Toko faha 9

1 Hoy Izy taminjareo hoe: "Zakeko amindreo marina tokoatra, fa misy amindreo izegny mitsangana aketo no tsy hagnandragna izany fahafatesana izay alohany hahitanjareo ny fanjakan'Andriamanitra izegny ho avy amin'ny hery lehibe." 2 Ary enina andro taty afara, de nindesin'i Jesosy niaraka taminanjy i Petera sy Jakoba ary Jaona tagny an- tendrombohitra ambo, ary zareo reka no takagny. Avy teo de nivadika terehy takeo amasonjareo Izy. 3 Nanjary nangilangilatra no sady madio, ary fotsy mioatra ny raha fotsy indrindra taketo ambony tany ny lambany. 4 Avy takeo Elia sy Mosesy nivoaka taminjareo, de nikorana tamin'i Jesosy zareo. 5 Petera namaly ka nizaka tamin'i Jesosy hoe: "Raby ô, tsara raha mibodika aketo ansena, ka andô hagnano tragno tanty telo, ny reka ho Anao, ny reka ho an'i Mosesy, ary ny reka ho an'i Elia." 6 ( Fa tsy fantany izegny tokony ho zakena, satria nataotra mafy zareo.) 7 Nisy rahona tonga ka nanarogna anjareo. Ary nisy feo nivoaka avy takô agnatin'ny rahona hoe: "Ity no Zanako tiako. Mitonoà Ananjy." 8 Tampoka takeo, ndreka nizaa ny magnodidigna zareo, de tsy nahita na zovy na zovy koza, ankoatran'i Jesosy. 9 Ndreka nandrorogna avy tagny an-tendrombohitra zareo, de norarana mafy mba tsy hizaka na aminjovy na zovy ny raha jiaby hitanjareo, raha tsy efa mitsangana amin'ny maty ny Zanak'Olona. 10 Ary de nitananjareo izany zaka izany, nefa nifagnadina zareo ny amin'ny mety ho dikan'izany "fitsanganana amin'ny maty" izany. 11 Nagnadina Ananjy zareo hoe: "Nawana zareo mpitondra fanajakana no magnambara fa tsy mentsy ho avy alohan'ny fotoana i Elia?" 12 De hoy Izy taminjareo hoe: "Efa tonga voalohagny Elia hagnarina ny raha jiaby. Ary nawana no voasoratra fa ny Zanak'Olona de hijaly mafy amin'ny raha maro ary hatô kara ny olona tsy misy dikany? 13 Nefa zakeko amindreo fa efa tonga Elia, ary natôn'ny olona aminanjy izegny miniminim-pony, araka izegny efa vozakan'ny Soratra Masina momba ananjy." 14 Ary ndreka nierigna takeo amin'ny mpianantra zareo, de naita olo-maro nagnodidigna anjareo ary zareo mpitondra fanjakana niady hevitra taminanjy. 15 Raha vô nahita an'i Jesosy zareo, de gaga ny vaoaka jiaby ary ndreka nihazakazaka nagnatona Ananjy zareo de nifagnontsafa taminanjy. 16 Nagnandina anjareo mpianany Izy hoe: "Momba ny ino no raha hiadiandreo hevitra aminjareo?" 17 Ary nisy reka tamin'ireo vaoaka namaly Ananjy hoe: "Mpampianatra o, nindesiko ho aketo Aminô ny zanako lilahy. Misy fagnahy ratsy tsy mampizaka ananjy izy. 18 Manambotra ananjy ka mandavolavo ananjy ary mampandoa vory ananjy, mikatri-nify izy, ary manjary mifanintogna. Nangao taminjareo mpianatrao ny tegnako mba hamoaka izany hiala aminanjy, kanefa tsy vitanjareo izany." 19 Ary namaly anjareo Izy hoe: "Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hibodiako aketo amindreo? Mandra-pahoaviana no handiferako amindreo? Andeso aty Aminay izy." 20 Ary nindesina takeo Aminanjy ilay zaza lilahy, ary ndreka vô nahita an'i Jesosy ilay fagnahy ratsy, de nampifanintosintona ananjy izany. Lavo tamin'ny tany ilay zaza lilahy ary namory ny ranovavany. 21 Jesosy nagnadina ny iabany hoe: "Letr'oviana no naha karan'izô ananjy?" Dia hoy ny iabany hoe: "letra izy mbola bitika." 22 Ndrekindreka io fagnahy ratsy io de nandavo ananjy tagnaty afo na tagnaty rano ary nagnano izegny hapotika ananjy. Raha mahè magnano ny raha jiaby Anô, de mamindrà fo aminè ary tahio zehè." 23 Jesosy nizaka taminanjy hoe: "Raha mahè anô? 24 Ny raha jiaby de hain'ny manam-pinoana." Ary niaraka tamin'izegny iaban'ilay zaza de niheka mafy nagnano hoe: "Mino zaho! Tahio zaho amin'ny tsy finoako!" 