Toko faha 10

1 Tafara tatoy la maty gny mpanjakan'ny vahoakin'i Amona, sady lasa mpanjaka teo amin'ny toerany i Hanona anaky lahiny. 2 Hoy i Davida hoe:" Hanao soa amin'i Hanona anak'i Nahasy aho, manahaky gny nanaovan'ny rainy soa tamiko." Ka la nandefa reo mpanompony hampahery gnan'i Hanona mahakasiky gny rainy i Davida . Nilitsy tao amin'ny tanin'ny vahoakan'i Amona reo mpanompony . 3 Fa ingo hoy reo mpitariky gny vahoakan'i Amona tamin'i Hanona tompon-drozy hoe:"Mihevitsy tokoa va iha fa magnome voninahitsy gny rainao i Davida fotony nandefa reo mpanompony hampahery gnanao ie?Tsy fa nandefa reo mpanompony taminao va i Davida mba hanenty gny tana, hitsikilo gnan'io , mba handrava gnan'io?" 6 Lafa hitan'ny vahoakan'i Amona fa lasa mafaitsy holitsy amin'i Davida rozy, la nandefa mpanday hafatsy gny vahoakan'i Amona sady nagnakarama reo Syria bakao Beti-rehoba voho Zoba, miaramila nandeha an-tomboky roa aly, voho johary roa rivo tamin'ny mpanjakan'i Maka, sady johary roarivo voho ray aly tamin'ireo olon'i Toba. 7 Lafa nahare gnan'io Davida, la nandefa gnan'i Joaba voho gny tafiky miaramila iaby ie. 8 Avy reo Amonita sady nilahatsy hialy teo amin'ny filira teo amin'ny vavahadin'ny tanan-drozy, laha mbo nijoro teo amin'ny saha malalaky reo Syriana bakagny Zoba voho Rehoba, sady reo olo bakagny Toba voho Maka. 9 Lafa nahita reo fahavalo teo agnatrehany voho tafarany tao i Joaba, la nifily gny sasany tamin'ireo zay mahay mialy mare ie sady nandami gnan-drozy hialy amin'ireo Syriana. 10 Laha gny amin'ireo tafiky sisa tavela, la tolorany ho baikon'i Abisay rahalahiny, ka nalany hialy amin'ny tafik'i Amona rozy. 11 Hoy i Joaba hoe:" Laha mahery loatsy ho gnahy reo Syriana, la iha , Abisay, ro tsy maintsy magnavotsy gnahy. Fa laha mahery loatsy ho gnanareo gny tafik'i Amona, la ho avy aho sady hagnavotsy gnanareo. 12 Mahereza, sady nadeha tsika haneho gny tanjantsika ho gnan'ny vahoakantsika voho reo tanan'ny Ndranagnahary, fotony i Yaveh la hanao zay soa ho gnan'ny tanjony." 13 Ka nandroso i Joaba voho reo miaramila tao amin'ny tafiny mba hialy hanohitsy reo Syriana, zay voatery nitsoaky teo agnatrehan'ny tafik'Israely. 14 Lafa nahita reo miaramilan'ny Syriana nandositsy gny tafik'i Amona, la nitsoaky gnan'i Abisay koa rozy sady nimpoly tao amin'ny tana. Bakeo i Joaba nimpoly bakagny amin'ny vahoakan'i Amona sady nimpoly tagny Jerosalema. 15 Lafa hitan'ireo Syriana fa ho resin'Israely rozy, la nivory niaraky ndraiky rozy. 16 Bakeo Hadadezera nampikaiky andiana Syriana bakagny an-dafin'ny Onin'i Eofrota. Avy tao Helama niaraky tamin'i Sobaka, lay mpifehy gny tafik'i Hedadezera lohan-drozy rozy. 17 Lafa nivolagniny tamin'io Davida, la namory gny Israely iaby ie, niampita gnan'i Jordana, sady avy tagny Helama. Nilahatsy hialy hanohitsy gnan'i Davida reo Syriana sady nialy taminy. 18 Nandositsy gnan'Israely reo Syriana. Nahafaty miaramila mpanday kalesy fitonjato voho mpanday soavaly afatr'aly i Davida. Naratsy i Sobaka mpifehy gny tafikin-drozy sady maty tagny. 19 Lafa hitan'ireo mpanjaka iaby zay mpanompon'i Hadadezera fa resin'Israely rozy, la nanao fihavana tamin'Israely rozy ka lasa mpanompony. Nohon'io reo Syriana la natahotsy gny hagnampy gny vahoakan'i Amona.