Toko faha 18

1 Bakeo Bilidada gny Sohita namaly sady nivola hoe: 2 " Mbia ro hatsahatrao gny volanao? Diniho, sady afaran'izay la hivola rahay. 3 Nagnino rahay ro himpoly manahaky gny biby; nagnino rahay ro nanjary adala eo imasonao? 4 Iha zay mamiravira gny vatanao amin'ny fahatezeranao, tokony hahafoy ho gnanao va gny tany sa tokony ho ala eo amin'ny toerany reo vatolampy? 5 Eka vatany, ho vonoe gny fahazavan'ny olo raty fagnahy; tsy hamirapiratsy gny pitiky bolony. 6 Ho maiky gny fahazavanao ao an-dainy; sady gny jiro eo amboniny la ho vonoe. 7 Hafohezy gny dingan'ny heriny; gny fikasany avao ro handrava gnazy. 8 Fa hifatratsy agnaty harato amin'ny alalan'ny tombony avao ie; sady hilatsaky agnaty vela-pandriky raiky ie. 9 Hisy fandriky hahazo gnazy amin'ny kitro; sady hhitanjaky raiky mietaky ho gnazy eo amin'ny tany; sady fandriky raiky ho gnazy eo amin'ny lalagna. 11 Hampatahotsy gnazy gny fampihorohoroa amin'ny sisiny iaby; hagnenjiky gnazy amin'ny kitrony rozy. 12 Hivaliky hanoagna gny hanagna, sady ho vonona eo agnilany gny loza. 13 Gny ratsam-batany la ho voarapaky; eka vatany, gny voalohan-teraky gny fahafatesa la handrapaky gny rantsany. 14 Voaviravira tsy ho amin'ny fiarovan'ny lainy ie sady hiboaky magnagny amin'ny mpanjakan'ny horohoro. 15 Gny olo zay tsy gnazy la hipetraky ao an-dainy afaran'ny hahitan-drozy fa niperitaky tao an-tragnony gny solifara. 16 Ho maiky bakagny ambany gny fotony; sady eo agnabo ro hanapaha reo sampany. 17 Ho tsisy dikany eto an-tany gny fahatiarova gnazy; tsy hana agnara egny an-dalagna ie. 18 Ho andesy bakamin'ny mazava ho agny amin'ny maiky ie sady ho voaroaky eto amin'izao tontolo izao. 19 Tsy hana anaky na zafy eo amin'ny olony ie, na hana sisa tavela amin'ireo faramandimby zay nijanognany. 20 Reo zay mipetraky agny andrefa la hiorin-kolitsy amin'izay hanjo gnazy ndraiky andro agny; sady reo zay mipetraky agny atignana la ho raiki-tahotsy amin'izay. 21 Azo antoky fa manahaky izay gny tragnon'ny olo tsy to, la gny toeran'ireo zay tsy mahay an-Dranagnahary."