Toko faha 24

1 La nirehitsy tamin'Israely ndraiky gny fahatezeran'i Yaveh, ka nataony nanohitsy gnan-drozy i Davida nanao hoe:" Mandehana , isao Israely voho Joda." 2 Nivola tamin'i Joaba mpifehy gny tafiky, zay niaraky taminy gny mpanjaka hoe:' mandehana manerana gny fokon'Israely manontolo, manomboky agny Dana ka hatragny Beri-sheba, sady isao gny olo manontolo, mba hahaizako gny fitambaran'ny isan'ireo johary sahaza ho gnan'ny aly." 3 Hoy i Joaba tamin'ny mpanjaka hoe:" Afaky mampitombo gny isan'ny vahoaky injato va Yaveh Ndranagnaharinao, sady afaky mijery gny fitrangan'io va gny mason'ny mpanjaka tompoko. Nefa nagnino ro magniry gnan'io gny mpanjaka tompoko? 4 Ndra la io aza, gny safan'i mpanjaka la nanohitsy gnan'i Joaba voho nanohitsy gny mpifehy gny tafiky gny farany. Ka niboaky teo amin'ny fagnatrehan'ny mpanjaka i Joaba voho reo mpifehy mba hagnisa gny vahoakn'Israely. 5 Niampita gnan'i Jordana sady nitoby tao agnilan'i Aroera,antimon'ny tana agny an-dohasaha rozy. La nandroso hatragny Gada ka hatragny Jazera rozy. 6 Avy tagny Gileada voho tagny amin'ny tanin'i Tatima-hodsy ozy, bakeo la tagny Danajana sady nagnodidy hatragny Sidona. 7 Avy tagny amin'ny fiarova mafin'i Tyro voho gny tanana'ny Hivita voho gny Kananita rozy. Bakeo la niboaky nagnagny Negeva agny Joda ao Beri-sheba rozy. 10 La nampahory gnazy gny fon'i Davida lafa baka nagnisa reo johariry ie. Ka nivola tamin'i Yaveh ie hoe:" Nanota tanteraky tamin'ny fanaova gnan'io aho. Amizao, ry Yaveh, alao gny heloky gny mpanomponao, fa fa nanao fahadala tokoa aho." 11 Lafa nifoha i Davida gny ramay, la avy tamin'i Gada mpaminany , mpahitan'i Davida gny safan'i Yaveh, nanao hoe:" 12 Mandehana lazao amin'i Davida hoe:" Zao ro lazain'i Yaveh :" Magnome safidy telo gnanao Anao . Ka misafidiana raiky amin'ireo." 13 La nagnagny amin'i Davida i Gada ka nivola taminy hoe:" Mosary telo tao va ro ho avy aminao ao amin'ny taninao? Sa handositsy telo vola reo fahavalonao va iha laha magnenjiky gnanao rozy? sa hisy areti-mandringa telo andro ao amin'ny taninao? Amizao manapaha hevitsy gny amin'izay valiny tokony havaliko Gnazy lay nagniraky gnahy." 14 La hoy i Davida tamin'i Gada hoe:" Ao agnaty fikorontagna tanteraky aho. Ao isakaho lavo eo an-tagnan'i Yaveh manahak'izay eo an-tagnan'ny gn'olo, fotony tena bevata gny famindram-pony." 17 La niresaky tamin'i Yaveh Davida lafa nahita gny anjely zay namely gny vahoaky, sady nanao hoe:" Fa nanota aho, sady raty fitondran-tena. Nefa reo aondry reo, ino ro nataony?" Ao lahy mba zaho voho gny avorohotan-draiko ro ho sazian'ny tagnanao!" 18 Bakeo la avy teo amin'i Davida taminio andro io i Gada sady nivola taminy hoe:" Miakara sady magnamboara alitara ho gnan'i Yaveh eo am-pamoloan'i Araona lay Jebosita." 19 La niakatsy araky zay nandidian'i Gada gnazy hataony Davida, araky zay nandidian'i Yaveh. 20 Nijery tagny ivelany Araona sady nahita gny mpanjaka voho reo mpanompony nanota. La niboaky i Araona sady nampiankohoky gny vatany teo amin'ny tany teo amin'ny mpanjaka. 21 La hoy i Araona hoe:" Nagnino ro avy eto amiko , mpanompony, gny mpanjaka tompoko?" Namaly i Davida hoe:" Hivily gny famoloanao, mba hahafahako magnamboatsy alitara ho gnan'i Yaveh, mba hialan'ny areti-mandringa eo amin'ny vahoaky." 22 Hoy i Araona tamin'i Davida hoe:' Ataovo manahaky gnanao io, ry mpanjaka tompoko. Ataovo amin'io zay soa eo imasonao. Ingo, ndreto misy aomby atao fagnatitsy dorana voho fevelezam-bary sady ziogana'aomby atao kata. 23 Reo iaby reo, ry mpanjakako, zaho , Araona , la hagnome gnanao gnan'io." La hoy ie tamin'ilay mpanjaka hoe:" Hagnenky gnanao anie Yaveh Ndranagnaharinao." 24 Hoy gny mpanjaka tamin'i Araona hoe:" Tsia, hoviliko amin'ny viliby io. Tsy hanolotsy fagnatitsy dorana ho gnan'i Yaveh amin'ny raha zay tsy nisasarako aho." Ka novilin'i Davida sekely volafoty dimampolo gny famoloana voho reo aomby. 25 Nagnamabara alitara ho gnan'i Yaveh tao Davida sady nanolotsy fagnatitsy dorana boho fagnati-pilongoa teo amin'io , La nitalaho tamin'i Yaveh ho gnan'ny tany rozy, ka nampijano gny areti-mandringa narenana gnan'Israely Ie.