Toko faha 4 5

1 Bakeo gny fokon'Israely iaby nagnagny amin'i Davida tagny Hebrona sad nilaza hoe:" Ingo, nofo voho taolanao rahay. 2 Vao tsy ela zay, fony nanjaka teo amintsika i Saoly, la iha ro nitariky gny tafiky Israely. Yaveh nilaza taminao hoe:' Handigny gnan'Israely vahoakako iha, sady ho lasa mpanapaky eo amin'Israely." 3 Ka avy tagny amin'ilay mpanjaka tagny Hebrona reo loholon'Israely manontolo, sady Davida Mpanjaka nanao fagnenkea tamin-drozy teo agnatrehan'i Yaveh. 4 Nagnositsy gnan'i Davida ho mpanjaka teo amin'Israely rozy. Telopolo tao i Davida ro nanomboky nanjaka , sady nanjaka nandritsa gny efapolo tao ie. 5 Tagny Hebrona la nanjaka teo amin'i Joda nandritsa gny fito tao voho enim-bola ie, sady tagny Jerosalema la nanjaka nandritsa gny telopolo telo amby tao teo amin'Israely voho Joda manontolo ie. 6 Nandeha nagnagny Jerosalema gny mpanjaka voho reo olony mba hanohitsy reo Jebosita,reo mponin'ilay tany. Hoy rozy tamin'i Davida hoe:" Tsy ho avy eto iha laha tsy gny jiky voho gny mandringa o hampimpoly gnanao. Tsy afaky gny ho avy eto Davida." 7 Ndra la io aza, la nambabo gny fiarova mafin'i Ziona, zay tanan'i Davida amizao i Davida. 8 Tamin'io fotoa io i Davida nilaza hoe:" Reo zay manafaky gny Jebosita la tsy maintsy handalo amin'ny lalan-drano mba hitanjaky gny mandringa voho gny jiky zay fahavalon'i Davida. " Io ro ilazan'ny olo hoe:" Gny jiky voho gny mandringa la tsy mahazo militsy gny lapa." 9 Ka nipetraky tao amin'ilay fiarova mafy i Davida sady nikaiky gnan'io hoe lay tananan'i Davida. Nohamafisiny gny magnodidy gnanio, bakegny amin'ny lavaranga magnagny agnitiny. 10 Lasa natanjaky mare Davida fotony Yaveh, lay Ndranagnahary gny maro, ro niaraky taminy. 11 Bakeo Hirama mpanjakan'i Tyra nagniraky mpanday hafatsy, voho hazo sedera, mpandrafitsy, sady mpagnamboatsy tragno tagny amin'i Davida. Nagnamboatsy tragno ho gnan'i Davida rozy. 12 Hain'i Davida fa nametraky gnazy ho mpanjakan'Israely i Yaveh, sady fa nanandratsy gny fanjaka nohon'ny amin'Israely vahoakiny Ie. 13 Bakeo Davida niala tao Hebrona sady nandeha tagny Jerosalema, nangalaky vaditsindrano voho valy maromaro tagny Jersalema ie, sady nisy anaky lahy maro voho anaky ampela maro naterany. 14 Reto iaby gny agnaran'ireo anaky naterany tagny Jerosalema:Samoa, Sababa, Natana, Solomona, 15 Jibara, Elisoa, Nafega, Jafia, 16 Elisama, Eliada, voho Elifeleta. 17 Sady lafa ren'ireo Filistina fa voahosotsy ho mpanjakan'Israely i Davida, la niboaky rozy iaby mba hila gnazy. Nefa nahare momba gnan'io Davida la nandeha nizotso tagny amin'ny fiarova mafy. 18 Sady la avy reo Filistina ka niparitaky tagny an-Dohasahan'i Refaima. 19 La nila vonjy tamin'i Yaveh i Davida. Hoy ie hoe:' Tokony hanafiky reo Filistina va aho?" Hagnome fandresea amin-drozy va Iha?" Hoy Yaveh tamin'i Davida hoe:" manafiha , fa hagnome fandresea ho gnanareo eo amin'ireo Filistina tokoa Aho." 20 Ka nanafiky tao Bala-Perazima i Davida, sady tao ro nandreseny gnan-drozy. Naneho hevitsy ie hoe:" Nisafoaky tamin'ireo fahavaloko teo agnatrehako manahaky gny fisafoakan'ny safo-drano i Yaveh." Ka lasa Bala-Perazima gny agnaran'io toera io. 21 Nengan'ireo Filistina teo gny sampin-drozy, sady nandesin'i Davida voho reo johariny lavitsy reo. 22 Bakeo la niakatsy ndraiky reo Filistina sady niparitaky fagnindroany tegny an-Dohasahan'i Refaima. 23 Ka la nila vonjy tamin'i Yaveh ndraiky Davida, sady hoy Yaveh taminy hoe:" Ka manafiky gny magnatriky gnan-drozy iha, fa hiodidigno bakao afara rozy sady mamonjea gnan-drozy bakeo amin'ireo hazo balsama.