1 Ingo, gny masoko fa nahita gnan'io iaby io; sofiko fa nahare ka nahatakatsy gnan'io. 2 Zay hainareo , la fantaro avao koa ; tsy ambaninareo aho. 3 Kanefa, aleoko miresaky amin'ny Tsitoha; magniry gny hifandahatsy amin-Dranagnahary aho. 4 Fa fotianareoamin'ny vandy gny marina; mpitsabo tsy misy lanjany iaby nareo. 5 Eh, tanjaho ho gnanareo gny fahanginanareo! Ho fahendrenareo io. 6 Amizao janjigno gny fandaharako; janjigno gny fiangavian'ny sogniko. 7 Hivola amin'ny tsy fahamarigna ho gnan-Dranagnahary va nareo, sady moa hivola amin-pitakia ho Gnazy? 8 Tena haneho hasoam-pagnahy aminy va nareo? Hialy agny am-pitsara tokoa va nareo mba ho vavolombelonDranagnahary? 9 Mety aminareo tokoa va laha mila gnanareo Ie? Afaky gny hamitaky Gnazy manahaky gny mety ho famitahanareo olo va nareo? 10 Hagnanatsy gnanareo tokoa Ie laha nampiseho fiangara mietaky nareo. 11 Tsy hampitahotsy gnanareo va gny voninahitsy? Tsy ho lavo aminareo va gny fahatanora Gnazy? 12 Gny safa fahatiarovanareo la ohabola vita amin'ny lavenoky; sady gny safa fiarovanareo la fiarova vita amin'ny tanimanga. 13 Tanjaho agny gny fahanginanareo, engao raiky avao aho, mba hahafahako mivola, ao ho avy amiko zay ho avy. 14 Gny hiko avao ro hagnombotako gny nofoko; sady rambesiko ho eo an-tagnako gny aiko. 15 Ingo, laha mamono gnahy Ie, la ho rava gny fanantenako; fa ndra io aza , la hiaro gny lalako eo agnatrehany aho. 16 Zao ro ho anton'ny fialan-tsiniko, mba tsy handehanako eo agnatrehany manahaky gny olo mpaniratsira. 17 Ndranagnahary o, janjigno soa gny safa alahatso; ao gny fagnambarako ho avy eo an-tsofinao. 18 Ingo amizao , fa nalahatso soa gny fiarovan-tenako; haiko fa tsy manan-tsiny aho. 19 Ia gny raiky zay hialy amiko eo amin'ny fitsara? Laha avy hanao gnan'io Iha , ka laha voaporofo fa diso aho, la hangina aho ka hahafoy gny aiko. 20 Ndranagnahary o, raha roe avao ro ataovo amiko, la tsy hanafiky gny vatako amin'ny tarehinao aho: 21 alao amiko gny tagna-pijalianao, sady ka enga hampatahotsy gnahy gny fampihorohoroanao. 22 Kahio aho, la hamaly aho; na mamela gnahy hivola aminao, la hamaly gnahy Iha. 23 Firy gny hadisoako voho gny fahotako? Ampahafantaro gnahy gny heloko voho gny fahotako. 24 Nagnino Iha ro magnetaky gny tarehinao amiko ka manday gnahy manahaky gny fahavalonao? 25 Hagnenjiky ravin-kazo lasan'ny tsioky va Iha? Hagnenjiky mololo raiky va Iha? 26 Fa manoratsy raha mafaitsy hanohitsy gnahy Iha; hampandovanao gnahy gny heloky gny fahatanorako. 27 ataonao ao agnaty seny vy avao gny tomboko; Henteanao mariniky gny lalako iaby; dinihinao avao koa gny tany zay nitsahin'ny lelan-tmboko 28 ndra la manahaky gny raha lo zay miharava aza aho, manahaky gny akanjo lanin'ny kalalao.