Toko faha 10

1 Niala takeo amin'zany toerana izany Jesosy ary ninga tagny amin'ny faritanin'i Jodia sy takegny amin'ny faritra ambanin'ny Reniranon'i Jordana, ary ninga takeo aminanjy ndreka ny vaoaka. Ary kara ny fanìny, de nampianatra anjareo ndreka Izy. 2 De nagnatona Ananjy zareo Fariseo mba hitsapa Ananjy ka nagnadignany hoe: "Azon'ny lilahy aniny mà ny magnombela ny vadiny?" 3 De nizaka Izy hoe: "Ino megny ny raha nasen'i Mosesy nataondreo?" 4 De hoy zareo hoe: "Mosesy de namela ny lilahy reka hanoratra taratasy fagnamarinana fisaraham-panambadiana ary nandefa anjareo avy teo." 5 De hoy Jesosy taminjareo hoe: "Noho ny ditran'ny fondreo no nanoratany an'izany lalàna izany." 6 Fa tagny amboalognany no nagnanovan'Andriamanitra anjareo ho lilahy sy vavy.' 7 'Amin'zany antony izany de hiala amin'ny abany sy ny reniny ny lilahy ka hitambatra amin'ny vadiny, 8 ary hanjary ho vatagna reka my zareo roy.' Ka tsy ho roy koza zareo, fa ho vatagna reka my. 9 Ka izegny natambatr'Andriamanitra de ôka tsy ho sarahin'olombelona." 10 Ary ndreka tafiditra tandragno zareo, de mbola nagnerigna nagnadina mikasika izany ndreka zareo mpianatra. 11 Hoy Izy taminjareo hoe: "Na zovy na zovy lilahy magnombela vady ka mangalaka viavy hafa de mijangajanga. 12 Raha miala amin'ny vadiny ny viavy ka manambady lilahy hafa de mijangajanga izy." 13 Avy takeo zareo de nitondra ny zanakanjareo takeo Aminanjy mba hanifany tagnana, fa nivigniran'ireo mpianatra zareo. 14 Fa ndreka nataka-maso an'izany i Jesosy de vignitra be Izy ka nizaka taminjareo hoe: "Avilè zamadinika hagnatona Anay ary aza sakanana zareo fa ny fanjakan'Andriamanitra de an'ny kara anjareo. 15 Zakeko amindreo marina tegnany, fa na zovy na zovy tsy mihevitra ny fanjakan'Andriamanitra kara ny zamadinika de tsy hiditra akô amin'izany sè izy." 16 Avy teo de nibagnebagneny ireo zamadinika ireo ka nisofiny rano sady nanifany tagnana. 17 Ary ndreka nagnandogna ny diany Izy, de nisy lilahy niazakazaka ka nentongalitra tagnatreany, ary nagnadina hoe: "A mpampianatra tsara, ino no tsy mensy aniko mba handovako ny fiegnana mandrakizegny?" 18 Jesosy nagnano hoe: "Naoana Zaho no ataonao hoe 'tsara'? Tsisy tsara ankoatran'Andriamanitra reka my. 19 Fantanô ny didy hoe: "Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mitsagana ho vavolombelona mamesy, aza magnambaka, hajeo ny abanao sy ny reninao.'" 20 De hoy ilay lilahy hoe: "Mpampianatra o, efa naniko latamin'ny fahatanorako aby raha jiaby izany." 21 Nagnentigna ananjy Jesosy ka tia ananjy. Ary hoy taminanjy hoe: "Misy raha reka tsy ampy akô aminô. Tsy mensy amidinô ny raha jiaby anagnanô ary amiao ny boty izany, de hanagnana fanagnana agny an-dagnitra ano. Ka magnaraha Anay." 22 Fa noho izany fizakana izany de nanjombogna izy ka niala tamin'alahelo, satria nanagna fanagnana marobe tokoatra izy. 23 Nagnintigna ny magnodidigna Ananjy i Jesosy ary nizaka taminjareo mpianagny hoe: "Tegna sarotra ho anjareo mpanagna ny miditra ny fanjakan'Andriamanitra!" 24 De magnana tamin'ny zakany zareo mpianatra. Fa hoy ndreka i Jesosy taminjareo hoe: "Anaka, sarotra ny hidirana akô amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 25 Tsotsotra kokoa amin'ny rameva ny misofoka amin'ny vody filo, tahatra ny hisofoan'ny mpanankariana ako amin' ny fanjakan'Andriamanitra." 26 De mbola magnana ndreka ny mpianatra ary dia nifagnadina zareo hoe: "Zovy andrika no azo vonjena?" 27 Nizaa anjareo i Jesoy ary hoy Izy hoe: "Tsy vitan'olona izany, fa vitan'Andriamanitra anìna." 