Toko faha 14

1 Ary roy andro talohan'ny Paska sy ny Fankalazana ny Mofo tsy misy masirasira tamin'izegny. Niaragna fomba hisambôrana an'i Jesosy mangingina zareo lohan'ny mpisorogna sy ny mpitondra fanjakana ary hamono Ananjy avekeo. 2 Fa hoy zareo hoe: "Aleo tsy amin'ny andro fety, mba tsy hampiawalawala ny olona." 3 Raha tonga tagny Betania tao an-dragnon'i Simona boka i Jesosy raha nitoetra teo aloan'ny latabatra Izy, de nisy viavy reka nagnatona Ananjy nitondra tavoangy alabastara izegny nisy menaka magnitra lafo vidy, narda izegny tsy nisy fangarony. Novakiany ny tavoangy de nararagny teo ambony lohan'i Jesosy ny menaka. 4 Nahavignitra ny olona sasagny anefa izany. Nifampikorana zareo ka nagnano taminanjy hoe: "Ino no dikan'izô fandaniandaniam-pôgna izô? 5 Io menaka magnitra io de afaka namidy mioatra ny denaria telonjato, ary nizarena ho an'ny boty." De nizakazaka an-draviavy zareo. 6 Nefa hoy i Jesosy hoe: "Ambileo izy. Nagnino andreo no magnano izegny mampalaelo ananjy? Raha tsara no nataony taminay. 7 Ny boty de aketo amindreo isan'andro afaka magnano asa soa hoanjareo fogna andreo na amin 'ny fotoana ino na fotoana ino fa Izaho kosa tsy mba hipetraka aketo amindreo isan'andro. 8 Nagnano izegny azony natô izy: Nagnosotra ny tegnako ho amin'ny fandevegnana izy. 9 Zakeko marina amindreo, na akeza na akeza hitoriana ny filazantsara magnerana izô tontolo izô de ho zakena koà ny natôn'ity viavy ity, mba ho fahatsiarovana ananjy." 10 Avy teo i Jodasy Iskariota, reka taminjareo roy ambin'ny folo lahy, ninga tagny aminjareo lohandohan'ny mpisorogna mba hahafany manolotra Ananjy. 11 Ndreka naregny izany ny lohandohan'ny mpisorogna, de faly zareo ka nagnome toky fa agnome vola ananjy. De nanomboka niaragna hevitra mba hanolorana Ananjy ho anjareo izy. 12 Tamin'ny andro voalohagny fihinana ny mofo tsy misy masirasira, ndreka nagnano sorogna ny ondrin'ny Paska zareo, de hoy zareo mpianany Taminanjy hoe: "Akeza no tianô agnamboarana raanina mba hihinananô ny raanina amin'ny Paska?" 13 De nagniraka roy lahy taminjareo mpianany Izy ka nizaka taminjareo hoe: "Mingà agny an-tanàna, ary hisy lilahy mitondra siô feno rano iaro amindreo. De magnaraha ananjy. 14 Izegny tragno idirany, de akô no idirandreo ka zakeo amin'izany tompon'izany tragno izany hoe: "Akeza ny efitragno fandresam-bahiny ahafahako miara-omana ny Paska amin'ny mpianatranay, hoy ny mpampianatra?" 15 Agnatoro efitragno malalaka ambony rihana misy fanagnana an-dragno izegny efa vognona tsara andreo izy. Akô no anganovy ny fagnomagnana jiaby ho ansena." 16 De ninga ny mpianatra ka nitety ny tanàna. Hitanjareo araka izegny efa nizakena taminjareo ny raha jiaby, de nagnomagna ny raanin'ny Paska zareo. 17 Ndreka maty masoandro, de tonga niaraka taminjareo roy ambin'ny folo lahy Izy. 18 Ndreka nitoetra teo alohan'ny latabatra hihinana zareo, de hoy Jesosy hoe: "Zakeko marina amindreo, fa ny reka amindreo izegny miara-omana Aminay aketo de hamadika Anay." 19 Nalaelo mafy zareo jiaby, ka samy nizaka taminanjy ny tsirekireka hoe: "Sode mba zaho zany?" 20 Jesosy namaly ka nizaka taminjareo hoe: "Ny reka amindreo roy ambin'ny folo lahy izany, ilay reka izegny miaraka magnasoboka ny mofo Aminay agnaty lasety izô." 21 Fa ny zanak'olona de inga amin'ny lalana izegny efa vozakan'ny Soratra Masina momba Ananjy. Fa loza koza ho an'izany lilahy izegny mamadika ny Zanak'Olona izany. Tsara ho ananjy koa aza raha tsy tanteraka izy." 22 Raha mbola tam-pihinanana zareo, de nalaka ny mofo i Jesosy, nisaotra Izy, ary nizarazara izany. Nameny anjareo izany sady natôny hoe: "Reso, ity no vatagnanay." 