Toko faha 12

1 Nanomboka nampianatra an-jariô tami'ny alalan'ny fagnoarana Jesosy. Hoy Izy hoe: "Nisy lilay nagnano tanim-bôloboka, de nagnano vala nagnodidigna anazy, sady nagnano lavaka famiazana." Nagnano tilikambo izy de avy tiô de nampagnofa ny tanim-bôloboka tamin'ny mpamboly vôloboka. De ninga nandia lavitra izy avy tiô. 2 Tamin'ny fitoana mety, de nagniraka mpanompo hôagny amin'ny mpamboly vôloboka izy mba angalaka aman-jarô sasagny amin-jariô izay tokony anjarany amin'ny tanim-bôloboka. 3 Fa nosamboron-jariô izy, nivangoany ra, de nitoravany tsy nitondra na ino na ino. 4 Nagniraka mpiasa afa inga aman-jarô ndreka izy, de nifren-jarô tamin'ny lohany sady nalany baraka. 5 De mbola nagnondefa afa ndreka izy, novonoin-jariô io reka io. Natôn-jariô karan'izegny fogna ny maro hafa, niraboiny ny sasagny de novoniny koa ny hafa. 6 Mbola managna olona reka asena izy, de zanaka tiany. Izy no farany nalefany tama-jarô. Hoy izy hoe: " Mba agnaza ny zanako lay my nga zaiô." 7 Nefa nifampikorana zariô mpamboly vôloboka hoe: "Ity ny mpandova. Niany, andô vonintsena izy, de ho lasantsena ny lova." 8 Nosamborin-jariô izy, de novonoina, ary natipiny tagny avelagny tanim-bôloboka. 9 Koa ino arika atôny tompon'ny tanim-bôloboka? Ho tonga izy ka andravan-jarô mpamboly vôloboka de agnome ny tanim-bôloboka ho an'ny afa. 10 Tsy novakinarô nga soratra masina zô? "Ny vato tsy nekeny mpagnano tragno, no natô vato fehijoro. 11 Avy tagny amin'ny Tompo zany, de mamagnana akiô amasontsena." 12 Niaragna anamborana an'i Jesosy zariô, fa sengy nataotra ny vaôka, satrian fantan-jarô fa fanoerana an-jariô no nizakany zany fagnoarana zany. Koa de nambelan-jariô Izy de lasa nandia zarô. 13 De nagnasa ny Fariseo sy Herodiana sasagny ho agny Aminy mba amitaka Anazy amin'ny zakan-jariô. 14 Ra tonga zariô, de hoy zarô taminy hoe: "Mpampianatra ô, fantane fa tsy mivakiloa ny evitr'olona anô, ary tsy mampiseo ny fengarana aman'olona. Mampianatra marina ny lalànan'Andriamanitra Anô. Ara-dalalàna ve sa tsy ara-dalàna no mandoa vola hetra amin'i Kaisara? Tokony andoa vola atao hetra ve ze sa tsy mandoa?" 15 Fa fantan'i Jesosy ny fetsaram-belatsin-jariô ka nizaka an-jariô hoe: "Nagnino andriô no mizaha fagny anà? Itondre denaria reka Zao mba zahanako anazy." 16 De nitondran-jariô vola reka Jesosy. Hoy Izy taman-jariô hoe: "Tarehin-jovy ty sary sy soratra ty?" Hoy zariô hoe: "An'i Kaisara." 17 Hoy Jesosy hoe: "Amezo an'i Kaisara zegny an'i Kaisara, ary amezo an'Andriamanitra zegny an'Andriamanitra." De magnana taminy zariô. 18 Avy tiô zariô Sadoseo, de nizaka fa tsisy fisanganana amin'ny maty, de tonga tiô aminy. Nagnadina Anazy zarô, nagnano hoe: 19 "Mpampianatra ô, nanoratra an'izô ho ane Mosesy hoe: "Ra maty ny tambokireka amin'ny lilay reka ka nagnombela vady izy, nefa tsy mba nanan-janaka, de tokony ho vadin'ny tambokoreka amin'ny lilay efa maty izy, ka anagna taranaka ho an'ny tambokireka amanazy izy." 20 Nisy olona fito tambokoreka; nanambady ny volognany de maty, tsy nagnombela taranaka. 21 Avy tiô de nangalakan'azy ny faharoe de maty, tsy nagnombela taranaka koa, de karan'izegny koa ny faha telo. 22 Tsisy nagnombela taranaka zariô fito. Tamin'ny farany de maty koa ny viavy. 23 Amin'ny fitsanganana amin'ny maty, ra isangana ndreka zariô, de zovy no vadiny amin-jariô fito tambokireka? Satria samby nanambady anazy aby daolo zariô fito tambokireka." 