Toko faha 11

1 Sady lafa avy gny lohatao, amin'ny fotoa zay fandehanan'ireo mpanjaka hialy, la nirahin'i Davida i Joaba, mpanompony, voho reo tafik'Israely manontolo. Nandringa gny tafik'i Amona sady nanao fahirano gnan'i Raba rozy. Fa ingo nijano tagny Jerosalema i Davida. 2 Nony avy gny hariva la nifoha teo am-pandriany i Davida sady nandeha tagny amin'ny tafon'ny lapany. Bakegny ie ro nahajilo ampela raiky zay teo am-pandroa, sady tena mahafinaritsy Hentea lay ampela. 3 Nohon'io la nandefa voho nagnontany olo zay mahay gny momba lay ampela i Davida. Nisy olo raiky nivola hoe:" Tsy i Batseba , anaky ampelan'i Eliama va io, sady tsy lay valin'i Oria lay Hetita va ie?" 4 La nandefa mpanday hafatsy i Davida sady nangalaky gnazy; la avy tagny aminy ie, sady niara-nandry taminy ie(fotony vo baka nagnadio gny vatany tamin'ny fadim-bola ie) Bakeo la nimpoly tagny an-tragnony ie. Nibevoka lay ampela, sady nampigniraky voho nivola gnan'i Davida ie; hoy ie hoe:" Bevohoka aho." 6 Bakeo i Davida nampagniraky tagny amini Joaba nanao hoe:" Alefaso atoy amiko i Oria lay Hetita." La nalefan'i Joaba tagny amin'i Davida i Oria. 7 Lafa avy i Oria, la nagnontany gnazy i Davida hoe nanao akory Joaba, nanao akory gny tafiky, sady nanao akory gny fandehan'ny aly. 8 La hoy i Davida tamin'i Oriahoe:"Mizotsoa agny amin'ny tragnonao, sady sasao gny tombokao." Ka la niala tao amin'ny plapan'ny mpanjaka i Oria, sady nandefa fagnomeza ho gnan'i Oria gny mpanjaka tafaran'ny nandehanany. 9 Fa nandry teo am-baravagnan'ny lapan'ny mpanjaka niaraky tamin'ireo mpanompon'ny tompony iaby i Oria, sady tsy nizotso tagny an-tragnony ie. 10 Lafa nivola tamin'i Davida rozy hoe:" Tsy nizotso tagny an-tragnony i Oria, "la hoy i Davida tamin'i Oria hoe:" Tsy baka nandeha va iha? Nagnino iha ro tsy nandeha nizotso tagny an-tragnonao?" 11 Namaly gnan'i Davida i Oria hoe:" Lay fiara, voho Israely sady Joda la mijano ao amin'ireo lay, sady Joaba tompoko voho tompon'ireo mpanompoko la nivory tagny an-dohasaha. Manao akory ary ro ahafahako magnagny an-tragnoko mba hihina voho hino voho hiroro hiaraky amin'ny valiko? Laha mbo velo tokoa iha, la tsy hanao gnan'io aho." 12 Ka hoy i Davida tamin'i Oria hoe:" Mijanogna aloha eto androany, fa hamaray iha hengako handeha." Ka nijano tao Jerosalema tamin'io andro io voho hamarain'io i Oria. 13 Lafa nikaiky gnazy i Davida, la nihina voho nino teo agnatrehany ie, sady nomamoin'i Davida ie. Gny hariva iOria la niboaky mba hiroro miaraky amin'ireo mpanompon'ny tompony eo am-pandriany; tsy nandeha nilitsy tagny an-tragnony ie. 14 Sady lafa avy gny maray la nanoratsy taratasy ho gnan'i Joaba i Davida, sady nandefa gnan'io tamin'ny alalan'ny tagnan'i Oria. 15 Davida nanoratsy tao amin'ny taratasy manao hoe:" Apetraho eo agnatrehan'ny aly maahery i Oria, sady miala eo aminy bakeo , mba ho voavely voho voavono ie." 16 Ka lafa nanao fahirano tamin'ny tana i Joaba, la nanendry gnani Oria tamin'ny toera zay nahaizany reo miaramila fahavalo matanjaky mare hialia ie. 17 Lafa niboaky reo joharin'ny tana sady nialy tamin'ny tafik'i Joaba, la lavo gny sasany tamin'ireo miaramilan'i Davida, sady Oria lay Hetita avao koa la voavono tagny. 18 Lafa nandefa teny tagny amin'i Davida momba gny raha mahakasiky gny aly i Joaba, 19 la nandidy gny mpanday hafatsy ie, nilaza hoe:" Lafa voateninao amin'ny mpanjaka gny raha iaby mahakasiky lay aly, 20 gny mety hiseho la hoe hasiaky gny mpanjaka, ka hivola aminao ie hoe:" Nagnino ro nagnenky loatsy gny tana iha ro nialy? Tsy haiko va fa mety bakegny amin'ny manda rozy ro hitifitsy? 21 Ia ro namono gnan'i Abimeleka anak'i Jeroboseta? Moa tsy ampela raiky va ro nandefa vato fikosoham-bary taminy bakegny amin'ny manda, zay nahafaty gnazy tagny Tebeza? Nagnino iha ro tegny amin'izay mariniky la mariniky gny manda ro nandeha? Sady tsy maintsy hamaly iha hoe:" Oria lay Hetita mpanomponao avao koa la maty." 24 Bakeo nitifitsy tagny amin'ireo miaramilanao bakegny amin'ny manda gny mpitifitsin-drozy, sady voavono gny sasany tamin'ireo mpanomponan'ny mpanjaka, sady maty avao koa Oria lay Hetita mpanomponao," 25 La hoy i Davida tamin'ilay mpanday hafatsy hoe:" Volagno gnan'i zao Joaba:Ka atao mampasiaky gnanao toy, fa gny sabatsy la handevo raiky hafa . Hamafiso soa hagnorena lay tana gny alinao, ka ravao io; sady ampirisiho ie." 26 Ka lafa ren'ny valin'i Oria fa maty i Oria valiny, la nisaona tanteraky gny valiny ie. 27 Lafa nisava gny alahelony, la nampagniraky voho nampoly gnazy tagny tagny amin'ny lapany i Davida, ka lasa valiny ie sady niteraky zazalahy taminy. Kanefa tsy nankasitrahan'i Yaveh gny nataon'i Davida.