpoly gny hanagna azony gny tagnany. 11 Reo taolany la feno gny tanjaka gny fahatanora, nefa handry miaraky aminy agnaty vovoky izay. 12 Na la mamy ao am-bavany aza gny faharatia, na la magnetaky izay ao ambanin'ny lelany aza ie, 13 na la mitanjaky izay ao sady tsy magnenga izay handeha fa mbo mitanjaky izay soa ao am-bavany avao aza ie__ 14 la mivaliky mangily gny sakafo ao agnaty tsinainy, zary poizy bakamin'ny bibilava ao agnaty izay. 15 Mitely hanagna ie, nefa handoa izay ndraiky; haboakin-Dranagnahary bakao amin'ny kibony izay. 16 Hitsetsiky gny poizin'ny bibilava ie; hamono gnazy gny lelan'ny menarana. 17 Tsy hankafy reo renirano, reo riakin'ny tantely voho ero-dronono ie. 18 Hampimpoly gny vokatsy zay nisasarany ie sady tsy afaky gny hinana izay; tsy afaky gny hankafy gny hanagna azony tamin'ny varony ie. 19 Fotony ie nampijaly voho mahantra; nangalaky an-keriny reo tragno zay tsy naoriny ie. 20 Fotony ie tsy nahalala fahafaham-po tamin'ny vatany, la tsy afaky gny hahavonjy gny raha iaby zay nagnagny fahafinareta ie. 21 Tsy misy zay tavela ka tsy naravany; noho izay la manam-petra avao gny fahombiazany. 22 Hilatsaky agnaty fijalia amin'ny fahabetrahan'ny hanagna ie; gny tagnan'ny kiraidraiky zay ao agnaty fahantra la ho avy hanohitsy gnazy. 23 Lafa hameno gny kibony ie, la hatorakin-Dranagnahary aminy gny firehetan'ny fahatezerany; handrotsaky izay eo aminy Ndranagnahary lafa eo am-pihinana ie. 24 Na la hiboaky gny fitaovam-pialia vy aza izay johary izay, la hahavoa gnazy gny tsipika saba. 25 Hanindroa bakao an-dambosiny gny lefo sady ho tafaboahy; sady hiboaky nbakao amin'ny atiny tokoa gny tendrony manjelanjelatsy; ho avy eo aminy gny horohoro. 26 Aizin-kitroky tanteraky ro miamby gny hanagna; sady bolo tsy nitsofiny ro handoro gnazy; handrava zay sisa tavela ao agnatin'ny lainy izay. 27 Hagnambara gny helony gny lagnitsy, sady hijoro vavolombelo hanohitsy gnazy gny tany. 28 Hiparitaky gny hanagna ao an-tragnony; hikoria hiala aminy amin'ny andron'ny fahatezeran-Dranagnahary reo fanagnahany. 29 Izay ro anjaran'ny olo raty fagnahy baka amin-Dranagnahary, gny lova voatoka ho gnazy baka amin-Dranagnahary."