24 Ary hoy Jesosy hoe: "Tsy zany va no antony mahadiso hevitra andriô, tsy fantandriô na ny soratra masina na ny herin'Andriamanitra? 25 Satria ra misangana amin'ny maty zariô, de tsy manambady na alefa ampekarin'olona, fa ho karan'ny anjely angy andagnitra. 26 Fa momban'ny fisangananan'ny vatagna amin'ny maty, tsy novakin-driô va takô amin'ny bokin'i Mosesy, akô amin'ny andalana momban'ny voaroy, nikoranin'Andriamanitra tamin'izany ka nizakany hoe: " Zao no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba? 27 Izy de tsy Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona. Seky diso evitra an-driô." 28 Nisy reka taman-jarô mpitondra fanjakana avy niteno ny zakan-jariô; itany fa novalin'ny Jesosy tsara zariô. Ary nagnadina Anazy izy hoe: "Ino ny didy lehibe indrindra amin'ny didy manontolo?" 29 Jesosy namaly hoe: "Tsonoé tsara ry Isiraely fa ny Tompo Andriamanitra antsena, de Tompo reka my. 30 Tsy mentsy mankatià ny Tompo Andriamanitranô amin'ny fonô jiaby anô, amin'ny fagnahinô jiaby, amin'ny segnanô jiaby, sy amin'ny herinô jiaby"!. 31 Ity ny didy faha roa: "Tsy maintsy mankatià ny namanô karan'ny tegnanô anô! Tsy misy didy afa lehibe mihoatra anio. 32 Hoy ny mpitondra fanjakana hoe: "Tsara zany, ry mpampianatra! Nizakenô marian fa Andriamanitra de Reka, ary tsy misy hafa ra-tsy Izy. 33 Ary mankatià anazy amin'ny fo jiaby sy amin'ny segna jiaby sy ny hery jiaby, ary ny mankatià ny namana karan'ny tegnan-tegna, de tsara lavitra mihoatra ny fanatitra oroana sy ny sorogna mantolo." 34 Rahefa hitan'i Jesosy fa nagnome valindra zakena matotra izy, de nizaka tamanazy Izy hoe: "Akaiky ny fanjakan'Andriamanitra anô." Ary tafaran'izegny, de tsy nisy olona natsahy nametraka fanontaniana tamin'i Jesosy koza. 35 Namaly Jesosy, raha nampianatra tiô amin'ny fiangonana Izy; de hoy Izy hoe: "Ahôna ma no izakan'ny mpagnano fanjakana fa Kristy de zanak'i Davida? 36 Davida tegnany, tamin'ny Fagnahy masina, nagnano hoe: "Ny Tompo nizaka Tami'ny Tompoko hoe: Mipetraha akiô amin'ny tagnako ankavana, mandrapa agnamboarako ny fahavalonô ho fitoeran-togotra anô! 37 Davida tegnany aza nagnantso Anazy hoe: "Tompo; ka nahôna no maha zanak'i Davida an'i Kristy?" Niteno Anazy tam-pifaliana zarô vaôka maro be . 38 Tamin'ny fampianarany Jesosy de nizaka hoe: "Mitandrema aman-jarô mpitondra fanjakana, zay tia mandiadia amin'ny akanjo lava ary tian-jariô amenan-tsafa akegny antsena, 39 ary tian-jariô mahazo sezy vôlognany fogna zariô amin'ny Synagoga sy ny toerana vôlognany agny amin'ny fety . 40 Mandrobaka ny tragnon-jariô mpagnano tegna zariô, ary magnano vavaka lavabe mba ho itan'olona. Zany lilay zany de azo fagnameloana lebe tokoa." 41 Avy tiô Jesosy de nitoetra tandrifin'ny vata fagnatovana rakitra tiô amin'ny faritry ny tempoly; nizaha ireo olona jiaby izay nandrosaka ny vola takô amin'ny vatan-drakitra. Mpanankarena maro no nandasaka vola bedeba. 42 De nisy viavy mahantra mpitondrategna reka tonga nandasaka farantsakely roa izay kely variroaventy oharina amin'ny iraimbilanja. 43 De nantsovany zariô mpianany ary hoy Izy taman-jarô hoe: "Zakeko aminariô marina tokoa, fa ity viavy mahantra mpitondra tegna ity no nandasaka be mioatra amin'olona zay nandasaka vola tiô amin'ny vatan-drakitra. 44 Satria ny marobe de nagnome tamin'ny fanagnamben-jariô. Fa ity mpitondra tegna ity koza de amin'ny fahantrany, de nandrosaka ny vola manotolo zay tokony ivelomany takô izy."