25 Ndreka hitan'i Jesosy ireo vaoaka nihazakazaka nagnatogna Ananjy, de nizakeny mafy ilay fagnahy maloto ary nagnano hoe: "Ry fagnahy tsy mizaka sy maregnina, mandidy anô Zaho, mivoaha aminanjy, ary aza mierigna midita aminanjy kôza." 26 Nihekeka mafy izany ka nampifanintogna mafy ilay zaza lilahy ary nivoaka avy takeo. Kara olona maty ilay zaza lilahy, ka maro no nizaka hoe: "Maty izy." 27 Fa Jesosy nandramby ny tagnany ka nagnarina ananjy, de nitsangana ilay zaza lilahy. 28 Ary ndreka niditra takô an-dragno i Jesosy, de nagnadina Ananjy zareo mpianany hoe: "Naoana zehè no tsy nahavoaroaka ilay fagnahy ratsy?" 29 Hoy Izy taminjareo hoe: "Ny karan'iregny de tsy afaka roasina raha tsy amin' ny alalan' ny vavaka." 30 Niala takeo zareo ary nandalo tagny Galilia. Tsy tiany ho fantan-jovy na zovy hoe avy teza zareo, 31 fa nampianatra anjareo mpianany Izy. Hoy izy taminjareo hoe: "Ny Zanak'Olona dia hamiana ho an-tagnan'ny olona, ka ho voninjareo Izy. Ary ndreka voavono Izy, de hitsangana amin' ny maty ndreka afaka telo andro." 32 Fa tsy azonjareo io fagnambaràna io, ary nataotra ny agnadina Ananjy zareo. 33 Avy teo de tonga tagny Kapernaomy zareo. Ndreka avy niditra tan-dragno Izy de nagnadina Ananjy zareo hoe: "Ino ny raha nifampikoranandreo tan-dalana?" 34 Fa nangina zareo. Satria niady hevitra tegny an-dalana zareo ny amin'izegny lehibe indrindra. 35 Nitoetra Izy, ary nantsovany niaraka zareo roy ambin' ny folo lahy ary nizaka Izy hoe: "Raha misy magniry ny ho voalohagny, de tsy mentsy farany amin'ny jiaby izy ary ho mpanompon'ny olona jiaby." 36 Nalaka zaza bitika reka Izy ary natôny takeo antegnantegnanjareo. Nibateny tan-tagnany izy ary nizaka taminjareo hoe: 37 "Na zovy an zovy mihevitra ny zaza kara izô amin'ny agnarako, de mihevitra Ananjy koa izy, ary la ôhatra ka misy mihevitra Anay, de tsy mihevitra Anay reka fôgna izy, fa Ilay nagniraka Anay koa." 38 Hoy Jaona Taminanjy hoe: "Mpampianatra o, nahita olona namoaka devoly tamin' ny agnaranô zehè ary niraranè izy, satria tsy magnaraka ansena." 39 Fa Jesosy nagnano hoe: "Aza raràna izy, fa tsy misy olona hagnano asa lehibe amin'ny agnarako nefa bitibitika fôgna afaran'izany de hagnano laza ratsy momba Anay. 40 Na zovy na zovy tsy manohitra ansena, de miaraka aminsena. 41 Na zovy na zovy magnomia rano tasy reka ho sotroinô satria miaraka amin'i Kristy anô de zakeko aminô marina tegnany, fa tsy very ny valin'ny raha nanìny. 42 Fa na zovy na zovy manafintohina ny reka aminjareo mino Anay, de tsara ho ananjy ny agnantognana vato maventy fikoseham-bary mifatotra amin'ny ambozogny ary havarigna agny an-dranomasina. 43 Raha ny tagnano no mahatonga anô ho tafitohina, tapaho izany. Fa tsara aminô ny miditra manan-kilema agny amin'ny fiegnana tahatry managna tagnan-droy ka inga agny amin'ny helo, agny amin'ny afo tsy maty vonina. 44 [Fagnamarinana: Ny fandikana tegna tsara de tsy magnatô ny fehezateny akô amin'ny andininy 44 sy 46 hoe: Izegny tsy mety maty ny ankagna akô amin'izany ary ny afo de tsy ho faty mandrakizegny.'"] 45 Raha ny ongonô no manafintohina anô, de tapaho izany. Tsaratsara aminô ny miditra misy kilema agny amin'ny fiegnana tahatry managna ongotra roy ka hariana agny amin'ny helo. 46 [Zaano ny fagnamarinana akô amin'ny andininy 44] 47 Raha ny masonô no manafintohina anô, alao hiala izany. Tsara aminô ny miditra ny fanjakan'Andriamanitra miaraka amin' ny maso tokana tahatry maso roy ka hariana agny amin'ny helo, 48 agny amin'ny toerana izegny tsy mahafaty ny ankagnanjareo, ary ny afo tsy maty vonina. 49 Fa ny olona jiaby de samy masina amin'ny afo. 50 Tsara ny sira fa raha ny sira no manjary tsisy tsirony, de awana no hahafahanô magnamasina ananjy dreka? Atovy sira akô amindreo, ary mihavàna amin'ny tsirekireka."