1 Sady namaly i Joda ka nivola hoe: 2 " Fa nahare raha manahaky izay maro zaho; mpampiono mahonena iaby nareo. 3 Mba hisy fiafarany va reo safa tsy misy dikany? Ino ro olanao ro la mamaly manahaky zao iha? 4 Afaky mivola manahaky anareo avao koa zaho, laha nareo ro teo amin'ny toerako; afaky mamory voho magnambatsy safa zaho andesy hanohera anareo sady hagnifikifiky gny lohako aminareo amin'ny eso. 5 Eh, te-hankahery anareo amin'ny tsihoviko zaho! Endrey gny ho fanamaivan'ny fampionognan'ny molotro gny alahelonareo! 6 Laha mivola zaho, la tsy mihena gny alaheloko; laha mangina koa zaho, nagnino ro hanampia gnahy? 7 Fa henanizao, Ndranagnahary, la nirerahinareo zaho; noravanao gny fianakaviako iaby. 8 Nihamaininao zaho, zay vavolombelo manohitsy gnahy avao; nitsanga hiampanga gnahy gny fahian'ny vatako, sady vavolombelo manohitsy vatako izay. 9 Tao agnaty hatezera ro namotehan-Dranagnahary voho nagnenjeha gnahy; nihily vaza tagnamiko Ie; la nanondro maso gnahy gny fahavaloko laha mbo nandrava gnahy Ie. 10 Nisagnasagna tsihovy tagnamiko gny olo; nifelahan-drozy tamin'ny fanomezan-tsiny gny takolako; niara-nivondro hanohitsy gnahy rozy. 11 Atolotrin-Dranagnahary eo amin'ny olo mpaniratsira zaho, sady atoraky egny an-tagnan'ny olo raty fagnahy. 12 Nilamy zaho, la nipotehiny. Egny tokoa, niraisiny tamin'ny tenda zaho sady nakapony ho potipotiky; nataony to ho kendreny avao koa zaho. 13 Magnodidy gnan-drozy mpanipy ana-tsipikany; tsindronin-Dranagnahary hanagnany hantra gny voako; ararany amin'ny tany gny aferoko. 14 Veleziny hatrany hatrany gny rindriko; mihakazakaza manatogna gnahy manahaky gny mpialy Ie. 15 Nizarariko teo an-kolitry gny akanjo fisaogna; fa nalentiko tao amin'ny tany gny tandroko. 16 Menan'ny tomany gny tarehiko; eo amin'ny holimasoko gny aloky gny fahafatesa 17 na la tsy misy herisetraaza gny vatako, sady malio gny fivavako. 18 Tany o, aza rakofa gny lioko; ao tsy hana toera hiegnena gny fitomaniako. 19 Na henanizao aza, ingo, agny an-dagnitsy gny vavolombeloko; agny amin'ny abo gny mpiantoky gnahy. 20 Mandatrandatra gna-drozy namako, nefa mandrotsa-dranomaso ho an-Dranagnahary gny masoko. 21 Mangataky izay vavolombelo tagny an-dagnitsy izay zaho mba hialy ho any toy johary toy eo amin-Dranagnahary manahaky gny ataon'ny olo amin'ny mpiray tana aminy zaho! 22 Fa afaky tao vitsivitsy, la ho agny amin'ny toera raiky zay tsy hiveregnako sasy zaho.