Toko faha 19

1 Nambara an'i Joaba fa hoe tomagny sady misaora gnan'i Absaloma gny mpanjaka. 2 Lasa nisaona iaby koa tafiky rey lafa nahare fa hoe misaona gnan'i Absaloma anakilahiny gny mpanjaka. 3 La niala tana io moramora maramila rey tamin'andro io avao, le gn'ataon-drozy olo rey baka nilay rey. 4 Nilomboky mpanjaka igny ie ao sady matin-tagny mare ka zao gny nataony: Absalomako o, anako o! " 5 La nilitsy an-tragnon-gny mpanjaka ao Joaba ka la nivola tagnaminy hoe: " Nagnala baraka maramilanao reo iha nefa rozy nagnavotsy gnanao noho gn'anakao voho gny valinao miarak'amin-gny valin'andevonao reo". 6 Fotony teanao mare gn'olo malay gnanao voho hataonao gn'olo tea gnanao. La aseahonao raha zay androany fa hoe tsy misy dikany aminao olo kapiteny voho maramila retia. Magnenky fa laha Absaloma ro nivelo nefa olo iaby retia nimaty, ho nazoto gn'ainao, la nisinisiny. 7 Ka mitsangana iha, miboaha ka volagno moramora maramilanao reo. La mahasaky mifanta amin'i Yaveh aho fa laha ro tsy miboaky, tsy misy olo hijano zao gn'eto iandrozny haly. Ho raty mare mandilatsy gny loza iaby ze niseho taminao liany nahatanora gnanao zay. 8 La nitsanga mpajaka igny, la nipetraky ambavahadin-gny tana io eo, la nivolagny amizay vahoaky reo hoe: " Fa mipetraky ambavahadin-gny tana aroa any mpanjaka igny, la vinonjin-drozy tao ie. Niala amizay Israely rey, samby noly namonjy gny tragnony iaby koa gn'olo. 9 Nialy hevitsy mikasiky fokon' Israely reo koa gny vahoaky teo iaby hoe: " Nagnafaky antsika tantagnan-gny mpagnenjiky eo gny mpanjaka, sady la nagnavotsy antsika tantagnan-gny Filistina eo, fe nandositsy ie henanikio nohon-gny gn'amin-gny Absaloma avao. 10 Absaloma anefa fa nimaty tagn'aly agny nefa ie nataontsika hoe mpanjaka. Ka nagnino amizay nareo tsy nivola amin-gny fampimpolia gn'an'i mpanjaka io ?" 11 La nagniraky tamin'i Zadoka voho Abiatara mpisoro igny agny Davida mpanjaka hoe: " Volagnonareo gny oloben-gny Joda hoe: " Nagnino nareo farany amin-gny fampimpolia mpanjaka io amin-gny fanjakany agny io, nefa fa mazava soa gny volan-gny Israely reo fa magnenky gny hampimpolia mpanjaka io amin-gny tragno fanjakany agny. 12 Longoko nareo, foetsiko sady taolako. Nefa nagnino la nareo koa ro farany amin-gny fampolia mpanjaka igny? 13 Volagnonareo Amasa hoe: " Tsy foetsiko va iha sa tsy taolako? Mahitaky Ndranagnahary laha tsy kapiten-gny mpialiko reo amin-gny misy gnan'i Joaba iha manomboky androzny. 14 La niazony am-po soa olon'i Joaba reo. Nagniraky nagn'amin-gny mpanjaka rozy hoe: " Mimpolia iha voho olonao reo iaby." 15 La nimpoaly mpanjaka igny, la niavy tamin-gny Jordana eo. Nitsena gnazy gny vahoakin'i Joda ka niamby gnazy ta-Gilgala eo, la nandesin-drozy mpanjaka igny hiranga gnan'i Jordana. 16 Simey, anakilahin'i Gera Benjamita igny iaminio la nijotso kalaky fa hanegnategna mpanjaka zao koa. 17 Nisy olo arivo raiky koa gny nisondry aminy bak'a Benjamina ao, voho Ziba mpiasan'i Saoly noho anany folo limy amby lahy rey koa miaraky amin-gny mpanompony roapolo, nisondry aminy iaby reo. Niranga gnan'i Jordana rozy; eo mpanjaka igny aminio. Niranga an'i Jordana rozy mba handay longon-gny mpanjaka reo sady hanao ze raha hain-drozy fa soa. Nihohoky tamin-gny mpanjaka eo tse Simey, zay vo niranga an'i Jordana. 19 Zao gny nataon'i Simey tamin'i Mpanjaka hoe: " Ka elofanao aho mpanjaka ndra i ro nanao heriloha aminao aho tamin-gny fialanao baka Jerosalema ao igny. Mangataky aho mpanjaka, engao agny lahy zay fa ka tiarovy sasy. 20 Fa hain-gny mpiasanao reo fa nagnota aho, ka zay gn'antony niaviako voalohany amin-gny tarik'i Josefa reo androany aminao eto io mba hanegnategna gnanao." 