Toko faha 2

1 Tafaran'io la nagnontany gnan'i Yvaeh i Davida sady nivola hoe:' Tokony hiakatsy agny amin'ny raiky amin'ireo tananan'i Joda va aho?" Namaly gnazy i Yaveh hoe:'Miakara." Hoy i Davida hoe:" Agny amin'ny tana aia ro tokony handehanako?" La namaly Yaveh hoe:" Agny Hebrona." 2 Nohon'io la niakatsy nisondry tamin'ireo valiny roe i Davida , la i Ahinoama bakagny Jezirelita, voho Abigaila bakagny Karmela, lay mpitondratena nengan'i Nabaa. 3 Nanday reo olo zay niaraky taminy, zay samby nanday gny avorohotany iaby, ho agny amin'ireo tanan'i Hebrona. zay nanomboky nipetrahan-drozy i Davida. 4 Bakeo avy reo johary bakagny Joda sady nagnositsy gnan'i davida ho mpanjaka eo amin'ny Avorohotan'i Joda. Hoy rozy tamin'i Davida hoe:'reo olon'i Jabesi-gileada ro nandevy gnan'i Saoly." 5 Nohon'io la nagniraky mpanday hafatsy ho agny amin'ireo olon'i Jabesi-gileada i Davida sady nivola tamin-drozy hoe:" Tahin'i Yaveh nareo, fotony nareo la nampiseho gnan'io tsy fivadiha io tamin'i Saoly tomponareo voho nandevy gnazy. 6 Amizao haneho fanenkem-pilongoa voho fahatokisa aminareo anie Yaveh.Zaho avao koa la haneho gnan'io hasoa io aminareo fotony nanao gnan'io raha io nareo. 7 Ka amizao ary, ao hatanjaky gny tagnanareo; mana herim-po fa maty i Saolyt omponareo sady gny fokon'i Joda nagnositsy gnahy ho mpanjaka eo amin-drozy." 8 Fa Abnera anaky lahin'i Nena, mpifehy gny tafik'i Saoly, la nangalaky gnan'Isboseta anaky lahin'i Saoly sady nanday gnazy tagny Mahanaima. 9 Nanao gnan'Isboseta ho mpanjakan'i Gileada, Asorita, Jezirela, Efraima, Benjamina, voho amin'Israely manontolo ie. 10 Efapolo tao Isboseta anaky lahin'i Saoly ro nanomboky nanjaka teo amin'Israely, sady nanjaka nandrintsa gny roe tao ie. Fa nagnaraky gnan'i Davida gny fokon'i Joda. 11 Fito tao voho enim-bola gny fotoa nanjakan'i Davida tamin'ny fokon'i Joda tao Hebrona. 12 Abnera anaky lahin'i Nera, voho reo mpanompon'Isboseta anaky lahin'i Saoly , la niala tao Mahanaima ho agny Gibeona. 13 Sady Joaba anaky lahin'i Zeroia voho reo mpanompon'i Davida la niboaky sady nihaona tamin-drozy teo amin'ny farihin'i Gibeona. Tegny rozy ro nipetraky, gny vondro raiky teo ankilan'ny farihy sady vondro raiky hafa ateo andaniny. 14 Hoy Abnera tamin'i Joaba hoe:' Ao hitsanga voho hifanina eo anoloantsika reo tovolahy." La hoy i Joaba hoe;' Ao hitsanga rozy." 15 La nitsanga voho niara-nivory reo tovolahy, folo roamby bakamin'i Benjamina voho Isboseta anak'i Saoly, sady folo roamby bakamin'ireo mpanompon'i Davida. 16 Gny johary kirakiraiky la samby nanambotsy gny mpifanandry taminy tamin'ny lohany voho nagnatsatoky gny sabany teo amin'ny andilan'ny mpifanandry taminy, sady la niara-lavo rozy. Ka la nikaihy tamin'ny teny Nebreo hoe:" Helkata-hazorima" na Sahan-tsabatsy' io toera io , zay agny Gibeona. 17 Tena mahery gny aly tamin'io andro io sady resy teo agnatrehan'ireo mpanompon'i Davida i Abnera voho reo joharin'Israely. 18 Teo reo anak'i Zeroia telo lahy:" Joaba, Abisay , voho Asahela. Gny tombok'i Asahela la malaky mandeha manahaky gny gazela-dia. 19 Sady Asahela nagnenjiky agnilan'i Abnera voho nagnaraky gnazy tsy niodaky tamin'ny lalany manontolo. 20 Nanenty gny tao afarany Abnera sady nanao hoe:' Iha va io ry Asahela? Namaly ie hoe;' Zaho toy." 21 La hoy Abnera taminy hoe;' Miodaha agny amin'ny ankavananao na ankavianao, sady manambora raiky amin'ireo tovolahy ka alao gny fialiny."Fa tsy niodaky Asahela. 22 La hoy ndraiky Abnera tamin'i Asahela hoe:" Ajanogno gny fagnihagna gnahy. Nagnino aho ro tokony hamely gnanao amin'ny tany? ataoko akory gny hagnati-tava gnan'i Joaba, rahalahinao?" 23 Fa tsy nagnenky gny hiodaky i Asahela, sady la notrobaran'i Abnera gny antsin-defony gny vatan , ka niboaky bakao an-dambosiny lay lefo. Nikarapoky sady maty teo Asahela. Ka zay olo avy teo amin'ilay toera zay ampikarapoky voho nahafaty gnan'i Asahela, la nijano voho tsy nihetsiky teo. 26 Bakeo la nikaiky gnan'i Joaba i Abnera sady nivola hoe:" Tsy maintsy handrapaky mandrakizay va gny sabatsy? Tsy hainao va fa hafaitsy io agny amin'ny farany? Mandra-pahoviana iha vao hivola gny olonao mba hijano tsy hagnia gny rahalahiny rozy? 27 La namaly Joaba hoe:' Laha mbo velo koa Ndranagnahary , laha mbo tsy nivola gnan'io iha, la ho nagnenjiky reo rahalahin-drozy mandra-mparay ny gnandro reo miaramilako!"