Toko faha 12

4 Ndraik'andro la nisy mpamangy avy tao amin'ilay johary mana-kanagna, fa tsy te-hangalaky raiky bakao amin'ny andian'aondry aman'aosiny voho reo aombiny mba hamea ho sakafo ho gnazy lay johary manan-kanagna. Fa nalany gny aondrivavy kelin'ilay mahantra sady niketrehinay ho gnan'ny mpamangy gnazy io." 5 Nirehitsy gny heloky tamin'ilay johary manan-kanagna i Davida, ka nivola an-keloky tamin'i Natana hoe:" Laha mbo velo koa Yaveh , la mendriky gny ho voanoa ho maty gny johary zay nanao gnan'io. 6 Tsy maintsy honerany efatsy heny gny anak'aondry fotony nanao raha manahaky gnan'io, sady fotony tsy nana fiantra tamin'ilay johary nahantra ie." 7 Sady hoy i Natana tamin'i Davida hoe:" Iha io johary io! Yaveh, lay Ndranagnaharin'Israely ,nivola :Nagnosotsy gnanao ho mpanjakan'Israely Aho, sady namonjy gnanao hiala teo an-tagnan'i Saoly. 8 Nagnome gnanao tragnon'ny tomponao Aho, sady reo valin'ny tomponao ho eo an-tsandrinao. Nameako gnanao avao koa gny avorohotan'Israely voho Joda. Fa laha mbo kely loatsy io, la ho nagnome gnanao raha maro hafa ho fagnampiny Aho, 9 Ka nagnino iha ro nanao tsinontsino reo lilin'i Yaveh, sady nanao zay raty teo imasony? Novonoanao tamin'ny sabatsy i Oria lay Hetita sady nalanao ho valinao gny valiny. Novonoanao tamin'ny sabatsy gny tafik'i Amona ie. 10 Ka amizao la tsy hiala amin'ny avorohotanao mandrakizay gny sabatsy, fotony nanao tsinontsino gnahy nangalaky gny valin'i Oria lay Hetita ho lasa valinao iha." 11 Hoy Yaveh hoe:" Ingo, hananga loza hanohitsy gnanao bakao amin'ny avorotanao avao Aho. Eo agnatrehan'ny masonao avao, ro hangalako reo valinao sady hagnomezako gnan-drozy ho gnan'ny namanao, sady hiara-handry am-pahalalaha amin'ireo valinao amin'ny atoandronanahary ie. 12 Fa nanota nietaky iha, fa ingo hataoko eo agnatrehan'Israely manontolo io raha io, amin'ny atoandrobe-nanahary." 13 La hoy i Davida tamin'i Natana hoe:" Nanota tamin'i Yaveh aho." Namaly gnan'i Davida i Natana hoe:" Yaveh avao koa fa namela gny fahotanao. Tsy ho vonoa iha. 14 Kanefa , fotony tamin'ny alalan'io fihetsiky io ro nanaovanao tsinontsino gnan'i Yaveh, la ho maty tokoa gny zaza zay aterakao." 15 Bakeo la niala i Natana sady noly tagny an-tragno. Namely lay zaza zay nateraky gny valin'i Oria tamin'i Davida i Yaveh ka narary mare ie. 16 Bakeo la nitalaho mare tamin-Dranagnahary ho gnan'ilay zazalahy i Davida. Nifaly hany i Davida sady nilitsy tao ka nandry tamin'ny tany nandritsa gny haly maontolo. 17 Reo loholon'ny tragnony la nijano voho nitsanga teo agnilany, mba hampiary gnazy eo amin'ny tany, fa tsy nety niary ie, sady tsy nety nisakafo niaraky tamin-drozy. 18 Sadt tamin'ny andro fahafito ro nahafaty lay zazalahy. Reo mpanompon'i Davida la natahotsy gny hilaza taminy fa maty lay zaza, fo hoy rozy hoe:" Ingo, laha mbo velo lay zaza la niresaky taminy rahay, sady tsy nijanjy gny feonay ie. Ino ro mety ho hataony amin'ny vatany laha mivola aminy rahay fa maty lay zazalahy?" 19 Fa lafa jerin'i Davida fa nifampibisibisiky reo mpanompony , la hain'i davida fa maty lay zaza. Hoy ie tamin'ireo mpanompony hoe:" Maty va lay zaza?" Namaly rozy hoe:" Maty ie." 20 La nitsanga bakaeo amin'ny tany i Davida sady nanasa gny vatany, nino diloilo, voho nanolo reo fisikignany. Nandeha nagnagny amin'ny tabernakelin'i Yaveh ie sady nanao fanompoam-pivavava tagny, sady bakeo nimpoly noly tagny amin'ny lapany ie. Lafa nangataky ie, la napetran-drozy teo agnatrehany gny sakafo, ka nihina ie. 21 Bakeo reo mpanompony nivola taminy hoe:' Nagnino ro nanao gnan'izao iha? Nifaly hany iha sady nitagny gnan'ilay zaza tamin'ie mbo velo, fa lafa maty lay zaza, la nitsanga iha sady nihina." 22 La namaly i Davida hoe:" Laha mbo velo lay zaza la nifaly hany voho nitagny aho. Hoy aho hoe:" Ia ro mahay na hamindra fo amiko Yaveh na tsia. Ka mety ho velo gny zaza? 23 Fa amizao maty ie , ka nagnino aho ro tokony hifaly hany? Afaky hampimpoly gnanzy ndraiky va aho? Handeha ho agny aminy aho, fa tsy himpoly amiko ie." 24 Nampionona gnan'i Batseba valiny i Davida, sady nilitsitsy tao aminy, ka niara-nandry taminy. Tatoy afara la niteraky zazalahy ie, sady nomeany gny agnara hoe Solomona lay zaza. Nitia gnazy Yaveh 25 sady nandefa teny tamin'i Natana mpaminany Ie mba hanao gny agnarany hoe Jedidia, fotony tia gnazy Yaveh. 29 La namory gny tafiky manontolo i Davida ka nandeha tagny Raba; nialy tamin'ilay tana ie sady nambabo gnan'io. 30 Nalan'i Davida tegny amin'ny lohan'ny mpanjankan-drozy gny satro-boninahitsy__talenta volamena raiky ro lanjan'io, sady nidy vato sarobidy tao agnatiny. Napetraky teo agnabony lohan'i Davida lay satro-boninahitsy . bakeo la nandesiny niboaky reo babon'ny tana maro .