Toko faha 15

1 Sady tafaran'io la nagnoma kalesy voho soavaly ho gnazy i Absaloma, niaraky tamin'ny johary dimampolo mba hialoha gnazy. 2 Nifoha maray i Absaloma voho nijoro teo amin'ny lala magnagny amin'ny vavahadin'ny tana. Lafa nisy olo nana aly handesy eo amin'ny fitsaran'ny mpanjaka, la nikaiky gnazy i Absaloma sady nivola hoe:' Bakaia gny tana niavianao?" La namaly lay johary hoe:" Bakamin'ny raiky amin'ireo fokon'Israely gny mpanomponao." 3 La nivola taminy i Absaloma hoe:' Ingo, soa voho marina gny raharahanao, fa ingo tsy misy olo namean'ny mpanjaka fahefa hinjanjy gny raharahanao." 4 La nampian'i Absaloma hoe:' Iriko la mba natao ho mpitsara teto amin'ny tany aho, mba ho avy eo amiko gny gny olo iaby zay mana aly na raharaha, sady hagnome rariny ho gnazy aho!" 5 Sady lafa nisy olo avy teo amin'i Absaloma mba hagnome haja gnazy, la nampiboaky gny tagnany ie sady nandramby gnazy ka nagnoriky gnazy. 6 Nanao manahaky gnan'io tamin'ireo Israely manontolo zay nandeha amin'ny fitsaran'ny mpanjaka i Absaloma. Ka la nangalaky gny fon'ny olon'Israely i Absaloma. 7 Sady tamin'ny fiafaran'ny tao efatsy la hoy i Absaloma tamin'ny mpanjaka hoe:' Engao lahy aho mba handeha sady hagnefa gny voady nataoko tamin'i Yaveh tagny Hebrona. 8 Fa nanao voady gny mpanomponao fony zaho nipetraky tagny Gesora tagny Syria, nanao hoe:" Laha handesin'i Yaveh mimpoly agny Jersalema tokoa aho, la hanompo gnan'i Yaveh." 16 La nandeha gny mpanjaka voho narahin'ny longony reo baka afara ao ,fe nagnenga ampela folo zay vaditsindrano ie hiamby birony io. 17 Lafa rozy baka niboaky, la nijano tamin'ny tragno farany igny egny rozy. 18 Nisondry niaraky aminy mpialiny reo iaby, la talohany ao Keretita voho Peletita noho Gatita rey iaby, la nisy johary eninjato lahy koa nagnaraky azy baka Gata. 19 Zao amizay gny nataon'ny mpanjaka tamin' Itahy Gatita hoe: " Nagnino iha handeha hisondry aminay io koa? Mimpolia iha, mijanogna miaraky amin'ny mpanjaka, fa olo vahiny sady nasesy tany iha. 20 Iha zao anao maly gny niavianao, ka androany va aho handay anao hiaraky aminay? Ndra gny tany ombàko aza tsy haiko. Ndra gny himpoly, andeso koa namanao reo. Ndagny fa ho aminao ao gny fahamarina voho gny fahatokia. 21 Fa Itahy namaly gny mpanjaka voho nilaza hoe: " Laha mbo velo koa Yaveh, voho laha mbo velo avao koa gny mpanjakako, tsy maintsy misondry aminao avao gny mpiasanao na ho velo ndra ho maty amin'ny ze tany ombànao. 22 Ka izao gny navalin'i Davida azy: " Avia moa, tohizo gny fisondrea aminay. La lasa Itahy Gatita voho lelahy teo rey miaraky amin'ny gny longony iaby nisondry amin'ny mpanjaka. 23 Nitagny mare amizay olo iaby lafa rozy ro nandalo amin'ny lohasahan'ny Kidrona mbeo, fa lisatsy mpanjaka igny . Nandeha tegny an-dala nizotra ho any an-tany efitry gny olo iaby 24 Teo iaby koa Zadoka niaraky amin-gny Levita rey, nilanja tobily misy fagnekenan-Dranagnahary igny. Hinilin-drozy tomobilin-Dranagnahary ,la nitandraky an-drozy i Abiatara. Nandigny la traky andalovan-gny olo maro avy ao an-tana drozy. 25 Hoy gny mpanjaka tamin'i Zadoka hoe: " Lanjao magnan-tana agny gny fiaran-Dranagnahary. Laha mahajery fitia eo agnatrehan'i Yaveh zaho,la handay gnahy himpoly Ie sady haneho gny tomobily voho gny toera hipetrahany. 26 Fa laha miresaky Ie hoe:'tsy mankasitraky gnanao Zaho,' inty aho, aoka hataony agnamiko zay jeriny iaby fa mety Aminy." 27 La hoy ndraiky mpanjaka tamin'i Zadoka mpitan-kazo manga hoe: " Tsy mahajery va Iha ? Mimpolia an-tana agny iha sady soava-dia, andeso anakao reo rozy roe,tsy ia zay fa Ahimaza anakilahinao voho Jonatana anakilahin'i Aliatara. 28 Hembenako an-tany lemaky Araba ao nareo zisiky hiavianareo hitalily amiko 29 La nagnongaky tomobin-Dranagnahary igny ro Zadoka voho Abiatara nagna Jerosalema agny,la nagnory petraky agny rozy. 30 Fa nagnaniky tsy ankiraro voho nitomany nagnagny amin-gny Tendrombohitr' Oliva i Davida, sady nisaro gny kabesony. Gny olo iaby teo amin-gny olo maro nisondry tagnaminy la nandomboky gny kabesony, sady nandeha nisondrotsy am-pitomania tegny am-pandehana rozy reo. 31 Nisy olo nisafa tamin'i Davida nanao hoe: " Isan'ireo mpikonokono nisondry amin'i Absaloma i Ahitofela." Koa nivavaka i Davida hoe: Yaveh o, avaliho ho hadala gny torohevitr'i Ahitofela."