Toko faha 21

1 Nisy mosary tagnatin-gny telo tao tamin-gny andron-gny Davida, la nila gny tarehin'i Yaveh Davida. Ka zao gny nataon'i Yaveh: " Misy mosary gn'aminareo eo fotony mpamono olo mare Saoly voho fianakaviany reo, vinonon-drozy iaby Gibeonita reo." 2 Tsy bak'amin' Israely reo gny Gibeonita fa bak'amin-gny Amonita sisa tavela rey. Fa nifantafanta fa tsy hamono an-drozy gny Israely fa Saoly ro nahasaky namono an-drozy gny Israely voho Joda reo. 3 Farany, nikaihin'i Davida mpanjaka Gibeonita rey ka nivolagniny hoe: " Ino gny tokony hataoko ho anareo?" Ataoko akory gny hagnavotsy mba hagnomezanareo tso-drano olon'i Yaveh mandova gny hasoany voho gny fampitamanany reo? " 4 Ka hoy Gibeonita namaly gnazy: " Tsy resaky volafoty na volamena aminay eo zao na Saoly voho gny longony. Manahaky an'izay avao koa gny tsy hamaroanay olo amin' Israely reo ao." Fa hoy gny navalin'i Davida azy; " Ino raha volagninareo tokony hataoko anareo io?" 5 La namaly gny mpanjakan- drozy hoe: " Johary raiky mieritseritsy hamono gnanay hipetraky amin-gny sisin-tanin' Israely igny; 6 Ameo olo fito bak'amin-gny longony zahay, fa ho vonjenay a-Gibean'i Saoly agny zahay." Homeako anareo rozy fito lahy reo" ,hoy Davida. 7 Tsy nita heloky amin'i Mefiboseta anakilahin'i Jonatana, anakilahin'i Saoly mpanjaka io fotony nanao resaky sarotsy tamin-drozy Yaveh tamin'i Davida voho Jonatana eo. 8 Fe na lan'i mpanjaka anak'i Rizpa anak'ampelan'i Aia, roe lahy rey, anany amin'i Saoly. Armony voho Mefiloseta gn'agnaran-drozy roelahy, nalan'i Davida koa anak'i Mikala anak'ampelan'i Saoly amin'i Adriela dimilahy rey. 9 Nameany an'i Gibeonita reo rozy. Nahanton-drozy tam-bohitsy agny, la samby niaraky maty agny rozy fito lahy. Tamin-gny fotoa hasotry gny namonoa an-drozy, vo nanomboky manampa-bary hordea gn'olo iaminio. 10 Bakeo i Rizpa, anak'ampelan'i Aia, nangalaky fisaogna sady navelatsiny zany ho an-gny vatany teo amin-gny am-bohitsy mariniky faty rey eo, nanomboky tamin-gny masa-bokatsy zisiky naha avy gny fotoa fiavian-gny ora teo amin-drozy reo avy agny an-dagnitsy. Tsy nenkeny hitolo faty reo gny voro amin-gny antoandro voho gny alika amin-gny matognaly. 11 Nambara an'i Davida gny raha nataon'i Rizpa, anak'ampelan'i Aia, valy andevon'i Saoly. 12 Farany, la nandeha Davida hangalaky taolan'i Saoly voho Jonatana anakilahiny tamin-gny lehilahin'i Jabesigileada, nangalatsy taola reo tan-kianjan-gny olomaro ta-Beti-sana agny, tamin-gny nagnantognan-gny Filistina an-drozy lafa baka namono an'i Saoly ta-Gilboa ao rozy. 13 Nalan'i Davida hiala ao gny taolan'i Saoly vohotaolan'i Jonatana anaky lahy, sady miarak'amin-gny taolan'olo fitolahy nahanto rey avao koa rozy reo. 14 Nalevin-drozy tan-tanan'i Benjamina tany Zela ao gny taolan'i Saoly voho Jonatana anany, tao amin-gny lolon'i Kisy babany. Nataon-drozy iaby raha nampanaovin-gny mpanjaka an-drozy. La namaly gny hatakin-drozy Ndranagnahary ho an-gny tany io. V 15 Bakeo reo Filistina la nandeha nialy amin' Israely ndraiky. Farany la nandeha Davida miarak'amin-gny mpialiny reo hialy amin-gny Filistina rey. Vozaky gny aly Davida. 16 Fa nagniry hamono an'i Davida avao koa iaminio Jisbibenoba tarihan'i Refaita, mana lefo bevata mavesatsy zay ie, telonjato sekely gny lanjany, mana meso bevata vao zay koa ie. 17 Nefa Abisay anak'i Zeroia igny nagnavotsy an'i Davida nanafiky Filistina reo vo namono gnazy. La nifantafanta amin'i Davida amizay lehilahiny reo hoe: " Tsy tokony handeha hialy sasy iha fa nanjary mamono gny jiron' Israely, fa engao avao zahay handeha". 18 La nisy aly ndraiky tamin'i Filistinareo tao Goba ao lafa baka vinonon'i Sebeka Hosatita igny safa tarik'i Refaita. 19 La nisy aly ndraiky tamin'i Filistina reo tao Goba ao, zay namonoan'i Elanana anakilahin'i Jare Betlehemita an'i Goliata Gatita, manahaky gny vodi-tenon-gny lefo hafahafa igny . 20 Sady tamin-gny aly hafa tao Gata la nisy johary bevata nana rantsa-tana eny isany gny tanany sady rantsan-tomboky eny isany gny tombony, efatr'amby roapolo gny isany. Avy amin-gny taranaky Refaita avao koa ie. 21 Lafa ie ro natoro an' Israely reo, la vinonon'i Jonatana anakilahin'i Semea ralahin'i davida ie. 22 Reo gny tarik'i Refaita tao Gata ao, fe vinonon'i Davida noho maramilany reo ie.