Marka toko faha 13

1 Rehefa niala tiô an-tokotanin'ny fiangonana Jesosy, de nizaka tamin'Azy ny reka tamin'ny mpianatra hoe: "Mpampiatra ô zahano meny atsaran'ny vato sy ny atsaran'ny rafitra!" 2 Zô nizakeny taminazy hoe: "Itanô va togna rafitra agnona be togna? Tsisy vato nade reka avela mifanongoà akiô ka tsy ho robaina." 3 Ary ra nitoetra tiô an-tampotaviran'Oliva tandrifin'ny fiangonana Izy, de nagnadignan'Azy moramora Petera, Jaona, Jakoba sy Andrea hoe: 4 "Zakiô aminay, oviana mà no hatongavany zany raha maro be zany? Ino avekiô ny marika ra ho tonga rà izany?" 5 Ary Jesosy nanomboka nizaka taman-jarô hoe: "Mitandrema fa sô de misy olona amitaka lalana an-driô. 6 Fa maro no ho tonga amin'ny agnarako ka izaka hoe: "Zao no izy, ary maro no voafitagny." 7 Rehefa maregny ady sy tabataban'ady andriô, de aza magnahy; tsy maintsy tonga zany, fa tsy mbola zany ny farany. 8 Fa hisy firenena hitsangana amango firenena , ary hitsy fanjakana amango fanjakana. Ary hisy horohoron-tany koa amin'ny faritra maro, sady hisy solôna. Otran'izany ny fagnandognavan'ny fahorin'ny famerana. 9 Mitandrema my an-driô. Ho atolotra an-jariô eo amin'ny Synedriona anarô, ary ho raboina ao amin'ny synagoga. Hitsangana aloan-jariô mpanapaka sy jariô mpanjaka nony Amiko anariô, ho vavolombelona aman-jarô. 10 Fa ny filazantsara de tsy maintsy ambara amin'ny firenena jiaby aloaka. 11 Rehefa manambotra sy mitory an-driô zariô, de aza matahotra amin'izegny tokony hizaken-driô. Fa amin'izegny fotoana zegny, de amenan-driô zay tokony zaken-driô; tsy anarô no izaka, fa ny fagnahy masina. 12 Ny tambokoreka hitory ny tambokoreka amanazy ho faty, ary ny ibany hitory ny zanagny. Ny zanaka hiady amin'ny iabany sy ny reniny ka amono an-jarô. 13 Tsy ho tian'olona jiaby anariô non'ny Agnarako. Fa na zovy na zovy mavandry atramin'ny farany, de ho voahavotra zany olona zany. 14 Fa raha itandriô fa misangana amin'izay tokony tsy hisanganany ny favetavetan'ny fandravana (ôka hisegna zegny mamaky), de ôka zegny avy agny Jodia mantolo hilefa agny an-tampotavirana, 15 zegny avy agny an-tafotragno ôka tsy androrogna andragno na hamoaka raha avy akô , 16 ary zegny avy agny an-tanim-boly tsy hierigna angalaka ny lambany. 17 Lozan-jariô viay bevoka sy mampinono amin'izany andro zany! 18 Mivavahà anariô mba tsy ho amin'ny rirignina no hitrangan'izany. 19 Fa hisy fahoriana be, zegny mbola tsy nisy hatramin'izegny, rehefa namorona zô ntontolo zô Andriamanitra, ka atramin'izô, ary mandrakizay tsy hitsy intsony zany. 20 Ary raha tsy nafohizin'ny Tompo zany andro zany, de tsy hisy olona ho vohavotra koza. Fa non'ny olm-boafidy, zegny nofidiny, de nafohiziny isan'izany andro zany. 21 Ary ra misy olona mizaka aminarô hoe: " Antengo, aty lay Kristy! na koa hoe: "Antegno, arý Izy! de aza mino an'izany. 22 Fa hisy Krisity sandoka sy mpaminagny sandoka hiseho ary amoaka famantarana sy fahagagana, mba hamitahana, na de ny olom-boafidy aza, raha azony, atô. 23 Membena! Efa nozakeko taminarô mialoa ny fotônan'io ra mantolo io. 24 Kanefa hafaran'io fahorian'io, de homizigna ny masoandra, ny volana tsy hagnome fahazavana, 25 ireo kintana hiraraka avy egny amin'ny lagnitra, ary ireo hery izay ao an-dagnitra hetseketsehina. 26 Ka ho hitan-jariô ny Zanak'Olona avy egny amin'ny rahogna amin'ny hery lehibe sy voninahitra. 27 Ary hagnasa ny anjeliny Izy ka hanangona miaraka ny olom-boafidiny avy agny amin'ny vazantany efatra, avy agny amin'ny faran'ny tany ka atragny amin'ny faran'ny lagnitra. 28 Makà lesona avy amin'ny kakazon'aviavy, Raha vô manarogna sy mandravina ny tagnantagnany , de fantanarô fa ho avy ny loatôna. 29 Toy izany koa, raha vô hitanariô mitranga zegny zavatra rehetra zegny, de fantanarô fa efa marivo Izy, manakeky ny vavahady. 30 Zakeko amin-driô, marina tsara, itogna taranaka itogna de tsy lany tamingana se madra-pivoahany raha jiaby zany. 31 Ho potika ny lagnitra sy ny tany, fa ny ra-zakeko koza tsy ho potika mandrak'izegny. 32 Fa ny mikasika zany andro sy fotôna zany, de tsisy mahafantatra nade zariô anjely agny andagnitra agny aza, na ny Zanaka fa ny Ray my. 33 Mitandrema! Miambena satria tsy ho fantan-driô ny fotôna. (Fagnamariana: ireo fahefana taloha de hoe: Mitandrema! Miambena de mivavaha, satria...) 34 Zegny de kara lilay reka nande lavitraˍniala ny tragnony izy ka ny mpanompony no naseny hikarakara ny tragnony, samby amin'ny asa atôny aby, ary nanome beko ny mpiambina izy mba tsy oandry. 35 Ka membena fa tsy fantan-driô na oviana no hotonga ny tom-potragno; mety amin'ny folak'andro zany, na amin'ny sasak'alina, na magneno akoho, na mandrena. 36 Fa raha avy tampoka izy, de aza atô ahitan-driô mandry izy. 37 Zegny zakeko aman-driô de zakeko amin'olona jiaby koa: Miambena!"