Toko faha 16

1 Lafa niala kelikely tsy lavitsy vohitry io Davida, la avy Ziba mpiasan'i Mefiboseta nanegnategna gnazy miaraky amin-gny soavaly roe misy lasely fipetraha; nanday mofo roanjato voho tagnam-boaloboky zato noho aviavy zato fehea voho divay tavoangy raiky. 2 Nivola tagnamin'i Ziba amizay mpanjaka igny hoe: " Nagnino iha manday raha lako reto io? Ka hoy Ziba hoe: " natao hiendranan-gny longon'i mpanjaka reo soavaly reo, mofo reo koa natao ho hanin'olonao reo, divay io hinomin-drozy. 3 Ka hoy mpanjaka igny: " Aia va zafilahiko igny? La namaly Ziba hoe: "Niegny tagny Jerosalema agny ie fa zao gny volany: " Hampolin-gny olon' Israely reo aminy androany gny fanjakan-gny babako. " 4 Ka hoy ndraiky mpanjaka tagnamin'i Ziba hoe: " Ho gnanao iaby raha nignan'i Mefiboseta reo henanio. " Zao gny navalin'i Ziba gnazy hoe: " Mihohoky voho miambany agnaminao aho mpanjakako. Afa-po amin-gny fisianao aho. 5 Lafa baka namonjy an'i Bahorima Davida mpanjaka, nisy johary raiky bakamin-gny fokon'i Saoly niboaky bakao, Simey gn'agnarany, anak'i Gera. La nisiziky ie ro mbo nanao fivolagna raty koa. 6 Tinorany vato Davida voho olo manam-pahefa rey, nefa egny iaby amin'io maramilan'i mpanjaka rey. 7 La nanao vola raty avao Simey, zao gny nataony mandehana agny nareo, olo raty rety, miboaha tana toy iha, mpamono olo ty, mpamoriky iha, mpagnosavy. 8 Navalin'i Yaveh anareo any famonoanareo longon'i Saoly igny, tamin-gny toera nanjakanareo agny. Namean'i Yaveh an'i Absaloma am-pelatagnany gny fanjaka. Arava gny momba anao fa olo raty iha, mpamono olo. 9 Ka hoy Abisay anakilahin'i Zeroia tamin-gny mpanjaka hoe: " Ino agnozognan-gny amboa maty roa an'ny mpanjaka tompoko tia io? Miala hanampahako lohany io". 10 La nivola mpanjaka igny hoe: " Mpi-ino moa tsika io, anakilahin'i Zeroio tia? Ozogniny aho fotony vinolan'i Yaveh ie hoe: " Ozogny Davida.' Ka ia moa olo afaky hivola gnazy io hoe: " Nagnino iha magnozo mpanjaka io? " 11 Zao amizay gny nataon'i Davida tamin'i Abisay voho mpanompo gnazy rey hoe: " Ingo anakilahiko naterako io, ta-hamono gnahy, vomaiky moa Benjamina magniry gny haharava gnahy? Engao nareo avao io hagnozo gnahy fa zay koa gny nagnirahan'i Yaveh gnazy. 12 Evany hanenty gny fijalea nahazo gnahy toy vasa Yaveh sady hamaly soa gnahy amin-gny ozo ataony gnahy toy ie androany. 13 La nandeha nagnaraky lala igny Davida voho olony rey, fa Simey koa nagnaraky an-drozy, nimbagnabombegny avao ie, la nagnozo ie mbegny igny ro nanondraky lemboky sady nitoraky vato an-drozy. 14 Vozaky mbakany mpanjaka igny noho olo nisondry aminy rey, farany nijano lafa haly gn'andro. 15 Avy an'i Jerosalema ao amizay koa Absaloma voho olon' Israely nisondry aminy rey voho Ahitofela. 16 Lafa niavy tamin'i Absaloma eo amizay Hosay Arkita, naman'i Davida igny, zao gny nataony hoe: " Ho lava velo lahy gny mpanjaka! Ho lava velo lahy gny mpanjaka 17 Ka hoy Absaloma tagnaminy: " Zao va gny fahatokia atoronao amin-gny namanao? Nagnino iha tsy nisondry aminy io? " 18 Ka hoy Hosay tagnamin'i Absaloma hoe: " Aha! olo raiky nifilin'i Yaveh voho vahoaky toy miarak'amin'olon' Israely reo iaby ro johary arahiko lia sady hipetraky aminy eo aho. 19 Ia koa gn'olo tokony ho tompoko? Tsy tokony hanompo eo amin-gny fagnatrehan-gny anakilahiny va aho? Manahaky gny nanompoako teo amin-gny fagnatrehan-gny babanao ,la hanompo eo amin-gny fagnatrehanao zaho".