21 Fa namaly gnazy moa Abisay anak'i Zeroia hoe: " Maeva gnan'i Simey gny vonoa laha izay ie, fotony nagnozo olo nihosoran-Dranagnahary io ie. 22 Ka hoy Davida: " Mpi-ino moa tsika io, anakilahin'i Zeroia tia, mahatonga anareo hanohitsy gnahy io? Tokony hisy johary ho vonoa va gn'amin' Israely eto iandroany? Tsy fa haiko va fa zaho ro mpanjakan' Israely henanizao?" 23 La nivola tamin'i Semey mpanjaka io hoe: " Tsy ho maty zao iha". La nampatoky gnazy avao mpanjaka igny. 24 Nanegnategna gny mpanjaka koa Mefiboseta anakilahin'i Saoly. Tsy nanasa gny tombony ie, tsy nalany ndra gny volombavany ndra gny sikiny tsy sinasany iaby liany nandehanan-gny mpanjaka zisiky niaviany. 25 Lafa nihitan'i mpanjaka igny ie, la vinolany hoe:" Nagnino iha tsy nisondry agnamiko io? 29 " Nagnino iha magnazava raha maro manahaky anizao io",hoy mpanjaka igny taminy. ' Fa nanampan-kevitsy aho fa nareo amin'i Ziba ro hizara baino reo." 30 Ka hoy Mefiboseta namaly an'i mpanjaka hoe:" EKa ,engao ho gn'azy iaby ndray, fa mpanjaka io fa niavy soa an-tragnony ato." 31 Barzilay Gileadita igny koa nijotso baka Rogelima ao mba handika gnan'i Jordana miaraky amin'i mpanjaka, la nagnasitsy gnan'i mpanjaka nandika an'i Joradana ie. 32 Olo tena fa antitsy Barzilay io, valopolo tao ie. Fa nagnome raha an'i mpanjaka ie tamin'ie mbo nipetraky ta-Mahanaima ao igny fotony olo mpagnarivo faratampony ie. 33 Zao gny nataon'i mpanjaka igny tamin'i Barzilay:" Ndao tsika hisondry amiko fa ho velomiko an-Jerosalema agny iha". 34 Fa hoy Barzilay namaly gnazy: " Fa firy andro moa gny sisa hivelomako an-tany eto ka handesinao miakatsy a-Jerosalema agny aho?" 35 Fa valopolo tao aho henanio. Mbo mahay magnavaky gny raty voho gny soa va aho. Mba mahafihina sa maha-finoman-drano avao va gny mpanomponao? La mbo hohaiko va gny magnavaky gny feon-dehilahy amin-gny feon'ampela mihira? Ka la mbo ho enta mavesatry ho anao koa lahy aho mpanjaka? 36 Ta-hisondry aminao handika an'i Jordana avao gny mpiasanao lahy. Nefa nagnino iha mbo mamaly hatea gnahy avao io? 37 Engao lahy aho holy mba ho maty an-tanako agny fa mba mariniky gny lolon-gny babako voho reniko aho laha agny. Inty koa mpiasanao raiky atao hoe Kimama igny, ampidondreo aminao ie, la ataovo aminy ze raha hainao fa soa aminao." 38 La namaly mpanjaka igny hoe; " Eka, hisondry amiko Kimama sady la hataoko aminy ze raha hainao fa soa, ka ndra la ino gny raha irina amiko, la hataoko vatany zay ho gnanao." 39 Lasa amizao gny vahoaky voho mpanjaka igny nandika an'i Jordana, la norofan;i mpanjaka igny Barzilay sady nitsofiny rano. Bakeo noly an-tragnony agny ie. 40 La nandalo mba-Gilgala mbeo mpanjaka igny, nisondry aminy avao Kimama iaminio. Mpialin'i Joda reo iaby , nanday an'i mpanjaka voho gny ambakimiran-gny mpialin' Israely reo. 41 Tampotampoky eo avao la niavy nagnotro an'i mpanjaka eo iaby gny joharin' Israely vo nivola tamin-gny mpanjaka rozy hoe: " Nagnino joharin'i Joda reo nangalatsy nanday anao nandika an'i Jordana io vo gny joharin'i Davida iaby koa nisondry aminy? 42 La namaly joharin'i Israely rei gny joharin'i Joda hoe: " Zahay ro mariniky mpanjaka io mare. Ka ino mampasiaky anareo amin'izay io? Zahay va fa nanday gny raha vinilin-gny mpanjaka? Sa nagnomea raha anay ie? 43 Ka zao gny navalin-gny lehilahin' Israely an-drozy hoe: " Mana foko folo ifankahazoanay amin-gny mpanjaka zahay, dikan'izay zahay ro tena mifankahazo aminy mare. Ka nagnino tsy asianareo dikany io? Tsy hevitsy bak'aminay va nimpolian-gny mpanjaka amin-gny fanjakany io eo o, zay vo nahare nareo? Somary henjan-kenja gny fivolagnan-gny lehilahin'i Joda reo tany gn'an' Israely reo