Toko faha 11

1 Ary raha ninga tagny Jerosalema zareo, de nagnakeky an'i Betifaga sy Betania, agny an-tendrombohitra Oliva, ary Jesosy nagniraka roy taminjareo mpianany 2 ary nizaka taminjareo hoe: "Ndena minga amin'iry tanàna bitika alohansena iry. Raha vô tafiditra akô andreo, de aita zana-boriky reka mbôla tsy nidiban'olona. Vahao izy de andeso aty Aminay. 3 Raha misy olona mizaka amindrio hoe: 'Nawana andreo no magnano an'izô?' De zakeo hoe: 'Misy ilàn'ny Tompo ananjy fa aerigna malady aty izy avekio." 4 Ninga nivoaka zareo de nahita zana-boriky reka nifatotra takeo avelagn'ny varangaragna reka takio amoron-dalana, ary nivaanjareo ny tadiny. 5 Nisy olona hafa nisangana takio ary nizaka taminjareo hoe: "Ino raha anindrio, mamaha zana-boriky io?" 6 De nizakendjareo taminjareo ny zakan'i Jesosy taminjareo, ary navelan'olona ninga tamin'ny lalany zareo. 7 Ary nindesinjareo mpianatra roy lahy takeo amin'i Jesosy ny zana-boriky de natôny takeo ambon'izany ny lambanjareo ka afaka nideba an'izany i Jesosy. 8 Maro ny olona namelatra ny lambany tegny an-dalana, ary ny sanagny koza namelatra tagnantagnan-kakazo izegny avy nitapahiny avy tagny agnaty ala. 9 Izegny ninga talôa sy izegny nagnaraka Ananjy de nagnantsoantso hoe: "Hosana! Deraina ilay tokana avy amin'ny agnaran'ny Tompo. 10 Deraina ny fanjakana ho avin'i Davida iabansena! Hosana ho an'ny agnambo indrindra!" 11 Avy teo Jesosy niditra takô Jerosalema ka ninga takeo an-tokontanin'ny fengonana ary nizaazaa ny raha jiaby. Ary, niahalina ny andro, de namantagna tagny Betania Izy sy zareo roy ambin'ny folo lahy. 12 Ny andro nagnaraka, ndreka nierigna avy tagny Betania zareo, de refogna Izy. 13 Ary naita kakazo aviavy reka nandrobogna avy taràgna lavidavitra, dia nagnatona Izy mba hizaa raha misy isiny takeo aminanjy, ary ndreka ninga takeo amin'zany Izy, de tsy naita na ino na ino afa-tsy raviny fogna, fa tsy mbola tsy taom-pamoazan'ny aviavy tamin'io. 14 Ary Izy nizaka tamin'izany hoe: "Tsy hisy hihinana isiny avy aminô kôza mandrakizegny." Ary regnin'ny mpianany izany. 15 Ninga tagny Jerosalema zareo, ary niditra takeo an-tokontanin'ny fengonana Izy ary nentomboka nanora ny mpivarotra sy ny mpivanga jiaby takô. Naongagny ny latabatranjareo mpanakalo vola sy ny sezanjareo mpivarotra voromelala. 16 Tsy nambela na zovy na zovy hitôndra raha azo amidy takô an-tokontanin'ny fengonana Izy. 17 De nampianatra anjareo Izy ka nizaka hoe: "Mà tsy efa voasoratra hoe: 'Ny tragnoko dia ansôvana hoe tragno fivavahana ho an'ny firenena jiaby?' Nefa natôndrio lavaka fivonian'ny mpangalatra." 18 Regnin-jareo lohan'ny mpisorogna sy ny mpitondra fanjakana izegny raha nizakeny, de niaragna fomba hamomoana Ananjy zareo. Kanefa nataotra Ananjy zareo satria ny vaoaka jiaby de gaga tamin'ny fampianarany. 19 Ndreka alina ny andro, de niala tan-tanàna zareo. 20 Ary ndreka ninga zareo ny mandrena, de naita ilay kakazona'aviavy nalazo ambam-bahany. 21 Ary Petera nahatsiaro ka nizaka hoe: "Raby o, zaano! Nalazo ilay aviavy nozogninô." 22 Jesosy namaly anjareo hoe: "Manàgna finoana an'Andriamanitra. 23 Zakeko amindrio marina tokoatra fa na zovy na zovy mizaka amin'ity tavirana ity hoe: 'mitsanagàna ka milavoà agny an-dranomasina,' ka lakoa tsy misy fisalasalana agnaty fony fa mino fa hitranga aminanjy izegny nizakeny, de karan'izany no atôn'Andriamanitra. 24 Noho izany de mizaka amindreo Zaho hoe: "amin'zegny ivavandrio sy angatahindrio jiaby, minoa fa efa nahazo izany andreo, de ho azondreo izany. 25 Ndreka mitsangana sy mivavaka andreo, de tsy mensy mamela izegny alaelo jiaby anangnandreo amin-jovy na amin-jovy, mba ho avelan'i Babandreo Izegny agny an-dagnitra my koà ny fahotandreo. 26 [Fagnamarinana: Ny fandikana tegna tsara de tsy mentsy magnatô ny hoe (zaano akô amin'ny Mat. 16: 15) Mk. 11: 26 "Fa raha tsy mamela heloka koza andreo , de tsy hagnombela ny fahotandreo tegnany tokoatra ny Babandreo izegny agny an-dagnitra."] 27 De niakatra tagny Jerosalema ndreka zareo. Ary ndreka ninga nadiandiaa takeo an-tokontanin'ny fengoanana Jesosy, de tonga nangnatogna Ananjy ny lohandohan'ny mpisorogna, ny mpitondra fanjakana, ary zareo loholona. 28 Hoy zareo taminanjy hoe: "Fahefana avy teza no hagnanovanô an'iregny raha iregny, ary zovy no nagnomia fahefana Anô hagnano an'iregny?" 29 Jesosy nizaka taminjareo hoe: "Hagnomia fagnontaniana reka andreo Zaho. Zakeo Aminay de zakeko amindreo hoe fahefana avy takeza no agnanovako iregny raha iregny. 30 Ny batisan'i Jaona, avy agny an-dagnitra va izany sa avy amin'olona? Valiao Zaho." 31 Nifandinika niaraka zareo sady nifamaly hoe: "La mamaly ansena hoe: "Avy agny an-dagnitra, 'de hizaka Izy hoe: 'Fa naoana andrika no tsy nino ananjy andreo?' 32 Fa la mamaly koza ansena hoe: 'Avy amin'olona,' ..." Nataotra ny olona zareo, satria resy lahatra ny olona jiaby fa i Jaona de tegna mpaminagny tokoatra. 33 Avy takeo zareo namaly an'i Jesosy hoe: "tsy fantanè." De hoy Jesosy taminjareo hoe: "Zaho my koà de tsy hizaka amindreo hoe fahaefana avy teza no agnanovako iregny raha iregny."