1 La namaly Joba ka nanao hoe: 2 " Hafiria ro hampijalianareo gnahy voho hamotipotehinareo gnahy amin'ny safa? 3 Tamin'izay nandatsanareo gnahy impolo zay; tsy mba megnatsy nampijaly gnahy nareo. 4 Laha tena to vatany fa nania zaho, la hijagno ho gnahy regny gny fahadisoako. 5 Laha hanondrotsy gny vatanareo ho agnaboko vatany nareo sady hampiasa gny fahafam-barakako hanohitsy gnahy, 6 la vatany ho hainareo fa Ndranagnahary fa nanao gny tsy nety tagnamiko sady nahatratsy gnahy tamin'ny haratony. 7 Ingo, mitaray zaho hoe. " Herisetra!' nefa tsy mahazo valiny zaho. Nikaiky vonjy mafy zaho, saingy tsy nahazo rariny. 8 Nasiany rindry gny lalako mba tsy hahafahako mandeha, sady nametraky gny maiky teo amin'ny lalako Ie. 9 Nesoriny tagnamiko gny voninahitsy, sady fa nangalaky gny satro-boninahitsy tamin'ny lohako Ie. 10 Fa namotiky gnahy tamin'ny zorony iaby Ie, la lasa zaho, nombotany manahaky gny hazo gny fagnantenako. 11 Nampirehetiny tagnamiko avao koa gny fahatezerany; raisiny manahaky gny raiky amin'ireo fahavalony zaho. 12 Miaraky avy reo tafiny; mananga dongoan-tany hanafiha gnahy rozy ka mitoby magnodidy gny laiko. 13 Nangalaky reo rahalahiko lavitsy gnahy Ie; nihafahafa tagnamiko tanteraky reo olo haiko. 14 Nahafoy gnan-drozy longoko; fa nagnadigno gnan-drozy namako marikitsy. 15 Reo zay ninjano mba ho vahiny tao an-tragnoko fahizay voho reo mpanompo vaviko la mandramby gnahy manahaky gny tsy olom-patasy; vahiny zaho eo imason-drozy. 16 Mikaiha gny mpanompoko zaho, fe tsy namaly gnahy ie na la miangavy gnazy amin'ny vavako aza zaho. 17 Magnafitohy gny valiko gny fofognaiko; maharikoriko reo zay nateraky gny kibon'ny reniko mihitsy aza zaho. 18 Na reo aja aza manao tsinotsino gnahy; laha mitsanga hivola zaho, la mivola magnodidy rozy. 19 Reo namako nahazatsy la malay gnahy; nivaliky tagnamiko reo zay teako. 20 Miraikitsy amin'ny holitsy voho gny nofoko gny taolako; gny hany evelomako la amin'ny holitry gny nifiko. 21 Mana famindram-po agnamiko, mana famindram-po agnamiko, namako, fotony gny tanan-Dranagnahary la fa nikasiky gnahy. 22 Nagnino nareo ro magnenjiky gnahy manahaky gny hoe nareo ro Ndranagnahary? Nagnino ro tsy afa-po amin'ny fandevogna gny nofoko nareo? 23 Eh, enga anie ka ho voasoratsy gny safako henanizao! Eh, enga anie ka ho voarakitsy ao agnaty boky regny! 24 Eh, enga anie ka ho voasokitsy amin'ny penina vy voho firaky eo amin'ny vatolampy mandrakizay regny! 25 Fe laha gny agnamiko, haiko fa velo gny mpagnavotsy gnahy, sady agny am-parany la hitsanga eo amin'ny tany Ie; 26 afaran'izay gny holitsy, izay hoe, toy vata toy, la potiky, sady la ao amin'ny nofoko ro hahitako an-Dranagnahary. 27 Hahita Gnazy amin'ny masoko mihintsy zaho__Zaho, fa tsy olon-kafa. Fa sasa-miamby izay gny foko ato agnatiko ato. 28 Laha hoy nareo hoe: ' Manao akory ro hagnenjehantsika gnazy! Gny fotoan'ireo fijalia la ao aminy,' 29 sady matahora gny sabatsy, fotony gny fahatezera la hahavy famaiza amin'ny sabatsy, mba hahafantaranareo fa misy gny fitsara."