Toko faha 4

4 Sady Jonatana, anaky lahin'i saoly, la nana anaky lahy zay malemy gny tombony. Limy tao ie lafa avy tao Jezirela gny vaovao momban'i Saoly voho Jnatana. Nandesin'ilay mpitaiza gnazy mba handositsy ie. Kanefa laha nihazakazaky igny ie, la nilavo gny anak'i Jonatana sady lasa malemy. Mefiboseta ro agnarany. 8 Nandesin-drozy tagny amin'i Davida tao Hebrona gny lohan'Isboseta, sady hoy rozy tamin'ny mpanjaka hoe:' Ingo, toy gny lohan'Isboseta anaky lahin'i Saoly, fahavalonao, zay nifofo gny ainao. Amizao Yaveh la namaly faty gny mpanjaka tamin'i Saoly voho reo avorohotany." 9 Sady davida namaly gnan'i Rekaba voho Bana rahalahiny, reo anaky lahin'i Rimona lay Berotita; hoy ie tamin-drozy hoe:' Laha mbo velo koa Yaveh, zay nagnafaky gny aiko tamin'ny koronta iaby, 10 lafa nisy olo nivola tamiko hoe;' Ingo, maty Saoly; mieritreritsy fa manday vaovao soa ie, la naosamboriko ie sady novonoako tagny Ziklaga. Io ro valisoa nameako gnazy nohon'ny vaovaony. 11 Vo maika , fa lafa nisy johary namono olo tsy manan-tsiny tao amin'ny tragnony manoka teo amin'ny fandriany, la tsy tokony hangataky gny rany eo an-tagnanareo va aho, sady mangala gnanareo eto an-tany?" 12 Bakeo Davida nagnome baiko gnan'ireo tovolahy, sady loha voho gny tombon-drozy sady namonjy gnazy rozy teo agnilan'ny kamory tao Hebrona. Fa nalan-drozy gny lohan'Isboseta sady naleviny tao amin'ny fasan'i abnera tao Hebrona io.