Toko faha 13

3 Fa i Amnona la nana nama zay Jonadaba gny agnarany anaky lahin'i Simea, rahalahin'i Davida. Jonadaba la johary fetsy tokoa. 4 Hoy Jonadaba tamin'i Amnona hoe:" Nagnino, ry anaky gny mpanjaka , ry ketraky isaky maray iha? Tsy hivola amiko va iha? La namaly gnazy Amnona hoe:" Tiako i Tamara, anabavin'i Absaloma rahalahiko." 5 La hoy i Jonadaba taminy hoe:" Mandria eo amin'ny fandrianao sady modia marary. Lafa avy hanenty gnanao gny rainao, la agnontanio ie hoe:" Afaky alefanao atoy amiko va i Tamara anabaviko azafady mba hagnome raha ho haniko voho hiketsiky gnan'io eto agnatrehako, ka mba ahafahako mahita gnan'io voho mihina gnan'io amin'ny tagnany?" 6 Nohon'io la nandry Amnona ka nody narary. Lafa avy hanenty gnazy gny manjaka, la hoy Amnona tamin'ny mpanjaka hoe:' Mba alefaso lahy Tamara anabaviko mba hanao sakafo eto agnatrehako amin'izao aretiko zao mba ahafahako mihina zay bakamin'ny tagnany." 7 La nandefa teny ho gnan'i Tamara tao an-dapany i Davida, nanao hoe:' Mandehana amin'ny tragnon'i Amnona anadahinao zao ka magnomana sakafo ho gnazy." 8 La nandeha tagny amin'ny tragnon'i Amnona anadahiny tagny amin'izay nandriany i Tamara. nangalaky koba ie sady namolavola gnan'io ka nagnamboatsy mofo teo imasony, sady la niketsiky ka nameany gnazygny mofo, fa nanda tsy hihina ie. Bakeo la hoy i Amnona tamin'ireo hafa zay teo hoe:"Aboaho agny ivelany gny olo iaby, ho lavitsy gnahy." Ka nandeha niala teo aminy gny olo manontolo. 10 Sady hoy i Amnona tamin'i Tamara hoe:' Andeso ao amin'ny efitragnoko gny sakafo mba hihinanako gnazy bakamin'ny tagnanao." La nalan'i Tamara gny mofo zay fa nataony, ka nandesiny tao amin'ny efitragnon'i Amnona anadahiny. 11 Lafa nanday gny sakafo teo aminy ie, la nitanjaky gnazy ie ka nivola taminy hoe:' Avia,mandria miaraky amiko, ry anabaviko ." 12 Namaly gnazy ie hoe:" Tsia , ry anadahiko, ka ere aho, fa tsy tokony atao eto Israely gny raha manahaky gnan'io. Ka manao gnan'io raha maharikoriko io! 14 Fa ndra la io aza tsy nijanjy gnazy Amnona. Fotony natanjaky noho Tamara ie, la nanambotsy gnazy ie sady nandry niaraky taminy. 18 La naboakin'ny mpanompony tagny ivelany ie sady niliany gny varavagna lafa tafaboaky ie. Nisiky akanjolava voarabaky soa i Tamara fotony reo ananaky ampelan'ny mpanjaka zay virijiny la niakanjo manahaky gnan'io. 19 Nasian'i Tamara lavenoky teo amin'ny lohany sady nitatahany gny akanjony. Niloloha gny tagnany tamin'ny lohany ie sady nandeha, nitagny mare tegny am-pandehana. 20 Hoy i Absaloma anadahiny taminy hoe:" Niaraky taminao va i Amnona anadahinao? Nefa mangina, ry anabaviko.Anadahinao ie. Ka mandramby gnan'io raha io am-po." La nipetraky raiky teo amin'ny tragnon'i Absaloma anadahiny i Tamara. 21 Fa lafa jan'i Davida mpanjaka io raha iaby io, la nasiaky mare ie. 22 Sady i Absaloma tsy nivola na ino ino tamin'i Amnona, fotony i Absalomanalay gnazy noho zay fa nataony taminy voho gny fomba nagnalany baraka gnan'i Tamara anabaviny. 25 La namaly gnan'i Absaloma gny mpanjaka hoe:" Tsia, ry zanako, tsy tokony handeha hiaraky aminao iaby rahay fotony ho enta-mavesatsy ho gnanao." Nampirisiky gny mpanjaka i Absaloma, nefa tsy nandeha ie, kanefa nitso-drano gnan'i Absaloma ie. 26 La hoy i Absaloma hoe:" Laha tsy io, engako lahy i Amnona rahalahiko andeha hiaraky aminay." La hoy gny mpanjaka taminy hoe:' Fa nagnino i Amnona ro tokony hiaraky aminareo?" 30 Sady laha mbo tegny an-dala rozy, la avy tagny amin'i Davida gny vaovao manao hoe:" Novonoan'i Absaloma reo anaky lahin'ny mpanjaka maontolo, ka tsy nisy ndra la raiky aza niainga tamin-drozy. 31 La nitsanga gny mpanjaka ka nanataky gny fisikignany, la nandry teo amin'ny tany; sady reo mpanompony iaby nijoro teo agnilany teo niaraky tamin'ny fisikignany tataky. 32 Sady i Jonadaba anak'i Simea , rahalahin'i Davida, namaly sady nanao hoe:" Ao gny tompoko tsy hino fa namono gny tovolahy iaby zay anaky gny mpanjaka rozy, fotony i Amnona raiky ro maty. Absaloma fa nagnoma gnan'izao nanomboky tamin'ny aondry zay nagnolagnan'i Amnona gnan'i Tamara anabaviny. 33 Nohon'io ao gny tompoko mpanjaka tsy handramby gnan'io tatitsy io am-po, ka hino fa gny anaky gny mpanjaka manontolo ro maty, fotony Amnona raiky avao ro maty." 34 Nandositsy i Absaloma. Nisy mpanompo mpiamby nandratsy gny masony ka nahita olo maro tamy tegny amin'ny lala tegny amin'ny havoa andrehany. 35 La hoy i Jonadaba tamin'ny mpanjaka hoe:" Ingo, tamy reo anaky lahin'ny mpanjaka. Manahaky zay nolazain'ireo mpanomponao tokoa io." 36 Sady lafa tapitsy gny safany, l avy reo anaky lahin'ny mpanjaka ka nanandratsy gny feon-drozy sady nitagny. Gny mpanjaka voho gny mpanompony manontolo koa la nitagny mare. 37 Fa i Absaloma nandosits sady nagnagny amin'i Talmay , anaky lahin'i Amihoda, lay mpanjakan'i Gesora. Nisaona gny anany isan'andro i Davida. 38 Nohon'io i Absaloma la nandositsy sady nagnagny Gesora, zay ipetrahany telo tao. 39 Fa gny sain'i Davida mpanjaka nagniry hiboaky hanenty gnan'i Absaloma, fa nionona mahakasiky gny amin'i Amnona voho gny fahafatesany ie.