Toko faha 23

1 Ndreto iaby gny raha vinolan'i Davida farany __Davida anakilahin'i Jese, johary tena namea voninahitsy, voatingin- Dranagnaharin'i Jakoba, mpanao hira fandrengea an-Dranagnahary mampazoto gny Israely. 2 Nivola amin-gny alalako gny fagnahin-Dranagnahary ka la tan-delako eo gny safany. 3 Nivola gny Zanaharin'Israely, nivola amiko ie hoe: " Olo-soa mpanday an-drozy amin-gny tahotsy an-Dranagnahary. 4 Ie la ho nanahaky gny hazavan-gny maraindray lafa miboaky gny masoandro, mbo maraindray igny ie, maraindray vaky andro tsy misy hiboky igny, lafa miboaky bak'amin-gny tany gny akata nohony gny fiboahan-gny masoandro lafa baka niavy gn'ora. 6 Fe gny tsy maeva raha zay la hanahaky fatiky aria io, fotony tsy voaangon-gny tanan-gny olo reny. 7 Gny olo izay mikasika gnahy reo la tsy maintsy mampiasa fitaova vita amin-gny vy na zana-tsipikan-defona. Tsy maintsy oroa eo amin'izay itoerany reny."' 8 Reto iaby gny agnaran'ireo miaramila sangan'i Davida:' Josebela lay Takemonita ro mpitariky reo miaramila sangany. Nahafaty johary valonjato tao agnatin'ny aly raiky ie. 9 Magnarakaraky gnazy i Eleazara , anaky lahin'i Doda, anaky lahin'i Ahohita, raiky amin'ireo johary telo maherin'i Davida. Teo ie tamin'ny nandresean-drozy gny Filistina zay nivory niaraky mba hialy, voho tamin'ny nihemoran'ny joharin'Israely. 10 Nitsanga i Eleazara sady nialy tamin'ny Filistina mandra-pahavozky gnt tagnany sady niraikitsy teo amin'ny tahon'ny sabany gny tagnany. Nanday fandresea bevata tamin'io andro io i Yaveh. Nimpoly nagnaraky gnan'i Eleazara gny tafiky, mba hitimpona zay amin'ireo faty avao io. 11 Nagnaraky gnazy i Sama anaky lahin'i Age, lay Hararita. Niara-nivory teo amin'izay nisy tanim-boanemba gny Filistina, sady gny tafiky nandositsy gnan-drozy . 12 Fa i sama koa nitsanga teo agnivon'ny saha sady niara io. Navoany gny Filistina, sady nanday fandresea bevata Yaveh. 13 Gny telo tamin'ireo miaramila telopolo la nizotso tagny amin'i Davida tamin'ny fotoan'ny fararano, tao amin'ny Zohin'i Adolama. Nitoby teo amin'ny Lohasahan'i Refaita gny tafik'ireo filistina. 14 Tamin'io fotoa io i Davida la tao amin'ny fiarovany mafy , zohy raiky, laha nipetraky tao Betlehema gny Filistina. 15 Nila rano i Davida ka hoy gnataony hoe:" Laha mbo misy olo magnome gnahy rano hinomy bakamin'ny lava-drano ao Betlehema, lay lava-drano eo agnilan'ny vavahady zao!" 16 Ka la namakivavaky gny tafiky gny Filistina reo telo lahy mahery reo sady nangalaky rano bakao amin'ny lava-dranon'i Betlema, lay lava-drano eo agnilan'ny vavahady. Nalan-drozy gny rano sady nandesiny tagny amin'i davida, kanefa nanda gny hino gnan'io ie.Fa nararany ho gnan'i Yaveh koa io. 17 Bakeo la hoy ie hoe:" Ry Yaveh, sagnatsia, laha hanao gnan'io aho. Tokony hino gny tan'ireo johary zay nanao soro gny ainy va aho? Ka la nanda gny hino gnan'io ie. Reo raha reo ro nataon'ireo telo lahy mahery. 18 Abisay , rahalahin'i Joaba sady anaky lahin'i Zeroia, ro kapitenin-drozy telo. Nialy tamin'ireo telo arivo lahy ie sady namono gnan-drozy tamin'ny lefo. Voatogno matetiky niaraky tamin'ire miaramila telo ie. 19 Tsy nalaza noho reo telo va ie? Nataoko kapitenin-drozy ie. Kanefa, gny lazany la tsy nitovy tamin'ny lazan'ireo miaramila telo lahy malaza mare. 20 Benaia bakagny Kabezela la anaky lahin'i Joiada, ie la johary matanjaky zay nanao asa bevata. Namono gny anaky lahin'i Ariela roe tagny Moaba ie. Nizotso toa agnaty lavaky avao koa ie sady namono liona laha mbo nisy oram-panala igny. 21 Sady la namono johary Egyptiana maro ie. Nana lefo tegny an-tagnany lay Egyptiana, kanefa tamin'ny tehy avao ro nialian'i Benaia taminy. Nalany tegny amin'ny tagnan'ilay Egyptiana gny lefo sady tamin'ny lefony avao ro namonoany gnazy. 22 Benaia anaky lahin'i Joiada ro nanao gnan'io asa bevata io, sady nankalaza niaraky tamin'ireo telo lahy mahery ie. 23 Nalaza noho reo miaramila telopolo ie amin'ny anlapobeny, kanefa tsy la tena nalaza manahaky reo miaramila telo sangany mare. Nefa i Davida nampiandraikitsy gnazy ho mpiamby gnazy. 24 Agnisan'ireo telopolo reto johary magnaraky reto: Asahela rahalahin'i Joaba, Elanana anaky lahin'i Dodo bakagny Betlehema, 25 Sama lay Harodita, Elika lay Harodita, 26 Heleza lay Paltita, Ira anaky lahin'i Ikesy lay Tekoita, 27 Abiezera lay Anonita, Mebonay lay Hosatita, 28 Zalmona lay Ahohita, Maharay lay Netofatita; 29 Haleba anaky lahin'i Bana , lay Netofatita, Itahy anaky lahin'i Rbay bakagny Gibean'ny avorohotan'i Benjamina, 30 Benaia lay Piratonita, Hiday bakamin'ny lohasahan'ny Gasy 31 Abi-albona lay Arbatita, Azmaveta lay Psaromita, 32 Eliaba lay Salbonita, anaky lahin'i Jasena, Jonatana anaky lahin'i Sama lay Hararita; 33 Ahiama anaky lahin'i Sarara lay Hararita, 34 Elifeleta anaky lahin'i Ahasbay lay Makatita, Eliama anaky lahin'i Ahitofela lay Gilonita, 35 Hezray lay Karmelita, Paray lay Arbita, 36 Jigala anaky lahin'i Natana bakagny Zoba, Bany bakamin'ny fokon'ny Gadita,