Toko faha 7

1 Zareo Fariseo sy ny fanjakana sasagny izegny avy tagny Jerosalema de tonga nivory nagnodidigna Ananjy. 2 Ary hitanjareo ny mpianatra sasagny nihinana mofo tamin'ny tagnana tsy madio, izany hoe tsy vôsasa. 3 (Fa ny Fariseo sy ny Jiosy jiaby de tsy mba nihinana raha tsy efa avy nanasa ny tagnananjareo , satria magnaraka ny fombafombanjareo loholona.) 4 Ary ndreka niherigna avy tagny abazary zareo Fariseo, dia tsy mihinana zareo raha tsy avy mandro, ary mitandrigna fomba maro hafa tegnandraha zareo, kara ny fanasana kapoaka, sy ny fagnaranana, fanaka varahina, ary ny fandriana izay hinananjareo.) 5 Ireo Fariseo sy ny mpitondra fanjakana nagnadina an'i Jesosy hoe: '"Nawana ny mpianatra no sy nandiaa araka ny fombafombanjareo loholona, fa mihinana ny mofonjareo amin'ny tagnana tsy vôsasa?" 6 Ndrefa hoy Izy taminjareo hoe " Isaia naminangny tsara momba andreo mpiasaravelatsihy. Nosoratany hoe: "Ity vaoaka ity magnaja Anay amin'ny molotra, fa ny fony koza lavitra Anay. 7 Foagna ny fivavahana amianjareo Anay, raha mampianatra ny fitsipik'olombelona mba ho fampianaranjareo.' 8 Navelandreo ny didin'Andriamanitra ka tanandreo mafy ny fomban'ny olona.'' 9 Ary hoy ihany koa Izy taminjareo hoe: '' Kara ino ny fagnarianareo ny didin'Anriamanitra mba hitandremandreo ny fomban-drazagnanareo! 10 Fa hoy i Mosesy: 'Magnajà ny babanô sy ny rininô, ary koa, zegny mizaka ratsy ny abany sy ny reniny dia ho faty tokoatra.' 11 Kanefa andreo mizaka fa: ''Raha misy lilahy reka mizaka ny abany na ny reniny hoe: 'Na ino na ino tianô ho azo avy aminay dia efa Korbana,''' (izany hoe: 'namian'Andriamanitra') - 12 de tsy avelandreo hagnano na ino na ino amin'ny abany sy ny reniny kôza izy. 13 Magnafoagna ny tenin'Andriamanitra andreo noho ny fomban-drazagnanandreo izegny nitanandreo. Ary raha maro mitovy amin'izany koà no atôndreo." 14 Ary nagnanso ny fokon'olona ndreka Izy ka nizaka taminjareo hoe: " Mitonoà Anay, andreo jiaby, ka fanataro. 15 Tsy misy raha avy agny avelagny zegny miditra agnatin'ny olona ka afaka mandoto ananjy ndreka miditra agnatiny. Fa izegny mivoaka avy ao angatiny no mandoto ananjy." 16 [Fagnamarinana: Ny fandikana tegna tsara dia tsy mentsy magnatô ny andininy faha 16: Raha misy manan-tadigny hitonoàna, de ôka izy hiteno.] 17 Ary ndreka niala takeo amin'ny fokonolona i Jesosy ka niditra tan-dragno, de nagnadina Ananjy momba le fanoharana ny mpianany. 18 Hoy Jesosy taminjareo: "Mbola velona amin'ny fahalalana koà megny andreo a? Tsy hitandreo megny fa izegny miditra ao agnatin'ny olona avy agny avelagny de sy mandoto ananjy, 19 satria tsy afaka miditra ao am-pony izany, fa agnaty kibo fôgna de mivoaka amin'ny fivoaany?" Tamin'izany fagnambarana izqny de nagnano ny raanina jiaby ho madio i Jesosy. 20 Hoy Izy: "Izegny mivoaka avy amin'ny olona no madoto ananjy. 21 Fa avy agnatin'ny olona, avy ao am-pony, no ivoaan'ny segna ratsy, ny fahavetavetana, ny halatra, ny vono olona, 22 ny fizangazangana, ny fitsiriritana, ny haratsiam-pagnahy, ny fitaka, ny fizezozezoana, ny fialognana, ny famosana lenga, ny avognavogna, ny hafokàna. 23 Izany raha tsy manjary jiaby izany no mivoaka avy agnatin'ny olona, ary izany no mandoto ananjy." 24 Niala takeo Izy ka ninga tagny amin'ny faritr'i Tyro sy i Sydona. Niditra tan-dragno reka zegny Izy ary tsy tiany ho fantan-jovy na zovy fa takô Izy, nefa tsy afaka nivony. 25 Kanefa niaraka tamin-jegny de nisy viavy reka, izegny nisy fagnahy maloto ny zanagny viavy bitika, naregny ny momba ananjy, tonga, ary nenkohoka teo ankongogny. 26 Ary Grika ilay viavy, Syro-foinika no fiaviany. Nengavy Taminanjy izy mba hamohana ny demonia mba hiala amin'ny zanagny viavy. 27 Hoy Izy taminanjy: "Amiao raanina alonga ny zaza. Satria tsy mety lakoa malaka mofon-jaza ka manipy izany ho an'ny kiva." 28 Nefa namaly izy ka nizaka Taminanjy hoe: "Eka, Tompo, fa na de ny kiva ambany latabatra aza de mihinana ny tavitaviny amin'ny mofon-jaza." 29 De hoy Izy taminanjy: "Noho izqny zakanô izany, afaka minga anô. Efa niala tamin'ny zanakanô viavy ny demonia." 30 Dia ndreka niherigna tagny an-dragnony raviavy de nahita ny zaza nadry takio ambony kitrara, ary ny demonia dia efa niala. 31 Ary nivoaka ndreka i Jesosy ka niala tamin'ny faritr'i Tyro, de namakivaky an'i Sydona hatragny amin'ny Ranomasin'i Galilia ka hatragny amin'ny faritr'i Dekapolisy. 32 Ary nindônjareo takio Aminanjy ny olona reka marignina sady moà, ary nitaregna Taminanjy zareo mba hametrahany ny tagnany aminanjy. 33 Nitondra an-dralilahy nitôkana niala takio amin'ny fokon'olona Izy, de nanefa ny zana-tagnany tagnaty tadigniny Izy, ary ndreka avy nandrôra, de nikasika ny lelany. 34 De nidraka lagnitra Izy, de nisento ka nizaka taminanjy hoe: "Efata," izany hoe: "Maladià!" 35 Ary bitibitika takio de naregny ny tadigniny, ary izegny namatotra ny lelany dia potika ary de afaka nizaka mazava sara izy. 36 Ary Jesosy nandrara anjareo tsy hizaka na amin-jovy na zovy. Kanefa na de niraràna aza zareo, de vômeka nagnaparitaka izany bebe kokoà. 37 De gaga tokoatra ny olona, ka nizaka hoe: "Naniny tsara aby ny raha jiaby. Ny marignina aza natôny naregny ary ny moà mizaka."