Toko faha 6

1 Sady la naorin'i Davida niaraky nadraiky gny joharin'Israely voafili iaby, telo aly. 2 Niainga i Davida sady nandeha niaraky tamin'ireo johariny manontolo zay niaraky taminy nanomboky tagny Bala agny Joda mba hilanja gny fiaran-Dranagnahary, zay nikaihy amin'ny agnara hoe Yaveh tompon'ny maro, zay mipetraky am-piandriana eo agnabon'ny Kerobima bakagny. 3 Napetran-drozy teo agnabony kalesy vaovao gny fiaran-Dranagnahary. Naboakin-drozy tao amin'ny tragnon'i Abinadaba, zay teo amin'ny havoa raiky io. Oza voho Ahio, anany lahy, ro nitari-dala lay kalesy vaovao. 4 Naboakin-drozy tao an-tragnon'i Abinadaba teo amin'ny havaona lay kalesy voho gny fiaran-Dranagnahary teo agnabony. Ahio ro nandeha teo agnatrehan'ilay fiara. 5 Bakeo Davida voho gny avorohotan'Israely manontolo nanomboky nitsinjaky teo agnatrehan'i Yaveh, nankalaza tamin'ny raha-magneno vita tamin'ny hazo, lokanga, valiha, ampongatapaky, korintsana voho kipantsona. 6 Lafa avy teo amin'ny famoloan'i Nakona rozy, la nilavo gny aomby, sady Oza naninjitsy gny tagnany mba hisariky lay fiaran-Dranagnahary, ka nitanjaky gnan'io ie. 7 La nirehitsy tamin'i Oza gny hatezeran'i Yaveh. Namely gnazy teo nohon'ny fahotany Ndranagnahay. Maty teo agnilan'ny fiaran-Dranagnahary i Oza. 8 Nasiaky i Davida fotony namely gnan'i Oza i Yaveh, sady nataony hoe Perez-Oza gny agnaran'io toera io. Io toera io la atao hoe Perez-Oza mandrak'androany. 9 Natahotsy gnan'i Yaveh i Davida tamin'io andro io. Hoy ie hoe:" Manao akory ro hahatonga gny fiaran'i Yaveh atoy amiko?" 12 Sady nilaza tamin'i Davida Mpanjaka hoe:" Fa nitahy gny tragnon'i Obed-edoma voho gny raha iaby zay gnazy i Yaveh noho lay fiaran-Dranagnahary." Noho n'io la nandeha i Davida sady nanday gny fiaran-Dranagnahary niakatsy bakao an-tragnon'i Obed-edoma tamim-piravoravoa ho agny amin'ny tanan'i Davida. 13 Lafa namindra igneny reo zay nilanja gny fiaran-Dranagnahary, la nanao soro aomby raiky voho anak'aomby mifahy ie. 14 Nandidy teo agnatrehan'i Yaveh tamin'ny heriny manontolo i Davida; efoda hasim-bazaha foty maliniky avao ro nanaovany. 15 Nohon'io la nandesin'i Davida voho gny avorohotan'Israely manontolo niakatsy niaraky tamin'ny korakoraky voho gny feon'anjomara gny fiaran'i Yaveh. 16 Sady lafa avy tao an-tanan'i Davida gny fiaran'i Yaveh, la nijilo teo am-dafonety i Mikala , anaky ampelan'i Saoly. Nahita gnan'i Davida Mpanjaka nitsambotsamboko voho nisandraky teo agnatrehan'i Yaveh ie. Bakeo la nanao tsinontsino gnazy tao am-pony ie. 17 Nampilirin-drozy lay fiaran'i Yaveh sady napetrany teo amin'ny toerany io, teo agnivon'ny lay zay fa namboarin'i Davida ho gnan'io. Bakeo Davida nanolotsy fagnatitsy dorana voho fagnati-pilongoa teo agnatrehan'i Yaveh. 18 Lafa vitan'i Davida gny fagnatitsy dorana voho gny fagnati-pilongoa, la nitso-drano gny vahoaky tamin'ny agnaran'i Yaveh tompon'ny maro ie. 19 Ka la nizara mofo, teti-kena, sady mofomamy misy voaloboky tamin'ny vahoaky manontolo, gny Israely manontolo, tamin'ny johary voho gny ampela ie. La lasa gny olo manontolo; Samby nimpoly tagny an-tragnony iaby. 20 La nimpoly mba hitso-drano gny avorohotany i Davida. Mikala, zay anaky ampelan'i Saoly, la niboaky mba hitsena gnan'i Davida sady nivola hoe:" Endrey gny voninahitsy gny mpanjakan'Israely amizao, zay nagnary gny likiny teo imason'ireo andevo vavy agnisan'ireo mpanompony, manahaky gny raiky amin'ireo mpivola raty zay lany hegnatsy magnary gny sikiny!" 21 Davida namaly gnan'i Mikala hoe:" Nataoko teo agnatrehan'i Yaveh io, zay nifily gnahy ho agnabon'ny rainao voho ho agnabon'ny avorohotany manontolo, zay nanendry gnahy ho mpitariky eo amin'ny vahoakan'i Yaveh, eo amin'Israely. Eo agnatrehan'i Yaveh ro hiravoravoako! 22 Mbo tsy ho mendri-kaja nohon'io aza aho, sady ho afa-baraka eo amasoko avao koa aho. Kanefa amin'ny alalan'ireo andevo vavy zay noresahinao reo, ro hagnomezam-boninahitsy gnahy." 23 Nohon'io i Mikala, anaky ampelan'i Saoly; la tsy nana gnanaky hatramin'ny andro nahafatesany.