Toko faha 17

1 Rava gny fagnahiko, sady tapitsy gny androko; fa vonona ho gnahy gny lolo. 2 Azo antoky fa misy mpandrabiraby eto amiko; tsy maintsy hagnenty gny fihantsian-drozy lalandava gny masoko. 3 Magnomeza antoky zao, ao ho antoky ho gnahy iha miaraky amin'ny tenanao; ia koa ro eto hagnampy gnahy? 4 Fa Iha, Ndranagnahary, nita gny fon-drozy tsy ho amin'ny fahazava-tsay; noho izay, tsy hanondrotsy gnan-drozy ho amboniko Iha. 5 Ie zay miampanga reo namany tamin'ny valisoa; la ho pahy reo mason'ny anany. 6 Nefa nataony ho ambetitenin'ny vahoaky zaho; nororan-drozy gny vatako. 7 Pahy nohon'ny alahelo koa gny masoko; gny rantsam-batako iaby la mahia manahaky gny aloky. 8 Reo olo mahitsy la ho ankona amin'izay; gny olo tsy manan-tsiny handrisiky gny vatany hanohitsy reo olo mpaniratsira. 9 Gny johary to la hifikitsy amin'ny lalany; zay mana tana malio la hitombo hery hatrany hatrany. 10 Nefa ho anareo iaby, miavia eto zao; tsy hahita olo hendry eo agnaminareo zaho. 11 Fa lasa gny androko; rava reo fikasako, sady manahaky izay reo fanirian'ny foko. 12 Reo olo reo, reo mpaniratsira reo, la mamadiky gny haliky ho andro; agnilany maiky gny mazava. 13 Fotony magnenty gny Fiainan-tsy hita manahaky gny tragnoko zaho; fotony nampiely gny fandriako tao amin'ny maiky zaho; 14 fotony nivola tamin'ny lavaky zaho hoe: ' Banako iha' sady tamin'ny kankana hoe: ' Reniko na anabaviko iha', 15 la aia sady izay gny fagnantenako? Laha gny fagnantenako, ia ro hahita izay? 16 Hizotso miaraky agnamiko agny amin'ireo vavahadin'ny Fiaignan-tsy hita va gny fagnatena lafa mizotso agny amin'ny vovoky tsika?"