Toko faha 20

1 Somary nisy olo mpagnorontaky zay tamin-gny toera io eo, Seba gn'agnaran'i anakilahin'i Bikry, Benjamina ie. Nitsioky antsiva ie ro nivola hoe; " Tsy mana anjara amin'i Davida ao tsika sady tsy mahazo lova bakamin-gny anakilahin'i Jese io ao. Engao gny johary iaby iaby holy an-tragnony agny" 2 Farany le nienga an'i Davida gny joharin' Israely iaby, la nagnoriky an'i Seba. Nefa gny vahoakin'i Joda, nipitiky avao nagnaraky mpanjakan-drozy io bak'a-Jordana agny zisiky a-Jerosalema ao. 3 Lafa Davida ro niavy amin-gny fanjakany a-Jerosalema ao, nalany valy andevo folo nataony mpiamby tragno fanjakany io rey napetrany amin-gny tragno raiky embena zay ao. Nameany an-drozy ze raha ilan-drozy iaby fa ie ro fa tsy niharo firoroa amin-drozy. Hiniliny ao avao ampela reo zisiky nahafaty an-drozy, la gn'ataon-drozy olo tsy manam-baly io. 4 Ka hoy mpanjaka tamin'i Amasa hoe: " Avorio agnatin-gny telo andro gny lehilahin'i Joda sady tsy maintsy eto koa iha" 5 Lasa amizao Amasa namory gny joharin'i Joda, fe la nandilatsy andro tinognon'i mpanjaka igny gny andro namoriany an-drozy. 6 Ka hoy Davida tamin'i Abisay: " Hanao raty antsika mandilatsy gny nataon'i Absaloma amintsika Sela anakilahin'i Bikry. Andeso henanikio avao mpiasako reo voho maramilako reo ka ihagnonareo io tany mbo tsy mahita tana hietahany ka tsy ho hitan-tsika." 7 La nandeha nagnea gnazy joharin'i Joaba reo, voho Karetita miarak'amin'gny Peletita noho olo mpialy mahery rey iaby. Nienga bak'a-Jerosalema ao rozy fa hagnea an'i Seba. 8 I rozy avy amin-gny vato a-Gebeona ao zay ie, ingy Amasa nanegnategna an-drozy. Fa vinolan'i Joba avao ie mikasiky akanjo fialia misy santira voho misy fasia meso bevata igny ie. Ka lafa rozy nandeha, latsaky meso igny. 9 Zao amizay gny nataon'i Joaba tamin'i Amasa hoe:" Salama va koahy iha io ralahy? " La nirambesin'i Joaba am-pitiava tamin-gny tagnany amkavana gny volombavan'i Amasa la norofany. 10 Tsy hain'i Amasa iaminio fa misy meso kelikely an-tagnan'i Joaba an-kavia. Tinombok'i Joaba meso igny Amasa la an-troky, la nivoraky an-tana eo gny tinainy; maty Amasa. Lasa amizao joaba voho Abisay nagnea an'i Seba. 11 Niegny tamin'i Amasa eo gny raiky amin'gny joharin'i Joaba reo, la izao gny nataony hoe: " Ze tea gn'an'i Joaba voho davida, engao hagnoriky an'i Joaba agny". 12 Nangalaky gn'ainy tagnivon-dala eo Amasa. Ka lafa nihitan-gny lihy io fa nijano gn'olo iaby, nafindrany lavitsy Amasa. Nampisa farany siky ie fotony hainy fa ze olo manday mbeo tseriky ka mitsanga eo tse. 13 Bakeo amizay, lasa gny lelahy iaby iaby hagnea an'i Seba ka nisondry amin'i Joaba. 14 Hondiky Seba toy la namijabija fokon' Israely reo mba-Abela ta-Beti-maka, mbeo voho eran-gny tamin-gny Berita igny, nefa le nila gnan'i Seba koa rozy. 15 Ela gn'ela ka tratsy ie la natao arosaro ta-Abelan-gny Beti-maka ao. Nanondrotsy tovo-tany raiky alohany vala teo amin-gny tana rozy reo. Gny tafika iaby zay nagnaraky gnan'i Joaba la nandrava gny vala mba hampitonta zay. 16 Bakeo La nisy ampela raiky zay nitoretoreo bak'antana ao hoe: " Janjigno, mba janjigny lahy, Joaba a! Mandehana eto agnilako mba ho afaky hisafa agnaminao zaho." 17 La namonjy gnazy Joaba, ka hoy ampela igny hoe: " Iha va Joaba io? " Ka hoy Joaba: " ee, zaho toy." Fa hoy ampela igny hoe: " Mba janjigno volan'i mpiasanao toy zao". Mijanjy zaho", hoy Joaba. 18 Ka hoy ampela igny: " Manao an'izao gny fivola gnan'olo taloha hoe: " Mila hevitsy amin'i Abela agny, fa zay ro hampiegny porobolemo toy. 19 Tana raiky farany gny milamy amin-gny tanin' Israely gny misy anay. Mieritseritsy iha henanio fa hanimba tana raiky bevata amin' Israely eto. Nagnino iha mihina lovan' Yaveh io? 20 Ka namaly Joaba hoe: " Sagnatria, sagnatria, tsy hanimba zao na hihina. 21 Tsy marina zao. Misy lelahy raiky zay bakamin-gny tany Efraima agny, Seba gn'agnarany, anakilahin'o'i Bikry ie, minehaneha ie fa hialy amin-gny mpanjaka zao. Aboaho ie hoe: " Tapaho lohany laha izay ie." La namonjy olo maro rey egny amizay ampela igny. 22 Nitapahin-drozy vatany gny lohan'i Seba ka nataorakin-drozy amin-gny Joaba eo amizay. La nitsioky antsira amizay ie ka niala tana io lehilahin'i Joaba reo iaby ka lasa namonjy gny tragnony. Nimpoly a-Jerosalema agny Joaba, ho amin-gny mpanjaka agny. 23 Sefon-gny mpialin' Israely reo moa joaba, Benaia anakilahin'i Joiada koa sefon-gny Koretita voho Paletita reo. 24 Adorama koa gny sefon-gny lehilahy nampiasa tsy an-tsitra-po reo, Josafata anakilahin'i Ahilada gny mpitanjaky drala. 25 Seva gny mpanora-dilin-drozy, Zadoka voho Abiatara ro mpisoro. 26 Ira jairita igny gny mpagnomea hevitsy an'i Davida.