Toko faha 3

2 Niteraky zazalahy tao Hebrona i davida. Gny lahimatoa la i Amnona, tamin'i Ahinoama bakagny Jezraela. 3 Gny anany lahy faharoe , la i Kileaba, naterak'i Abigaila, lay mpitondratena nengan'i Nabala bakagny Kamela. Gny fahatelo, la i Absaloma, anaky lahin'i Maka, anaky ampelan'i Talmay, mpanjakan'i Gesora. 4 Gny anaky lahin'i Davida fahaefatsy , la i Adonia, anaky lahin'i Hagita. Gny anaky lahiny faha limy la i Sefatia anaky lahin'i abitala, 5 voho gny fahaeny la i Jitreama, anaky lahin'i Egla valin'i Davida. Reo ro anaky lahy naterak'i Davida tao Hebrona. 6 Sady nandritsa gny aly teo amin'ny avorohotan'i Saoly voho gny avorohotan'i Davida la niha-nahery tao an-tokantranon'i Saoly i Abnera. 7 Saoly la nana vaditsindrano atao hoe Rizpa, anaky ampelan'i Aia. Hoy Isboseta tamin'i abnera hoe:" Nagnino iha ro niara-nandry tamin'ny vaditsindranon-draiko?" 8 Sady la nasiaky mare tamin'ny tenin'Isboseta i Abnera ka nivola hoe:" Lohan'alika zay gnan'i Joda va aho? Henanio aho la maneho fahatokisaamin'ny avorohotan'i Saoly, razambenao, mba tsy hanolotsy gnanareo an-tagnan'i Davida. Fa amizao iha la miampanga gnahy gny amin'ny fanaovan-draty mahakasiky toy ampela toy? 9 Hataon-Dranagnahary amiko anie io, ry Abnera, sady mandilatsy aza, laha tsy hataoko amin'i Davida araky zay nianian'i Yaveh taminy, 10 gny hamindra gny fanjaka bakamin'ny avorohotan'i Saoly voho hagnory gny seza fiandrianan'i Davida eo amin'Israely voho eo amin'ny Joda , hatragny Dana ka hatragny Beri-sheba." 11 Tsy nana teny hafa havaly gnan'i Abnera sasy i Isboseta, fotony natahotsy ganzy ie. 12 Bakeo la nandefa mpanday hafatsy nagnagny amin'i Davida i Abnera mba hiresaky ho gnazy manao hoe:" Gnan'ia toy tany toy? Manaova fanenkea amiko,la ho hitanao fa homba gnanao gny tagnako, mba handay gny Israely manontolo ho eo aminao." 13 Namaly i Davida hoe;' Soa io, hanao fagnenkea aminao aho. Kanefa gny raha raiky takiko aminao la tsy ahitanao gny vatako laha tsy andesinao aloha i Mikala, anaky ampelan'i Saoly, lafa avy hanenty gnahy iha." 14 Bakeo i Davida nandefa mpanday hafatsy nagnagny amin'i Isboseta, anaky lahin'i Saoly, nivola hoe:' Omeo gnahy Mikala valiko, zay fa naloako vily tamin'ny lohatsintsin'ny Filistina zato." 15 Nohon'io Isboseta la nampaka gnan'i Mikala ka nagalaky gnazy tamin'i Paltiela valiny, anaky lahin'i Laisy. 16 Nandeha niaraky taminy gny valiny, nitagny tegny am-pandehana, sady nagnaraky gnazy hatragny Bahorima. Sady hoy Abnera taminy hoe:" Mimpolia an-tragno amizao." Ka nimpoly ie. 17 Niresaky tamin'ireo loholon'Israely i Abnera nivola hoe:' Taloha nareo la niezaky gny hana gnan'i Davida ho mpanjaka eo aminareo. 18 Amizao ataovo io. Fa Yaveh fa nivola tamin'i Davida nilaza hoe:" Amin'ny tagnan'i Davida mpanompoko ro hamonjeako gny Israely vahoakako amin'ny tagnan'ireo Filistina voho amin'ny tagnan'ireo fahavalon-drozy iaby." 19 Niresaky manoka tamin'ny olon'i Benjamina avao koa i Abnera mba hiresaky amin'i Davida ao Hebrona mba hagnazava gny raha iaby zay irin'Israely voho gny avorohotan'i Benjamina manontolo ho tanterahy. 20 Lafa avy tao Hebrona mba hihaona amin'i Davida i Abnera voho gny roapolo tamin'ireo johariny, la fa nagnoma fanasa ho gnan-drozy Davida. 