Toko faha 14

1 Sady i Joaba anaky lahin'i Zeroia la nahay fa nagniry gny hahajery gnan'i Absaloma gny fon-gny mpanjaka. 2 Noho izay la nandefa safa ho agny Tekoa i Joaba sady nanday ampela hendry tagny agnaminy. Hoy ie taminy ampela io hoe: " Mba misoloho re ataovy sahalan-gny hoe miojy re iha sady magnisia akanjo fiojia. Mba misoloho re aza hosora diloilo gny vatanao, fa manaova toy gny ampela zay miojy gny maty fa ela. 3 Bakeo la mandehana magnagny amin-gny mpanjaka sady resaho aminy gny momba zay ho fijeriko." La nosafagnin'i Joaba tamin-dreo safa zay tokony ho safagniny amin-gny mpanjaka. 4 Lafa nisafa tamin-gny mpanjaka lay ampela baka agny Tekoa, la nampiondrehiny gny tavany tamin-gny tany ie sady nanao hoe: " Ombao zaho, ry mpanjaka." 5 La hoy lay mpanjaka tagnaminy hoe: " Ino ro ola? " Namaly ie hoe: " Gny to la mpitondratena Zaho, sady maty gny valiko." 6 Zaho, mpanomponao, la managnanaky roa lahy, sady nialy tegny am-baibo rozy reo, ka tsy nisy mpangalaky an-drozy. Gny raiky namango lay raiky ka namono gnazy. 7 Henaniky zao la mitsanga mahohitsy gny mpanomponao gny fianakaviambe iaby, sady hoy rozy hoe: ' Ameo gny johary zay namely gny rahalahiny, mba hamonoanay gnazy ho faty, mba hanohitsy gny ain-gny rahalahiny zay novoiny. ' koa la ho vonoin-drozy koa mpandova. La manahaky zay hangalan-drozy gny vaim-bolo mirehitsy zay nengako, sady tsy hangeva agnara na avorohota eto ambonin-gny tany ho gnan'ny valiko rozy." 8 Ka la hoy gny mpanjaka tamin'ampela io hoe: " Mandehana agny an-tragnonao, sady handidy raha hatao ho gnanao zaho." 9 La namaly gny mpanjaka lay ampelan'i Tekoa hoe: " Ry mpanjaka, tompoko, ao ho agnamiko voho ho amin-gny avorohotan-draiko gny heloky. Tsy manan-tsiny gny mpanjaka voho gny seza fiandriagnany." 10 Namaly gny mpanjaka hoe: " Na ia na ia misafa raha agnaminao, la andeso agnamiko toy ie, sady tsy hikasiky gnanao sasy ie. 11 La hoy ie hoe: " Mba mangataky lahy, ao gny mpanjaka hahatiaro gnan'i Yaveh Ndranagnaharinao, ka tsy hamotiky na ia na ia gny mpamaly lio, mba tsy hamotehan-drozy reo gny anako lahy." La namaly lay mpanjaka hoe: " Laha mbo velo koa Yaveh, la tsy hisy na la singam-bolo raiky amin-gny anakao aza hihintsa amin-gny tany." 12 La hoy ampela igny hoe: " Mba mangataky lahy engao gny mpanomponao mba hisafa teny fagnampiny amin-gny tompoko lay mpanjaka." La hoy ie hoe: Mivolagna." 13 La hoy ampela igny hoe: " Koa nagnino iha ro manao raha manahaky zay amin-gny olon-Dranagnahary? Fa amin-gny fivolagna zay raha zay, la manahaky gny olozay meloky gny mpanjaka, fotony tsy mbo nampoly ndraiky gny anany laly voaroaky gny mpanjaka. 14 Fa tsy maintsy ho maty tsika iaby, sady manahaky gny rano araraky amin-gny tany tsika, zay tsy afaky raofy sasy. Fa Ndrangnahary tsy hangalaky gny ay; fa, mahajery lala ho an'ireo zay voaroaky Ie mba ho hampoly ndraiky. V 15 Ka amizao zany, avy hisafa zay raha zay amin-gny mpanjaka tompoko zaho, zay la fotony nampitahotsy gnahy gny olo. Koa nisafa tamin-gny vatany gny mpanomponao hoe: ' Hisafa amin-gny mpanjaka zaho zao. Vasa hanatanteraky gny fangatahan-gny mpanompony gny mpanjaka. 