1 Sasatsy gny miay aho; haneho malalaky gny fitarignao aho; hiresaky amin'ny hafatsin'ny fagnahiko aho. 2 Hisafa amin-Dranagnahary aho hoe:" Ka magnameloky gnahy avao ; aseho gnahy gny antony hiampanganao gnahy. 3 Mety aminao va gny mampahory gnahy, gny manao tsinontsino gny asan'ny tagnanao eo am-piheheza amin'ireo tetiky gny raty fagnahy? 4 Mana maso-nofo va Iha? Mahita manahaky gny fahitan'ny olo va Iha? 5 Moa reo andronao va manahaky gny andron'ny olombelo na gny taonao manahaky reo taon'ny olo, 6 ro karohinao gny heloko sady henjehinao gny fahotako, 7 ndra la hainao aza fa tsy meloky aho sady tsy misy olo afaky hagnavotsy gnahy eo am-pelatagnanao? 8 Gny tagnanao ro namolavola voho nagnamboatsy gnahy manontolo, nefa potehinao avao aho. 9 Tarovo, mitalaho aminao aho, fa namolavola gnahy manahaky gny tanimanga Iha; la ho ampoly ho vovoky ndraiky va aho? 10 Moa tsy fa nandraraky gnahy manahaky ronono voho nampandry gnahy manahaky fromazy va iha? 11 Notafianao tamin'ny holitsy voho nofo aho sady nampiraisinao tamin'ny taola voho ozatsy. 12 Nameanao fiaigna voho fagnenkea mahatoky aho; niambiny gny fagnahiko gny fiahianao. 13 Nefa reo raha zay naetakinao tao am-ponao__ la haiko fa zao ro noeritreritanao: 14 laha manota aho, la ho tsikaritsiky io; tsy hagnafaky gnahy amin'ny heloko Iha. 15 Laha raty fagnahy aho, la loza ho gnahy; ndra la marina aza aho, la tsy afaky hanandratsy gny lohako, fotony fahamegnara aho sady mahita gny fijaliako manoka. 16 Laha miandrandra gny lohako, la hihaza gnahy manahaky gny liona iha; mampiseho gny vatanao ho mahery amiko ndraiky Iha. 17 Magnandesa vavolombelo vaovao manohitsy gnahy Iha sady mampitombo gny helokao amiko; manafiky gnahy amin'ny tafiky vaobao Iha. 18 Nagnino, ro naboakinao bakao am-bohoky aho? Naleoko gny fagnahiko ka tsy mba nisy maso nahita gnahy. 19 Hanahaky gny tsy isy na mbia mbia aho; handey bakao am-bohoky nagnagny am-pasana ah. 20 Tsy ampy avao va gny androko? Ka ao zay lahy' , engao ho raiky aho, mba hialako sasatsy kely 21 alohan'ny hialako eo amin'izay tsy himpoliako, magnagny amin'izay taninin'ny hiky voho aloky gny fahafatesa, 22 gny tagny zay mahiky manahaky gny misasak'aly, gny tanin'ny aloky gny fahafatesa, tsy misy filamina, zay manahaky miasasak'alina gny hazava."