23 De nalaka kapoaka Izy, nisaotra, ary nagnomia izany anjareo, de nisotro tamin'izany zareo jiaby. 24 De hoy Izy taminjareo hoe: "Ity no ràn'ny fagnekiam-piavanako, rà izegny alatsaka ho an'ny maro. 25 Zakeko marina amindreo fa tsy hisotro ity vokatry ny voaloboka ity koza Zaho mandrapahatongavan'ny andro izegny hisotroako izany ndreka agny amin'ny Fanjakan'Andriamanitra." 26 Ndreka avy nihira fiderana zareo de ninga tagny Antendrombohitr'Oliva. 27 Hoy Jesosy taminjareo hoe: "Hiala Aminay aby andreo jiaby, fa voasoratra hoe: 'Hamango ny mpiandry ondry Zaho ary hipariaka ny ondry.' 28 Fa ndreka avy hatsangana amin'ny maty Zaho, de inga alohandreo ho akô Galilia." 29 De hoy i Petera taminanjy hoe: "Na de iala Aminô aza zareo jiaby, zaho koza de tsy mba hiala." 30 Hoy Jesosy taminanjy hoe: "Zakeko marina aminô, fa niany ariva, raha mbola tsy magneno in-droy aby ny akoho de efa handà Anay in-telo anô." 31 Fa hoy Petera Taminanjy hoe: "Na de tsy mentsy iara-maty Aminô aza zaho, de tsy mba hiala Aminô." De samy nampanantegna karan'izany aby zareo jiaby. 32 Ary tonga tagny amin'ny toerana atao hoe Getsemane zareo, de hoy Jesosy taminjareo mpianany hoe: "Mitoera aketo raha mbola mivavaka Zaho." 33 De nitondra an'i Petera sy Jakoba ary Jaona niaraka taminanjy Izy ary nanomboka nalaelo sady ory tegnandraha. 34 De hoy Izy taminjareo hoe: "Fadiragnovagna loatra ny Fagnahiko, kara raha efa ho faty. Mitoera aketo ka miambena." 35 Niataka lavidavitra i Jesosy, nenkohoka tamin'ny tany, de nivavaka Izy mba hialan'izany lera izany Aminanjy raha ohatra ka azo atao. 36 Hoy Izy hoe: "Aba, Ray o, ny raha jiaby de hainao atao. Alao aminay ity kapoaka ity. Nefa ôka tsy ny sitra-poko no atao fa ny Anao." 37 De nierigna Izy ka naita anjareo nandry, ka hoy Izy tamin'i Petera hoe: "Simona, mandry va ano? Tsy nahavita niambina na de adiny reka aby va ano? 38 Miambena de mivavaha mba tsy hidirandreo amin'ny fakam-pagnahy. Ny fagnahy mety mazoto my, fa ny nofo tsy manan-kery." 39 De ninga ndreka Izy niala bitika ary nivavaka, ary de nagerigna ny zaka natôny tambolognany my. 40 Nierigna ndreka Izy de nahita anjareo nandry, fa reraky ny torimaso ny masonjareo ary tsy fantanjareo izegny nizakena taminanjy. 41 Nagnatona fagnontelony Izy ka nizaka anjareo hoe: "Mbola mandry sy melignina fogna va andreo? Ampy izegny! Efa tonga ny fotoana. Antegno ny Zanak'Olona navadika mba hamiana akeo an-tagnan' ny mpanota. 42 Mitsangana; andô inga ansena. Antegno, fa efa marivo ilay hamadika Anay." 43 Ay raha mbola teo am-pikoranana Izy, de avy Jodasy, reka aminajreo roy ambin'ny folo lahy, niaraka tamina vaoaka maro izegny nitondra sabatra sy fioka, avy aminjareo lohan'ny mpisorogna sy ny mpitondra fanjakana, ary ny loholona. 44 Ary ilay mpamadika Ananjy nagnome famatarana anajareo nizaka hoe: "izegny ifagnoroako no Izy. Sambory Izy de ambeno." 45 Ndreka tonga i Jodasy, de tonga de nagnatona an'i Jesosy sady nizaka hoe: "Raby," ary de nagnoroka Ananjy izy. 46 Avy teo de nisamborinjareo i Jesosy. 47 Fa nisy reka taminjreo nitsangana takeo namoaka ny sabatrananjy ary namango ny mpanompon'ny mpisorognabe ka nangala ny tadigniny. 48 Hoy Jesosy taminjareo hoe: "Tonga hisambotra Anay, kara hisambotra dahalo, miaraka amin'ny sabatra sy langilangy va andreo? 