Marka toko faha 8

1 Tamin'izany andro zany, de nisy vaôka maro be ndreka, ary tsy nanagna ra-oanina zarô de nagnantso ny mpianatra Jesosy ary nizaka taman-jarô hoe: 2 "Mampalaelo Anà vaôka togna, satria efa telo andro zariô nanoy nagnaraka Anà ary tsy nanagna ra-oanina. 3 Raha aseko mande mody agny andragnony tsy omana zarô de mety ho toragna anketogna. Ny sasagny aman-jariô de avy agny alavitra be." 4 Namaly Anazy zarô mpianatra hoe: "Akeza haitan-tsena mofa ampy avoky vaôka maro be togno aty an-tany foagna aty?" 5 Nagnontany an-jarô Izy hoe: "Firy ny mofo anagnanarô?" Hoy zarô hoe: "Fito" 6 De nangnasa ny vaôka mba itoetra amin'ny tany Izy. De nirambaziny ny mofo fito, de nisôtra Izy, ka notapainy io. De natolony ny mpianatra zegny mba ho zarain-jarô amin'ny vaôka, ary napetrakan-jarô tiô aloan'ny vaôka zany. 7 Ary mbola nanagna lôkan-drano vitsy hiany koa zariô, ka rehefa avy nisôtran'ireo Izy, de nagnasa ny mpianatra mba handroso izany koa Izy. 8 De nihinana zarô ka voky, ary nalen-jarô ny ambiny tavela, de nafeno fito tanty be 9 Mety ho efatr'arivo tiȏ ny olona tamin'izany. Avy tiȏ de tonga de nalefany nody zarȏ. 10 De niakatra tan-dakana bitika niaraka taman-jarȏ mpianany Izy, ary nandeha ho agny amin'ny faritr'i Dalmanota zariȏ. 11 De nivoaka zarȏ fariseo ary nanomboka nifagnolagna taminy. Niaragna famantarana avy akagny an-dagnitra tamin-jarȏ, mba izahanana fagnahy Anazy. 12 Nisento laligna tagny amin'ny fagnahiny Izy ary nizaka hoe: "Nahȏna no miaragna famantarana ity taranaka ity? Nefa zakeko amin'ariȏ marina, fa tsisy famantarana omena ity taranaka ity." 13 Avy tiȏ de niala taman-jarȏ Izy, de niakatra tao an-dakana bitika ndreka, de niala lavitra ho agny agnilany. 14 Ary adignon'ny mpianatra nitondra ny mofo niaraka taman-jarȏ. Tsy nanagna mihotra ny reka zariȏ takȏ agnaty lakana. 15 De namepetra an-jarȏ Izy ka nizaka hoe: "Membena ary mitandrema amin'ny zava-drasin-jarȏ Fariseo sy ny teti-drasin'i Heroda." 16 De nifagnontany tegna ny mpianatra hoe: "Nony antsena tsy managna mofo zany." 17 Fantan'i Jesosy zany , de hoy Izy tamin-jarȏ hoe: "Nahȏna no amin'ny tsy fanagnana mofo ny fandinian-driȏ? Mbola tsy azon-driȏ va? Mbola tsy takan-driȏ va? Nanjary dora va ny fon-driȏ? 18 Managna maso an-driȏ, fa tsy mahita angaa? Managna tadigny koa anariȏ, fa tsy maregny raha nga? Tsy tadidin-driȏ mȏ va? 19 Rehefa nanapaka ny mofo dimy hohan'olona dimy arivo Zao, de tanty firy no feno ambiny mofo nangonin'ariȏ?" Hoy zariȏ taminy hoe: "Roeambifolo." 20 Rehefa nanapaka ireo mofo fito ho an'olona efatr'arivo Zao, firy tanty ny ambiny nangonin-driȏ?" Hoy zariȏ tamin'ny hoe: "Fito tanty." 21 Ary hoy Izy hoe: "Mbola tsy fantan-driȏ se mȏ va?" 22 Tonga tagny Betsaida zariȏ. Ary nisy jamba reka nindon'olona takiȏ amanazy ary nengavin-jarȏ Jesosy mba hikasika anazy. 23 Nindon'i Jesosy tamin'ny tagnany lay jamba, ary nitondra anazy hivôka ny tanàna. Rehefa nadrora tiô amin'ny masony Izy ary nametraka ny tagnany tiô amanazy, de nagnadina anazy Izy hoe: "Mahita raha amin'izegny anô a?" 24 De nidraka izy, ka nizaka hoe: "Mahita olona kara kakazo mandende zao.'' 25 Napetrak'i Jesosy tiô aminy masony ndreka ny tagnany, ary nabagnany lilay ny masony de niverigna tamin'ny lôniny ny fahitany, ary nahita mazava tsara ny raha rehetra izy. 26 De nalefan'i Jesosy nody izy ary nizakeny hoe: "Aza miditra akô an-tanàna." 27 Nandea nivoaka Jesosy sy ny mpianatra hoagny amin'ny tanànan'i Kaisaria Filipo. Tegny anketogna de nagnontany an-jariô mpianany Izy hoe: "Hatôn'olona jovy mô Zao?" 28 Namaly Anazy zariô ka nizaka hoe: "Jaona mpagnano batisa. Ny hafa nizaka hoe: "Elia" ary ny hafa hoe: "Reka aman-jarô mpaminagny," 29 Nagnotany an-jarô Izy hoe: "Fa anarô koza magnano Anà ho zovy?" De namaly Anazy i Petera hoe: "Anô no Kristy." 30 Nampitandrina an-jariô Jesosy tsy izaka ny momba Anazy na ama-jovy na aman-jovy. 31 Nanomboka nampianatra an-jarô Izy fa tsy simentsy hijaly ny Zanak'olona, ary tsy eken'ny loholona sy ireo lohan'ny mpisorogna ary ny mpitondra fanjakana, ary ho voniny, ka hitsangana amin'ny maty afaka telo andro. 32 Nozakeny mazava tsara zany. Avy tiô nantsovan'i Petera mangingigna Jesosy ka nanomboka nizaka mafy Anazy. 33 Nefa nitodika Jesosy de nizaha an-jariô mpianany ary avy tiô Izy de nizaka mafy an'i Petera ka nagnano hoe: "Magnalavira Anà, ry satana! Tsy mba mandinika ny zavatr'Andriamanitra anô, fa ny zavatr'olona." 34 Avy tiô de nagnantso ny vaôka sy ny mpianatra niaraka Izy, ary hoy Izy taman-jarô hoe: "Raha misy te-agnaraka Anà, de tsy maintsy mandà ny vatagny izy, mangalaka ny hazo fijaliana, ary magnaraka Anà. 35 Na zovy na zovy te-angavotra ny egnany de avery an'izany, ary zegny mahavery ny egnany non'ny Amanà sy ny filazantsara, de avonjy anazy izy. 36 Fa ino anefa no tombotsoa azon'ny olona reka, raha mahazo zô ntontolo zô, nefa very ny egnany? 37 Inona no afaka omen'ny olona reka ho talon'egnany? 38 Na zovy na zovy megnatra Anà sy ny ra-zakeko aketo amin'ity taranaka mijangajanga sy ny mpagnano ratsy ity, de omegnatra anazy koa ny Zanak'olona rehefa tonga ao amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amin'ireo anjely masina Izy."