21 Sady Abnera nagnazava tamin'i Davida hoe:' Hitsanga aho ka hananga gny Israely manontolo ho aminao, mba hahafahan-drozy manao fagnenkea aminao, mba hahafahanao manjaka amin'izay iaby irinao." Ka nadefa gnan'i Abnera i Davida , sady Abnera niala tam-piadagna. 22 Ka avy bakagny am-panafiha gny miaramilan'i Davida voho Joaba sady nanday babo maro miaraky tamin-drozy. Kanefa Abnera la tsy niaraky tamin'i Davida tagny Hebrona. Fa nandefa gnazy Davida, sady niala tam-piadagna Abnera. 23 Lafa avy Joaba voho reo tafiky iaby niaraky taminy, la hoy rozy tamin'i Joaba hoe:" avy teto amin'ny mpanjaka i Abnera anak'i Nera, sady nalefan'ny mpanjaka ie, sady niala tam-piadagna i Abnera." 24 Bakeo la avy teo amin'ny mpanjaka i Joaba ka nivola hoe:" Ino ro nataonao? Ingo, i Abnera fa avy teto aminao! Nagnino ro nalefanao ie, ka lasa? 25 Tsy hainao va fa i Abnera anak'i Nera la avy teto aminao mba hamitaky gnanao voho mba hahay reo tetikao sady hamantatsy zay iaby ataonao?" 26 Lafa nagnenga gnan'i Davida i Joaba, la nagniraky mapnaday hafatsy nagnaraky gnan'i Abnera ie, sady nandesin-drozy nimpoly bakagny amin'ny famorian-dranon'ny Siraha ie, kanefa tsy hain'i Davida io. 27 Laha nimpoly ho agny Hebrona i Abnera, la nandesin'i Joaba nahataky teo agnivon'ny vavahady mba hiresaky aminy mangingina ie. Teo Joaba ro nitomboky gnazy teo amin'ny kibo ka nahafaty gnazy. Tamin'io fomba io , ro namalian'i Joaba gny ran'i Asahela rahalahiny. 28 Lafa nahare gny momba gna'io Davida la hoy ie hoe:' Zaho voho gny fanjakako la tsy manan-tsiny mandrakizay eo agnatrehan'i Yaveh mahakasiky gny ran'i Abnera anak'i Nera. 29 Ao gny heloky amin'ny fahafatesan'i Abnera hilatsaky amin'ny lohan'i Joaba voho gny avorohotan-drainy iaby Tsy ho afaky amin'ny fianakavian'i Joaba anie gny olo zay mitsi-dra na gny areti-kolitsy na zay mandringa ka tsy maintsy mamindra amin'ny tehy ndra zay lavon-tsabatsy na reo tsy manan-ko-hany.' 30 Manahaky gnan'io ro namonoan'i Joaba voho Abisay rahalahiny gnan'i Abera, fotony namono gnan'i Asahela rahalahin-drozy tagny agn'aly tao Gibeonaie. 31 Hoy Davida tamin'i Joaba voho reo olo manontolo niaraky taminy hoe:" Tataho gny fisikinanareo, manaova akanjo fisaogna, sady manaova fisaogna magnatriky gny fatin'i Abnera." Sady Davida mpanjaka la nandeha tafaran'ilay faty tamin'ny dingan'ny fandevegna. 32 Nalevin-drozy tao Hebrona i Abnera.Nitagny voho nikoraky mare teo amin'ny fasan'i Abnera gny mpanjaka, sady nitagny avao koa gny olo manontolo. 33 Nisaona gnan'i Abnera gny mpanjaka ka nihira hoe:" Tokony ho maty manahaky gny fahafatesan'ny adala va Abnera? 34 Tsy nifehe gny tagnanao. Tsy nasia rojo vy gny tombokao. Fa manahaky gny fahavalon'ny olo teo agnatrehan'ireo anaky gny tsy fahamarigna, ro nahalavo gnanao." Sady mbo nitagny gnazy ndraiky gny olo manontolo. 35 Avy nampisakafo gnan'i Davida gny olo iaby laha mbo atoandro gny andro, fa Davida nifanta hoe:" Hataon-Dranagnahary amiko anie io, sady mandilatsy aza, laha magnandra mofo na raha hafa aho alohan'ny hilentehan'ny masoandro." 36 Tsikaritsy gny olo iaby gny alahelon'i Davida, sady nankasitrahan-drozy io, araky gny fankasitrahany zay iaby nataon'ny mpanjaka.