49 Taminay takeo amindreo isan'andro sady nampianatra takeo amin'ny fengonana, tsy nisamborindreo fa natô izô mba hahatanteraka ny Soratra Masina." 50 De niala Taminanjy aby zareo jiaby izegny niaraka tamin'i Jesosy ary nivony. 51 Ary nisy tanora lilahy reka, tsy nagnato afa-tsy lamba hariry, nagnaraka an'i Jesosy. Ndreka nisamborin'ny olona izy 52 de navelany teo ny lambany ka dila nilefa sady nibolegna izy. 53 Nindesinjareo tagny amin'ny mpisorognabe i Jesosy. Niara-nivory taminanjy takeo aby ny mpisorogna jiaby, sy ny loholona, ary ireo mpitondra fanjakana. 54 Ary Petera nagnaraka Ananjy tegny lavidavitra tegny, hatragny an-tokontanin'ny mpisorognabe. Nitoetra takeo aminjareo mpiambina Izy, izegny namindro takeo amarivon'ny afo. 55 Ary zareo lohan'ny mpisorogna sy ny Synedriona Jiosy niaragna vavolombelona manohitra an'i Jesosy mba hahafahanjareo mamono Ananjy ho faty. Nefa tsy nahita zareo. 56 Fa maro no nanandritandrika Ananjy, nefa na ny fanandritandrianjareo aza de tsy marina sino. 57 Ary nisy olona hafa nanandritandrika Ananjy; hoy zareo hoe: 58 "Renginè Izy nizaka hoe: 'Horavako ity fengonana namboarin-tagnana ity, ary ao agantin'ny telo andro Zaho de hanangana reka hafa tsy namboarin-tagnana.'" 59 Fa mbola tsy nifagnaraka my ny tandritandrika natônjareo. 60 Ary ny mpisorognabe nitsangana takeo aminjareo de nagnadina an'i Jesosy hoe: "Tsy managna havaly va Anao? Ino izany hanandrian'itogna olona itogna Anao izany?" 61 Fa nangina Izy sady tsy nizaka na ino na ino. De mbola nangnadina Ananjy ndreka ny mpisorognabe ka nagnano hoe: "Ano va no Kristy zanak'ilay notahina?" 62 De hoy Jesosy hoe: "Zaho no Izy; ary ho hitandreo ny Zanak'Olona ndreka hitoetra akeo an-tagnan-kavanan'ny herin'Andriamanitra sy avy akegny amin'ny rahon'ny lagnitra." 63 Ary ny mpisorognabe nandriatra ny lambany sady nagnano hoe: "Mbola mila vavolombelona ndreka va ansena? 64 Efa regnindreo ny zaka ratsy. Ino no fanapahan-kevitrandreo?" Izy jiaby de samy nagnameloka Ananjy kara olona tokony ho faty. 65 Ny sasagny nanomboka nadrora Ananjy ary nanarogna ny tarehiny ka namango Ananjy ary nagnano taminanjy hoe: "Maminagnià!" Ary zareo manamboninahitra nalaka Ananjy ka nandraboka Ananjy. 66 Ary raha takeo ambany takeo an-kianja i Petera, de nagnatogna ananjy ny reka taminjareo mpanompon'ny mpisorognabe. 67 Nahita an'i Petera nitsangana namindro teo amin'ny afo izy, de nodinihiny akeky. De hoy izy taminanjy hoe: "Anô koa niaraka tamin'i Jesosy ilay Nazareana." 68 Fa izy nandà izany, nagnano hoe: "Tsy fantako sady tsy azoko izegny zakenô." Avy takeo de dila niala ny kianja izy. [Fagnamarinana: Ireo fandiakana sasagny de magnampy hoe: "De nagneno ny akoho," fa ireo fandikana taloha tegna tsara de tsy magnatô an'io teny io.] 69 Fa ilay zaza viavy takeo nahita ananjy de nanomboka nizaka tamin'ireo olona nitsangana magnodidigna ndreka hoe: "Io lilahy io de reka aminjareo!" 70 Fa mbola nandà izany ndreka izy. Bitibitika teo de nizaka zareo nitsangana takeo tamin'i Petera hoe: "Tegna reka aminjareo tokoatra anô, satria anô de Galiliana." 71 Fa nanomboka nagnozon-tegna sy nifanta izy, nagnano hoe: "Tsy fantako izany lilahy zakendreo izany." 72 Ary niaraka tamin'izany de nagneno ampagnondroiny ny akoho. Ary avy teo de natsiaro ny zakan'i Jesosy taminanjy i Petera hoe: "Raha mbola tsy magneno ampagnondroiny ny akoho de handà Anay in-telo anô," De nalaelo mafy izy sady nitomagny.