28 De nagnandogna nizaka taminanjy i Petera hoe: "Zaano, zehè togna de nahafoy ny raha jiaby anagnane ary nagnaraka Anao." 29 Ary hoy Jesosy: "Zakeko marina amindreo, tsisy olona nahafoy ny tragnony, na ny tamboka reka aminanjy, na ny mamany, na ny abany, na ny zanagny, na ny taniny noho ny Aminay, sy ny Filazantsara, 30 ka tsy mahazo in-jato mierigna amin'izô taonjato izô: de tragno tamboka reka, reny, zanaka sy tany, miaraka amin'ny fagnenjehana, ary amin'ny taonjato ho avy, de fiegnana mandrakizegny. 31 Fa maro ny voalognany no hanjary farany, ary ny afara hanjary voalognany." 32 Takegny anketogna zareo, hiakatra ho akagny Jerosalema, ary Jesosy ninga talohanjareo. Magnana ireo mpianatra, ary zareo nagnaraka Ananjy tafara de nataotra. Nantsovan'i Jesosy ho akeo Aminanjy ndreka zareo roy ambin'ny folo lahy ary de nagnandogna nizaka izegny raha hidogna Aminanjy tsy ho ela Izy. 33 "Antegno, miakatra ho akangny Jerosalema ansena izô, ary ny Zanak'olona de hamiana ny mpisorognabe sy ny mpitondra fanjakana. Ho disovinjareo ho faty Izy ary amiana ny Jentilisa. 34 Ireo de hagnaraby Ananjy, handrora Ananjy, handraboka Ananjy, sy hamono Ananjy. Fa afaka telo andro de hitsangana amin'ny maty Izy." 35 Jakoba sy i Jaona, zanak'i Zebedio nagnatogna Ananjy ary nizaka Taminanjy hoe: "Mpampianatra o, tianè raha mba ataonao izegny raha jiaby angatahinè aminô." 36 De hoy Izy taminjareo hoe: "Ino no tiandreo aniko amindreo?" 37 De hoy zareo hoe: "Avilè zehè hiaraka hibodika aminô akô amin'ny voninahitrao, ka ny reka akeo antagnan'ankavananao ary ny reka akeo ankavianao." 38 Fa Jesosy namaly anjareo hoe: "Tsy fantandreo izegny raha angawinareo. Andreo ma afaka misotro amin'ny kapoaka izegny nisotroako na hivandry ny hanìna batisa amin'izegny hagnanovana batisa Anay?" 39 Hoy zareo taminanjy hoe: "Efanè izany." Ary nizaka taminjareo i Jesosy hoe: "Ny kapoaka izegny ho sotroiko, de ho sotroinareo, ary amin'ny batisa izegny agnanovana batisa Anay no hagnanovana batisa andreo koa. 40 Fa izegny hibodika akeo an-tagnako ankavanana na ankaviako koza de tsy miankina Aminay izany, fa izany de ho an'ireo izegny nagnomagnana ananjy." 41 Refa naregny ny momban'izany ireo mpianatra folo hafa, de nagnandogna vignitra be tamin'i Jakoba sy Jaona. 42 Nantsovan'ny Jesosy takeo Aminanjy zareo ary nizaka hoe: "Fantandreo fa ireo zegny eretreretina ho mpifehy ny Jentilisa de mampanompo anjareo ary ny lehibeny mibeko anjareo de magnampatra ny fahefana aminjareo. 43 Fa tsy tokony ho karan'izany ny amindreo. Fa na zovy na zovy magniry ny ho lehibe amindreo dia ôka izy ho mpanompondreo, 44 ary na zovy na zovy magniry ny ho voalohagny amindreo de ôka izy ho andevondreo jiaby. 45 Fa ny zanak'olona tsy tonga mba ho tompoina fa tonga mba hanompo, sy hagnomia ny aigny ho takalon'aigna ho an'ny maro." 46 Tonga takô Jeriko zareo. Ndreka niala ny tanàna niaraka tamin'ny mpianany sy ny vaoaka marobe Izy, ny zanak'i Timeo, Bartolomeo, izegny mpangataka sady tsy maita, nitoetra takeo amoron-dalana. 47 Ndreka naregny izy fa i Jesosy avy agny Nazareta izany, de nagnandogna nihekeka mafy izy ary nizaka hoe: "A Jesosy Zanak'i Davida a, mandifera aminay!" 48 Maro no nizakazaka an'ilay tsy maita, nizaka taminanjy mba hangina. Fa vomeka nihekeka mafy izy hoe: "A Zanak'i Davida a, mandifera aminay!" 49 Nibodika i Jesosy ary nampagnantso ananjy. Nantsovanjareo ilay tsy maita, ary nizakany hoe: "Mahereza! Mitsangàna! Magnantso ano Izy." 50 Nariany ny lambany, ary nitsangana izy, ka ninga takeo amin'i Jesosy izy. 51 De namaly ananjy i Jesosy ary nizaka hoe: "Ino no tianô aniko aminô?" Hoy ilay lilahy tsy maita hoe: "Raby o, te-hibagna zaho." 52 Ary hoy Jesosy taminanjy hoe: "Mingà. Ny finoanô no nahavonjy anô." De nibagna niaraka tamin'izegny ny masony, ary nagnaraka an'i Jesosy takegny an-dalana izy.