16 Fotony hija gnahy gny mpanjaka, mba hanolorany gny mpanompony ho afaky amin-gny tanan'ilay johary zay hamotiky gnahy voho gny anako lahy, ho afaky amin-gny lovan- Dranagnahary.' 17 Bakeo la nivavaky gny mpanomponao hoe: " Yaveh, ao hanamaiva gnahy gny fasan-gny mpanjaka tompoko, fotony manahaky gny anjelin- Dranagnahary, la manahaky zay koa gny mpanjaka tompoko amin-gny fivolagna gny soa bakamin-gny raty.' Homba gnanao anie Yaveh Ndranagnaharinao." 18 Bakeo, la namaly gnan'i ampela igny mpanjaka io hoe: " Ajafady lahy, ka aetakao gnahy gny valin-gny fagnontaniako toy. Ka hoy ampela igny: " Mivolagna lahy mpanjakako". 19 La nagnontany mpanjaka igny hoe: " Tsy misondry aminao va gny tagnan'i Joaba henanizao? La namaly ampela igny hoe: " Laha mbo velo koa iha mpanjaka tompoko, tsy misy miviombio magn'ankavana na ankavia gny raha niresahin-gny mpanjakako ndra raiky. Joaba andevonao igny ro nagnina gnahy sady nivola agnamiko ie mba hivola raha niresahiko agnamiko reo. 20 Fa nanao an'izay Joaba mpiasanao mba hampisy fiova gny raha niseho. Hendry vatany tompoko toy la manahaky gny fahendren-gny anjelin-Dranagnahary reo, sady mahay gny raha misy amin-gny tany toy eto 21 La hoy gny mpanjaka tamin'i Joaba hoe: Ndao moa, fa hataoko raha zay. Ndagny, andeso mimpoly amizay johary Absaloma io." 22 Farany, namaboky gny vatany tan-tany eo Joaba mba hanomea voninahitsy voho fisaora gny mpanjaka. Zao amizay gny nataon'i Joaba: " Henanizao, hain-gny mpiasanao toy amizay fa soa taminao eo zaho, mpanjakako, tsy ino zay fa gny fagnenkenao gny hatakin-gny mpanomponao." 25 Tsy misy olo malaza amin-gny hasoa-tarehy mandilatsy gnan'i Absaloma eran-gny Israely. Manomboky bak'an-tombony eo zisiky an-dohany agny, tsy misy handra ndra raiky. 26 Lafa ie ro manampaky volon-dohany igny isaky faran-tao fotony mavesatsy volo igny ka tsy leony, lanjany volo igny ka la mahasaky roanjato lanja amin-gny kilon-gny mpanjaka igny. 27 Niteraky telo lahy voho vavy toka i Absaloma, Tamara ro agnarany. Ampela tena ampela soa ie. 28 Nipetraky roe tao Jerosalema i Absaloma, fa tsy nahita gny vatan'ny mpanjaka. 29 Bakeo i Absaloma la nandefa safa ho gnan'i Joaba mba handefa gnazy agny amin'ny mpanjaka, Fa ingo tsy avy tagny aminy i Joaba. La nandefa safa fagnindroe i Absaloma, kanefa mbo tsy avy avao i Joaba. 30 La hoy gnataon'i Absaloma tamin'ireo mpanompony hoe:" Ingo, eo agnilan'ny gnahy gny tanimbarin'i Joaba, sady mana vary hordea ao ie. Mandehana voho oro io." Ka noroan'ireo mpanompon'i Absaloma lay tanimbary. 31 Bakeo la nitsanga i Joaba sady nagnagny amin'i Absaloma tagny an-tragnony, ka nanao taminy hoe:' Nagnino ro norengen'ireo mpanomponao gny tanimbariko?" 32 La namaly gnan'i Joaba i Absaloma hoe:" Ingo, nandefa safa taminao aho nanao hoe:' Miavia agnamiko mba hahafahako magniraky gnanao ho agny amin'ny mpanjaka mba hilaza hoe:' Nagnino aho ro niala tagny Gesora? Soa ho gnahy vatany gny mba mijano agny. Noho io la ao aho hijery gny vatan'ny mpanjaka, ka laha meloky aho, la ao ie hamono ahy," 33 La lasa nagnagny amin'ny mpanjaka i Joaba sady nivila taminy. Lafa nampikaiky gnan'i Absaloma gny mpanjaka, la namonjy gny mpanjaka ie voho niankohoky ambany teo amin'ny tany nagnatriky gny mpanjaka, sady noroahin'ny mpanjaka i Absaloma.