Toko faha 8

1 Tafaran'io la nanafiky reo Filistina i David ka nandresy gnan-drozy. Nohon'io la nalan'i Davida tsy ho eo amin'ny fifehezan'ireo Filistina i Gata voho reo ana-bohiny. 2 La nandresy gny Moabita ie ka nandrefy gny olon-drozy tamin'ny tsipika tamin'ny fampandria gnan-drozy teo amin'ny tany. Nandrefy indroen'ny tsipika ie mba hamonoa, sady draiky mandeha avao mba hitanjaky ho velo. Ka la lasa mpanompon'i Davida reo Moabita sady nanomboky nandoa hetra taminy. 3 Ka la resin'i Davida i hadadezera anak'i Rehoba, lay mpanjakan'i Zoba, laha lasa nampoly gny fanjakany teo amoron'ny Ony Eofrata i Hedadezera. 4 Nambabo kalesy 1,700 voho miaramila an-tomboky roa aly bakamin'i Davida. Notraingon'i Davida iaby gny kalesin-tsoavaly manontolo, fa nanoka zay tokony ho ampy gny kalesy zato tamin-drozy ie. 5 Lafa avy hagnampy gnan'i Hadadezera mpanjakan'i Zoba voho Syria bakagny Damaskosy, la nahafaty johary Syriana roa rivo voho roa aly i Davida. 6 Bakeo i Davida nametraky miaramila tagny Syria agny Damaskosy, sady lasa mpanompony ka nandoa hetra taminy gny syria. nampandresy gnan'i Davida tegny amin'izay iaby nandehanany i Yaveh. 7 La nalan'i Davida gny ampinga volamena zay tagny amin'ny mpanompon'i Hedadezera ka nandesiny tagny Jerosalema reo. 8 Bakeo i Davida mpanjaka la nangalaky saba maro la maro bakao Beta voho Berotahy, tanan'i Hadadezera. 9 Lafa ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa nandresy gny tafik'i Hadadezera iaby i Davida, 10 la nirahin'i Toy ho agny amin'i Davida mpanjaka i Jorama anay mba hiarahaba gnazy voho hitso-drano gnazy, fotony Davida nialy tamin'i Hadadezera ka nandresy gnazy, sady fotony Hadadezera la nialy tamin'i Toy. Gorama la nanday raha vita tamin'ny volafoty, volamena voho saba niaraky taminy. 11 Davida mpanjaka la nanoka raha reo ho gnan'i Yaveh, niaraky tamin'ny volafoty voho volamenan'ireo firenena iaby zay resiny_ 12 bakamin'i Syria, Moaba, reo olon'i Amona, reo Filistina, voho gny Amalekita, niaraky tamin'ireo enta iaby voarobaky tamin'i Hadadezera anak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba. 13 Fanta-daza gny agnaran'i Davida lafa baka nambabo gny Syriana tagny amin'ny lohasahan-tsira, niaraky tamin'ireo johary valo arivo sy ray aly rozy. 14 Nametrahany miaramila manera gnan'i Edoma manontolo, sady gny Edomita iaby la avy mpanompony. Sady Yaveh nampandresy gnan'i Davida tegny amin'izay iaby nandehanany.