Toko faha 14

1 Gny olo, zay naterak'ampela, la miana andro kelikely avao sady feno fijalia. 2 Mitsimoka amin'ny tany manahaky gny voninkazo ie sady voatapaky; mandosiky manahaky gny aloky ie sady tsy maharitsy. 3 Mba magnenty any regny va Iha? Moa andesinao ho tsara miaraky agnanamina zaho? 4 Ia ro afaky manday raha malio bakamin'ny raha maloto? Tsy misy. 5 Voafaritsy gny andron'ny olo. Iha ro manapaky gny isan'ny vola iaignany; iha ro nanondro gny fetrany zay tsy azony hihoara. 6 Miodiky aminy mba hitofany, ka mba hankafizany gny androny manahaky gny mpikarama laha afaky manao izay ie. 7 Mety hisy fagnatena gny hazo; laha voatapaky izay, la mety hitiry ndraiky, mba tsy hanjavo gny tahony tanora. 8 Na la miha-antitsy ao amin'ny tany aza gny fotony, sady maty ao amin'ny tany gny fotony, 9 nefa na la mamofo rano fotsiny aza izay, la hitiry voho hisondrotsy manahaky gny raha mitiry izay. 10 Maty gny olo; la lasa malemy ie; eka vatany, mitofa tsy miay gny olo, sady aia ie bakeo? 11 Manahaky gny fanjavognan'ny rano amin'ny faritsy, voho manahaky gny faharitan'ny renirano ka miay, 12 la manahaky izay koa ro handran'ny olo sady tsy mifoha sasy. zisiky tsy hisian'ny lagnitsy sasy, la tsy hifoha na hitsanga amin'ny torimasony rozy. 13 Iriko gny mba hagnetahanao gnahy agny amin'ny Fiaigna-tsy hita lavitsy gny fijalea, sady mba hitanjahanao gnahy ao amin'ny fietaha zisiky itofa gny hatezeranao, voho hanondroanao fotoa voatondro ho gnahy hijanognako agny sady mba hahatiarovanao gnahy bakeo! 14 Laha maty gny olo raiky, moa mbo hiay ndraiky ie? Laha izay, la magniry gny hiamby gny fotoam-paharerahako iaby agny zaho zisiky mbian'ny fanafaha gnahy. 15 Hikaiky Iha, la hamaly Gnanao zaho. Hanam-pagniria amin'ny asan'ny tagnanao Iha. 16 Hagnisaky gny fahotako Iha. 17 Ho voahisy tombo-kase ao agnty kitapo gny fandikan-dalako; sady hagnaro gny heloko Iha. 18 Fa na gny tendrombohitsy aza mintota sady lasa tsinotsino; 19 na gny vatolampy aza voahozongozo amin'ny toerany; lanin'ny rano gny vato; lasan'ny riaky gny vovoky gny tany. Manahaky izay, ro hamotehanao gny fagnantenan'ny olo. 20 Mandresy gnazy mandrakizay Iha, sady lasa ie, ombia gny vatany sady halefanao mba ho maty ie. 21 Laha omem-boninahitsy reo anany lahy, la tsy hainy izay; sady laha haetry rozy, la tsy hitany izay. 22 Gny fanaintainan'ny vatany manoka avao ro tsapany, sady misaora ho an'ny tenany avao ie.