Toko faha 9

1 Hoy i Davida hoe:' Misy olo tafajano zay azoko anehoa hasoam-pagnahy nohon'ny amin'i Jonatana va ao amin'ny avorohotan'i Saoly?" 2 Nisy mpanompo raiky atao hoe hoe:" Ziba tao amin'ny avorohotan'i Saoly, sady nikaiky gnazy ho agny amin'i Davida rozy. Hoy gny mpanjaka taminy hoe:' Iha va ro Ziba?" La namaly ie hoe:" Eka, mpanomponao aho." 3 Ka hoy gny mpanjaka hoe:" Tsy misy olo tavela zay azoko anehoa gny hasoam-pagnahinDranagnahary va bakaminn'ny avorohotan'i Saoly?" Namaly gny mpanajaka i Ziba hoe:" Jonatana la mbo mana gnanaky lahy, zay malemy tomboky." 4 Hoy gny mpanjaka taminy hoe:" Aia ie?" La namaly gny mpanjaka i Ziba hoe:" Ingo, ao an-tragnon'i Makira anaky lahin'i Amiela agny Lo-debara ie." 5 Bakeo i Davida mpanjaka nagniraky gnazy voho nampamoaky gnazy tao an-tragnon'i Makira anaky lahin'i amiela bakagny Lo-Debara. 6 Nohon'io Mefiboseta anak'i Jonatana anaky lahin'i saoly, la nandeha amin'i Davida sady nampiankohokaa gny vatany teo amin'ny tany ho voninahits'i Davida. Hoy i Davida hoe:" Mefiboset." La namaly ie hoe:" Ingo, mpanomponao aho!" 7 Hoy i davida taminy hoe:" Ka matahotsy , fa haneho hasoam-pagnahy aminao ho gnan'i Jonatana noho gny amin'ny rainao tokoa aho, sady hampimpoly aminao gny tanin'i Saoly raibenao manontolo aho, sady hihina eo an-databatso mandrakariva iha. 8 Niankohoky i Mefiboseta sady nanao hoe:Ino toy mpanomponao, ro tokony hijery amin-tsiraky alika maty manahaky gnan'io?" 9 Bakeo gny mpanjaka la nampikaiky gnan'i Ziba, mpanompon'i Saoly, sady nanao taminy hoe:' Zay gnan'i Saoly voho avorohotany manontolo la nameako gny zafin'ny tomponao. 10 Iha, reo anakao lahy , voho reo mpanomponao la tsy maintsy miasa gny tany ho gnazy sadt tsy maintsy mijinja gny vokatsy iha mba hanagnan'ny zafin'ny tomponao hany ho hany. Fa i Mofiboseta, zafin'ny tomponao, la tsy maintsy hihina manadrakariva eo an-datavatso." Sady Ziba la nana gnanaky lahy folo limy amby voho mpanompo roapolo. 11 Bakeo Ziba nivola tamin'ny mpanjaka hoe:" Hataon'ny mpanomponao zay iaby andidian'ilay mpanjaka tompoko gny mpanompony." La nampian'ny mpanjaka hoe:' 12 Laha gny amin'i Mefiboseta la hihina eto an-databatso ie, manahaky gny raiky amin'ireo anaky lahin'ny mpanjaka." Nana gnanaky lahy tanora atao hoe Mika i Mefiboseta. Gny iaby zay nipetraky tao an-tragnon'i Ziba la mpanompon'i Mefiboseta iaby. 13 Ka la nipetraky tagny Jerosalema i Mefiboseta, sady nihina teo an-databatsy gny mpanjaka mandrakariva ie, ndra la nalemy aza gny tombony roe.