Toko faha 7

3 La hoy i Natana tamin'ny mpanjaka hoe:" Mandehana, ataovo zay ao am-ponao, fa homba gnanao Yaveh." 4 Kanefa tamin'io haly io avao la avy tamin'i Natana gny safan'i Yaveh , sady nanao hoe:" 5 Mandehana sady lazao Davida mpanompoko hoe:" Zao ro ambaran'i Yaveh:' Hagnamboatsy tragno hipetraha ho Gnahy va iha? 6 Fa tsy nipetraky tao an-tragno Aho hatramin'ny andro zay nagnandesako gny vahoakan'Israely niakatsy bakao Egypta hatramin'izao andro henanizao; fa koa , nifindrafindra lay Aho, la gny tabernakely. 7 Tagny amin'ny toera iaby zay nifindrako niaraky tamin'ny vahoakan'Israely manontolo, moa nivola na ino ino tamin'ireo mpitarok'Israely zay notondroako hiamby gny Israely vahoakako va Aho, nanao hoe:" Nagnino nareo ro tsy nagnamboatsy tragno sedera ho Gnahy?" 8 Ka amizao , volagno i Davida mpanompoko hoe:" Zao ro ambaran'i Yaveh tompon'ny maro:' Nalako bakegny amin'ny saha iha, tamin'ny fagnaraha reo aondry, mba ho mpanapaky gnan'Israely vahoakako iha. 9 Niaraky taminao avao Aho ndra taia taia nandehananao. Nalako teo agnatrehanao iaby gny fahavalonao manontolo. Amizao hataoko bevata gny agnaranao, manahaky gny agnaran'ireo teto an-tany. 10 Hifily toera raikay ho gnan'Israely vahoakako Aho sady hamboly gnan-drozy agny, mba hiaina ao amin'ny toeran-drozy manoka rozy sady tsy ho voakoronta sasy. Tsy hampijaly gnan-drozy sasy gny olo raty fagnahy, manahaky gny nataon-drozy taloha, 11 manahaky gny nataon-drozy hatramin'ny andro nandidiako reo mpitsara mba hanapaky gnan'Israely vahoakako manontolo. Amizao Aho la hagnome fijanogna gnanao amin'ireo fahavalonao . Fagnampin'io, Zaho , Yaveh la magnambara aminao fa hanao tragno ho gnanao Aho. 12 Lafa tapitsy gny andronao sady ho maty miaraky amin'ireo razambenao iha, la hananga avorohota handimby gnanao Aho, zay ho bakamin'ny vatanao, sady hampitoeriko gny fanjaka. 13 Hagnamboatsy tragno ho gnan'ny agnarako ie, sady hametraky gny seza fiandrianan'ny fanjakany mandrakizay Aho. 14 Ho rainy Aho, la ho anako ie. Lafa manota ie, la hagnanatsy gnazy amin'ny tsorakazon'ny olo voho amin'ny fikapoha gny anak'olo Aho. 15 Fa gny fahatokiko la tsy hagnenga gnazy, laha nalako tamin'i Saoly io, zay nalako taloha. 16 Gny tragnonao voho gny fanjakanao ho azo antoka mandrakizay eo agnatrehanao. Hipetraky mandrakizay voho seza fiandrianano." 17 La niresaky tamin'i Davida i Natana sady nitatitsy taminy reo teny iaby reo, sady nolazainy taminy gny momban'ilay fahita raiky manontolo. 21 Nohon'ny amin'ny safanao, voho mba hahatanteraky gny tanjonao manoka, la nanao zao raha bevata zao Iha sady naneho gnanio tamin'ny mpanomponao. 22 Nohon'io la bevata Iha, ry Tompo Yaveh, fotony tsy misy manahaky Gnanao, sady tsy misy Ndranagnahary hafa ankoatsy Gnanao, araky zay ren'ny sifinay avao. 23 Ino ro ferenena manahaky gnan'Israely vahoakanao, lay firenena eto an-tany zay, nandehananao Ndranagnahary voho novonjenao ho gnan'ny vatanao? Nataonao zao mba ho avy vahoakay ho Gnanao rozy, mba hanao asa bevata voho mampatahotsy ho gnan'ny taninao.Nandroaky reo firenena voho reo ndranagnaharin-drozy teo agnatrehan'ny vahoakanao, zay novonjenaoa bakao Egypta Iha. 24 Napetrakao manahaky gny vahoakanao manoka mandrakizay Israely, sady Iha, Yaveh, la avy Ndranagnahairin-drozy. 25 Ka amizao , ry Yaveh Ndranagnahary, anga anie ho aoetraky mandrakizay gny fampanantena zay nataonao mahakasiky gny mpanomponao voho fiaanakviany. Ataovo araky zay nolazainy. 26 Ho bevata mandrakizay anie gny agnaranao, ka hilaza gny vahoaky hoe:"Yaveh tompon'ny maro ro Ndranagnaharin'Israely; laha apetraky agnatrehanao, gny tragnoko, Davida mpanomponao. 27 Fotony Iha, Yaveh tompon'ny maro, lay Ndranagnaharin'Israely, ro nagnambara tamin'ny mpanomponao fa hananga tragno ho gnazy Iha. Io ro antony, sihana hivavaky Aminao, la Ndranagnahary Iha, sady mendri-pitokisa gny teninao, sady nanao io fampanantena soa io tamin'ny mpanomponao iha. 29 Ka amizao, ao hahafaly Gnanao gny hitahy gny tragnon'ny mpanomponao, mba hitohy eo agnatrhanao mandrakizay io. Fotony Iha, ry Tompo Yaveh, ro nivola reo raha reo , sady tamin'ny tso-dranonao ro nitahia mandrakizay gny tragnon'ny mpanomponao."